Ny fomba fitondrana ny fanjakana eran' izao tontolo izao. * ny manga: maneho ny repoblika anjakan' ny filoham-pirenena tanteraka; * ny maitso: repoblika anjakan' ny filoham-pirenena sy ny antenimiera; * ny mavo: repoblika anjakan' ny filoham-pirenena sy amin' ny fomba malefaka; * ny volomboasary: repoblika anjakan' ny antenimiera; * ny manja: repoblika anjakan' antoko tokana.
Nyrepoblika dia endri-pitondram-panjakana tsy manana mpanjaka ho mpitondra ny firenena, fomba fandaminana ny firenena ampiasan' ny solontenam-bahoaka ny fahefana, izay amin' ny ankapobeny voafidin' ny olom-pirenena, ary ny maha filoham-panjakana dia tsy ifandovana ary tsy ny filoham-panjakana irery no mitana ny fahefana.
Mifanohitra amin' ny fanjakà-mpanjaka ifandovana ny repoblika, saingy tsy midika foana hoedemôkrasia ny repoblika. Tokony tsy hafangaro amin' ny demôkrasia ny repoblika: fitondran' nylalàna ny repoblika fa ny demôkrasia kosa dia fitondran' ny daholobe. Io hevitra faran' ny teny hoedemôkrasia io dia avy amin' nyteny grika hoedemokratía izay ahitana ny hoedemos ("vahoaka") sy ny hoekratos ("fanjakana", "fitondrana").
Ny repoblika tamin' ny taona 2021, no endri-pitondrana ara-pôlitika miely indrindra eran-tany: amin' ny firenena miisa 197 dia 152 no repoblika.