Nyrariny, izay atao hoe koafahamarinana, amin'ny heviny mivelatra indrindra, dia foto-pitsipikafilôzôfika sy ara-dalàna ary ara-môraly izay iheverana ny tokony hitondrana ny olona amin'ny fomba tsy miangatra. Araka io foto-pitsipika io dia tsy maintsy ankatoavina na lavina ny fihetsiky ny olona arakakaraka ny fahamendrehany araka ny môraly (nytsara), ny lalàna, ny hatsaran-toetra na izay mety ho fenitra hafa enti-mitsara ny fitondrantena. Ny rariny, izay foto-pitsipika mahakasika ny zavatra rehetra, dia miovaova arakaraka ny kolontsaina. Tarigetra heverina ho fototra ho an' ny fiainana ara-piarahamonina sy ho an' nysivilizasiôna ny rariny.
Fiarahamonina ahafahan'ny tsirairay mahazo izay "mendrika azy" ny fiarahamonina ahitana ny rariny. Miankina amin'ny karazana sehatra sy sampana filôzôfika isan-karazany ny fandikana ny hoe "mendrika", anisan' izany nyetika, ny fifotorana amin'ny saina, nylalàna, nyfivavahana, ny fitovian-tantana ary ny rariny. Azo atao ny miteny fafanjakana dia mikatsaka ny rariny amin'ny alalan'ny fitsarana sy ny fampiharana ny didim-pitsarana.