Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Ramanavy

Avy amin'i Wikipedia
Ramanavy

Nyramanavy diabiby mampinono manana tranon-jaza, toy nytotozy nefa manana elatra, anisan' ny ramanavy, ohatra, nymanavikely sy nymanavibe ary nyfanihy. Mamorona filaharana atao hoeChiroptera ny ramanavy.

Misy karazanya efa ho 1 400 eo ho eo nyChiroptera, izany hoe ampahadimin' ny karazana biby mampinono 6 500 fantatra, mitsinjara amin' ny vondron-karazana 175 mivondrona ho fianakaviana 20. Io no vondrom-biby mampinono lehibe indrindra aorian' nybiby mpikiky (Rodentia).

Ny ramanavy no hany biby mampinono afaka manidina mikopaka elatra. Mivezivezy eny amin' ny rivotra izy ireo amin' ny alalan' ny elatra miforona avy amin' ny fonon-koditra eo anelanelan' ny vatana sy nyrantsambatana ary nyrantsantanana. Ny ankamaroan' ny karazana dia mahalana ihany no mipetrapetraka amin' ny tany ary tsy afaka mandeha tsara eo.

Matetika dia afaka mamantatra ny toetran' ny toerana halehany ireo biby manidina amin' ny alina ireo amin' ny alalaan' ny akon' ny feo alefany. Mivoatra indrindra ao amin' nyMicrochiroptera mpihinana bibikely io fahaiza-manao io; amin' ny alina izy ireo no tena mihetsika indrindra, mizotra ao anatyhaizina amin' ny alalan' ny fandefasanafeo mananahetetika bitika (ultrason) izay raisiny ny fiverenan' ny akony, ka mamantatra ny toerana misy ny rembiny sy ny sakana mety hisy. Miantehitra kokoa amin' ny masony sy ny fanamboloany kosa nyMegachiroptera.

Zana-pilaharana roa no ekena fisiana ao amin' ny fanakilasiana klasika: nyMicrochiroptera manana maso kely sy sofina lehibe sy nyMegachiroptera manana maso lehibe sy kely sofina. NyMicrochiroptera dia ahitana fianakaviana 17, vondron-karazana 146 eo ho eo ary karazana 814, kely vatana, afaka mamantatra ny toerana sy ny rebiny amin' ny alalan' ny ako, ary nyMegachiroptera dia tsy misy afa-tsy fianakaviana iray misy vondron-karazana 41 eo ho eo sy 170 karazana anisan' izany nyfanihy, somary lehibe. Vao haingana, araka ny fikarohana miorina amin' nymôlekiola, ity filaharana ity dia nozaraina ho zanakarazana roa vaovao roa mba hanapaka ny parafilian' nyMicrochiroptera: nyYinpterochiroptera sy nyYangochiroptera.

Any amin' ny faritra misy olombelona nafandripahana ala dia maro ny karazana ramanavy no mihena be na nanjavona amin' ny toerana sasany. Anaovana drafitra famerenana amin' ny laoniny na manana sata arovana, ny sasany, indrindra anyFrantsa.

Amin' ny kolontsaim-bahoaka dia mety ho tsara na ratsy ny ramanavy, arakaraka ny firenena. Noho ny endriny hafahafa sy ny fiainany amin' ny alina ary ny zava-miafina manodidina ny fomba fiainany, dia matetika izy ireo no iharan' ny hevi-diso efa voarain' ny olona hatry ny ela izay nitarika ny fanenjehana azy ireo.

Fanakilasiana

[hanova |hanova ny fango]

Zana-pilaharana sy fianakaviana

[hanova |hanova ny fango]

Misy roa ny zana-pilaharana, araka ny fanakilasiana klasika, dia nyMegachiroptera (Dobson, 1875) sy nyMicrochiroptera (Dobson, 1875).

Megachiroptera

[hanova |hanova ny fango]

Microchiroptera

[hanova |hanova ny fango]
  • Craseonycteridae
  • Emballonuridae
  • Furipteridae
  • Hipposideridae
  • Megadermatidae
  • Molossidae
  • Mormoopidae
  • Mystacinidae
  • Myzopodidae
  • Natalidae
  • Noctilionidae
  • Nycteridae
  • Phyllostomidae (anisany ny ramanavy vampira)
  • Rhinolophidae
  • Rhinopomatidae
  • Thyropteridae
  • Vespertilionidae

Kolontsaina

[hanova |hanova ny fango]

Ohabolana malagasy

[hanova |hanova ny fango]
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Ramanavy&oldid=1099659"

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp