Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Aller au contenu
Wikipedia
Tadiavo

Poaceae

Avy amin'i Wikipedia
Katsaka

NyPoaceae naGramineae dia fianakavian-javamaniry izay ahitana karazany miisa 12 000 izay mitsinjara amin' ny vondron-karazana miisa 780. Izy io, raha ny isan' ny karazana ao aminy no jerena, dia fianakaviana fahadimy amin' ny zavamaniry mamony, aorian' nyAsteraceae, nyOrchidaceae, nyFabaceae ary nyRubiaceae.

Maro aminy no karazanabozaka syvoamadinika. Mety manana tsiraka mafy toy ny volo (anisan' izany nyvolotsangana). AhitanaPoaceae betsaka (mihoatra ny 40 % amin' ny velaran' nyTany, afa-tsy anyGrinlandy sy anyAntarktika) ny eny amin' nykijana sy nyhivoka. Fahita koa amin' ny toerana sasany toy ny faritra mando sy ny faritra misy ala ary ny faritry ny tondrà nyPoaceae. Anisan' nyPoaceae ny zavamaniry fihinam-boa na fihinam-batana toy nyvary, nyvarimbazaha, nykatsaka, nyôrza, nyampembambazaha, nyfary. Anisany koa nyvolotsangana isan-karazany sy nybararata. Anisan' nyPoaceae koa ny ahi-dratsy maro manimba ny fambolena toy ireo ao amin' ny karazany dimy, dia nyCynodon dactylon, nyEchinochloa colona, nyEleusine indica, nySorghum halepense, ary nyImperata cylindrica.

Zana-pianakaviana

[hanova |hanova ny fango]

Ireto ny zana-pianakaviana ao amin' nyPoaceae araka an' i Soreng et al., 2015:

  • AnomochlooideaePilg. ex Potztal,
  • AristidoideaeCaro
  • ArundinoideaeDumortier
  • BambusoideaeLuerss.
  • ChloridoideaeKunth ex Beilschm.
  • DanthonioideaeH.P. Linder & N.P. Barker
  • MicrairoideaePilg.
  • OryzoideaeKunth ex Beilschm.naEhrhartoideaeJacq.-Fél. ex Caro
  • PanicoideaeLink
  • PharoideaeL.G.Clark & Judz.
  • PooideaeBenth.
  • PuelioideaeL.G.Clark, M.Kobay., S.Mathews, Spangler & E.A.Kellogg

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]

Karazana sasany ao amin' nyPoaceae

Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Poaceae&oldid=1096982"

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp