I Retia tao amin' nyEmpira Rômana tamin' ny taona 120
IRetia, antsoina koa hoeRetia-Vindelikia, naRetia-Vindeliqia, dia faritanin' nyEmpira Rômana, nonenan' ny Retiana tao Tyrol sy ny Vindelisiana tany Bavaria; ankehitriny dia mifanitsy amin' ny kantôn' i Graubünden (frantsay:Grisons) sy Valais amin' izao fotoana izao, amin' i Tyrol, amin' ny tapany atsimo amin' i Bavaria, amin' ny tapany atsinanana amin' i Württemberg ary amin' ny tapany avaratra amin' i Lômbardia (Valtellina). Resy sy azon' i Droso (Drusus) sy iTiberio (Tiberius) tamin’ ny taona 15 tal. J.K. izy, izay lasa faritany imperialin' i Retia izay nizara tamin' ny taonjato faha-4 teo amin' i Retia I (renivohitra i Chur na Coire) sy i Retia II (renivohitra i Augusta Vindelicorum).
Lasa ivelany sy tsy dia nandroso ara-toekarena i Retia, ka mora rembin' nyAlamàna izay nibodo ny fari-tany talohan' ny nanafihany ny morony havia amin' ny onyRhin mba hamoronana ny fanjakany manokana. Tamin' ny taonjato faha-5 dia notafihin' nyAlàna sy nyVandaly izy talohan' ny nahazoan' i Teôdôrika, mpanjakan' nyÔstrôgôty azy. Tany am-piandohan' ny taonjato faha-6 dia nofehezin' ny Bavariana izay namorona ny dokea voalohan' i Bavaria, izay nampidirin' iCharlemagne ho ao aminy tany notapahany.
Nitohy nandritra taonjato maro ny fampielezana ny kolontsaina rômana tamin' ny faritra madinidinika maro, nanodidina ny evesean' iAugsburg ary mandraka ankehitriny anySoisa ao amin’ ny kantôn’ i Graubünden (frantsay:Grisons), izay nantsoina taloha hoe kantôn’ i Retia, izay mbola misyfiteny rômana atao hoe "retô-rômana" na "rômantsa".