IMartin Lotera tamin' ny taona 1529, sary nataon' i Lucas Cranach der Ältere.
NyFanavaozana prôtestanta, izay atao hoe koaRefôrmasiôna naRefôrma naFanavaozam-piangonana, dia hetsika ara-pivavahana tamin' ny taonjato faha-16 tao amin' nyFiangonana Tandrefana izay nanapitra ny fahambonian' nyPapa eo amin' ny fitondram-piangonana sady niafara tamin' ny fiforonan' nyFiangonana prôtestanta maro. Ny Fanavaozana prôtestanta dia vokatry ny faniriana ny hiverina amin' ny loharano nipoiran' nykristianisma. Te hanome lanja ny fivavahana sy ny fiainana ara-tsôsialy amin' ny fomba fijery hafa koa ny mpanavao fiangonana (na refôrmatora).
Ny Refôrmasiôna dia ahitana taratra ny fanahian' ny fanahin' olombelona[1], ny amin' nyfamonjena, izay ivon' ny fisaintsainan' ny mpanavao finoana, izay namaky bantsilana ny fahasimban' ny fiarahamonina manontolo nateraky ny fivarotana nyindolzansa. Nanararaotra ny firoborobon' ny fanaovana pirinty ny mpanavao fiangonana mba hanaparitahany nyBaiboly amin' ny fitenin' ny olona andavanandro (indrindra amin' nyfiteny alemàna taorian' ny fandikan-teny nataon' iMartin Lotera), sady naneho fa ny Baiboly dia tsy miresaka ny amin' ny olo-masina, na ny amin' ny fanaovana fanompoam-pivavahana amin' iMaria Virjina, na ny amin' nyafo fandiovana. Ny fakana hevitra avy amin' ny Baiboly ho filamatra anefa no isan' ny zavatra nanetsika ireo mpanavao fiangonana. Izany foto-kevitra izany, izay fantatra amin' nyteny latina hoeSola scriptura ("ny Soratra Masina irery ihany"), no nitari-dalana azy ireo.
Natombok' iMartin Lotera fony izy monka (na moanina) katôlika tamin' ny 31 Oktobra 1517 tao amin' nyEmpira Masina sy iUlrich Zwingli tao Zorika, avy eo iMartin Bucer tao Strasborga ary taty aoriana iJean Calvin taoParis sy taoGeneva ny Refôrmasiôna ka nahazo ny ampahany be tamin' iEorôpa Avaratra-Andrefana. Nandamoka ny ezaka fampihavanana natao tamin' izay ka teraka ny fivakisana teo amin' nyFiangonana katôlika rômana sy ireoFiangonana prôtestanta. Ny Refôrma nataon' ny Fiangonana katôlika hanoherana izany nanomboka tamin' nyKônsily tao Tridentio (na Trento) dia tsy nahatafaverina afa-tsy ampahany amin' ny mponina efa niova ho prôtestanta.
Nanana endrika pôlitika koa ilay Refôrmasiôna prôtestanta satria lasa fitaovana nentin' ireo andriandahy (na printsy) tany Eorôpa haneho ny fahaleovan-tenany manoloana ny fahefan' nyPapa izay lazaina fafitondram-pajakan' Andriamanitra (teôkrasia) manerana izao tontolo izao. Nentin' ny mponina maro hikomy manoloana ny andriamanjaka tsy ankasitrahany, toa izay nisy taoEkôsy sy taoHôlandy aspaniôla, koa ny Refôrmasiôna. Maro ny vokatr' ilay hetsika tamin' ny taonjato faha-16, dia disadisa teo amin' ny emperora habsborga sy ny andriandahy alemàna maro, ary koa ny ady an-trano isan-karazany taoFrantsa sy taoAngletera ary tao Ekôsy.