IRamsesy II naRamesesy II diafaraôna (na farao) tany Egipta (na Ejipta) nandritra ny vaimpotoan’ny Empira Vaovao, izay niaina teo anelanelan’ny taona 1279 tal. J.K. hatramin’ny 1212 tal. J.K. any ho any. Teraka tamin’ny taona 1302 tal. J.K. ary maty tamin’ny taona 1212 tal. J.K. izy.
Nanjaka nandritra ny fotoana lava dia lava i Ramsesy II ka izy no fantatra indrindra amin’ireo faraôna nifandimby, izay sady andriamanjaka mifomban’andriamanitra, be herimpo amin’ny adin-tafika sady nahavita fanorenanan-javatra maro.
Faraôna fahatelo tao amin’ny andron’ny fianakavia-mpanjaka (dinastia) faha-19 i Ramsesy II. ISety I no rainy. Ankoatr’iNefertary sy iIsisy-Nôfreta izay vadiben’ny mpanjaka dia nanana vady maro ny mpanjaka nandritra ny fanapahany, izay niteraka zaza zato mahery taminy. TaoMemfisy no nanamasinana azy ary nanao ny renivohiny tao amin’ny tapany avaratr’i Ejipta izy, ao amin’ny tanàna izay naoriny, dia iPer-Ramsesy (“tanànan’i Ramsesy).
Nandritra ny tapany voalohany tamin’ny fotoana nanapahany dia niady mba haka indray ireo faritra aty Afrika sy anyAzia Minora izay fananan’i Ejipta tamin’ny taonjato faha-16 sy faha-15 tal. J.K. i Ramsesy II. Tamin’izany fotoana izany dia nyHitita izay vahoaka mahery miady any Azia Minora no mpifanandrina taminy nandritra ny fotoana maharitra dia maharitra. Ny ampahan’ady mafy indrindra dia niseh tamin’ny taona 1274 tal. J.K. taoKadesy, any amin’ny tapany avaratr’iSiria. Nihevitra y vokatr’izany ho fandresena miezinezina ho an’ny Ejipsiana i Ramsesy nefa tsy nanova ny satan’ireo faritra iadina ireo izany. Nisy fifanarahana natao taorian’izany ady izany ka ireo tany niadiana dia nozaraina ary nohamafisina tamin’ny alalan’ny fanambadian’i Ramsesy II ny zanakavavin’ny mpanjakaHatosily III ny fandriam-pahalemana.
Ny fotona sisa rehetra tamin’ny fanapahan’i Ramsesy II dia voamariky ny fifantohany tamin’ny fanorenana zavatra miezinezina. Novitainy aloha ny asa natomboky ny rainy taoAbidôsy, avy eo dia nanamboatra ny efitra malalaka manana tafo voatohan’andry ao amin’ny tempolin’iAmôna tao Karnaka izay natombok’iAmenôfisyy III, alohan’ny hanamboarany ny tempoliny manokana, indrindra fa ny andry voalohany ao amin’ny tandahatr’andry manodidina ny tempolin’i Loksôra, ny Rameseoma aoTebay (na Teba), ny tempoly voasokitra anaty harambato ao Abo Simbela (Abu Simbel), izay nataony hanomezam-boninahitra an’i Nefertary vadiny sy an’ny tenany.
I Seti I no rainy. Ny vadiny dia Nefertari, Isetnofret, Maathorneferure. Ny zanany dia Amun-her-khepeshef, Merneptah, Ramesses (Son of Ramesses II), Meryatum. Ny rahalahiny sy/na ny rahavaviny dia Tua.
Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'nyfanitarana azy. Jereo koa ny pejyAhoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.