NyPentateoka dia fitambaran' ny boky dimy voalohany ao amin' nyBaiboly, izany hoe ao amin' nyTestamenta Taloha. Ny fizaràna hafa manampy an' io ao amin' ny Testamenta Taloha dia nyBoky ara-tantara sy nyBokim-pahendrena ary nyBokin' ny Mpaminany. Marihina fa nyKristiana no mampizara efatra ny Testamenta Taloha arak' izany. Ny Pentateoka no ataon' ny Jiosy amin' ny teny hebreo hoeTorah ("lalàna").
Avy aminin' nyteny grika hoeπεντάτευχος /pentateukhos / ny hoepentateoka. Amin' nyteny latina izy dia atao hoepentateuchus. Izany dia entina manondro ilay ataon' nyJiosy hoe "ny Dimy ampahadimin' ny Torah". Ny hoe "Boky dimin' i Mosesy" dia andian-teny nandikana nyteny hebreo izay midika ara-bakiteny hoe "dimy ampahadimin' ny Lalàna". Atao hoe koa "Lalàn' i Mosesy" na "Lalàn' i Moizy" io fitambaram-boky io. Izany dia fandikana ny teny hebreo hoe "Tōraṯ Mōshe".
Ireto avy ireo boky ao amin' ny Pentateoka: nyGenesisy naJenezy, nyEksôdôsy naEksaody, nyLevitikosy naLevitika, nyNomery, ary nyDeoterônômia naDeoterônômy.
Mitantara nyfamoronan' Andriamanitra izao rehetra izao sy ny olombelona voalohany nyBokin' ny Genesisy (naJenezy na Genesý). Mitantara ny amin' nysafodrano lehibe tamin' ny andron' iNôa izay vokatry nyfahotana nataon' ny taranak' ireo olombelona ireo ilay boky. Tantarainy koa ny amin' ny nampanjarian' Andriamanitra ny fitenin' ny olombelona ho maro tamin' ny nanamboaran' izy ireo nyTilikambon' i Babela. Miresaka momba ireo Raiben' ny Israely (Patriarka) toa an' iAbrahama sy iIsaaka sy iJakôba ary iJôsefa koa io boky io.
Mitantara ny fanafahana ireoHebreo (na Hebrio) avy any Ejipta (na Egipta) sy ny fivezivezeny tany amin' ny tany efitra hatrany amin' ny tendrombohitraSinay nyBokin' ny Eksodosy (naEksaody). Maneho ny fisian' ilay Andriamanitra mpanafaka io boky io.
Miresaka sy mitantara ny amin' ny fanompoam-pivavahan' ny Israelita izay nankinina tamin' ny fokon' iLevy nyBokin' ny Levitikosy (naLevitika).
Manohy ny tantara ao amin' ny Bokin' ny Eksôdôsy momba ny dian' ny Israelita namakivaky nytany efitr' i Sinay notarihin' i Mosesy (na Môizy) hatrany amin' ny lemak' i Môaba, tsy lavitra ny tanyKanaana nyBokin' ny Nomery na Bokin' ny Fanisana.
Manantitra ny momba ny lalàna sy ny tsy maintsy hanajana izany araka ny efa voalaza rahateo ao amin' ireo bokin-dalàna telo voalohany (Eksôdôsy,Levitikosy,Nomery) nyBokin' ny Deoterônômia (naDeoterônômy).
Ny Pentateoka dia fanangonan-dahatsoratra nataon' ny mpanoratra jiosy manodidina ny vanimpotoan' nyfahababoana tany Babilôna (taona 588 hatramin' ny taona 538 tal. J.K.[1]) sy taorian' izany[2]. Ny famoahana izany literatiora tsy namafa ny fahasamihafan' ny safidy teôlôjikan' ny mpanoratra izany, dia midika fametrahana lasitra maneho ny maha-izy nyjodaisma vao misandratra, sady fiatrehana ireo fiovana ara-pôlitika sy ara-toekarena ary ara-pivavahana nifanehatra amin' ny jodaisma[3].
Hatramin' ny faramparan' ireo taona 1990 sy nandritra ny taompolo 2000 dia naroson' ny mpikaroka ny fiheverana fa ny votoatin' ny lahatsoratry ny Pentateoka sy ireo boky izay manaraka azy toy nyBokin' i Jôsoa (na Jôsoe) na nyBokin' ny Mpitsara, dia azo antoka fa nangonina tamin' ny vanimpotoanapersiana, izany hoe teo anelanelan' ny taonjato faha-5 sy faha-4 tal. J.K.[4] na raha aloha indrindra dia teo anelanelan' ny taonjato faha-7 sy faha-6 tal. J.K.[5].
Fanasokajiana ny boky ao amin' nyTanakh (Baiboly jiosy):
Fanasokajiana ny boky ao amin' ny Testamenta Taloha (kristiana):
Petra-kevitra:
- ↑Rainer Albertz,Israel in exile: the history and literature of the sixth century BCE, p.xxi.
- ↑Thomas Römer,Introduction à l'Ancien Testament, Labor et Fides, 2009,p. 150-153.
- ↑Félix García López,Comment lire le Pentateuque, Labor et Fides, 2005,p. 9
- ↑Christophe Nihan et Thomas Römer,Introduction à l'AT,p. 179, 182
- ↑La filature d’un théologien suisse pour connaître l’origine de DieuArchived Septambra 4, 2017 at theWayback Machine [tahiry], entretien Thomas Römer, letemps.ch, 27 mars 2014