Ny Ranomasina Mena dia eo anelanelan' iAfrika sy nySaikanosy Arabika. Any atsimo, ny Ranomasina Mena dia mifandray amin' nyRanomasimbe Indiana amin'ny alalann' iBab-el-Mandeb sy nyHoalan' i Aden. Any avaratra zarain' nyTanjon' i Sinay ho helodrano roa izy, ny any andrefana dia ilay malaza nyHoalan' i Suez ary ny any atsinanana diaHoalan' i Aqaba.
Ny halavan' i Ranomasina Mena dia 1 977 km, ary 300 km monja ny sakany. 2 500 km ny halalin' ny toerana lalina indrindra, eo amin' ny hady anivo. Ny elanelan-kalaliny dia 500 m eo ho eo.
Betsaka nynosy sytamba-nosy eo aminy. Ireto ny anarany avy any avaratra mianatsimo: Ny Nosin' ny Faraôna, ny Nosy Tiran, i Giftu, i Zabargad, ny Tamba-nosin' i Dahlak, ny Nosy Farasan ary ny Nosy Hanisy.
Ny firenena manamorona ny Ranomasina Mena dia iJiboty, iEritrea, iSodàna, iEjipta, iIsraely, iJordania, iArabia Saodita ary iIemena.
Indreto ny tanàna sasany eo amorontsiraky ny Ranomasina Mena: Assab, Port Soudan, Port Safaga, Hurghada, Suez, Sharm el-Cheikh, Eilad, Akaba, Dahab, Jiddah, Al Hudaydah.