Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Pakistàna

Avy amin'i Wikipedia
اسلامی جمہوریۂ پاکستانEndrika:Ur
Islāmī Jumhūrīyah Pākistānur
Islamic Republic of Pakistanen
Repoblika Islamikan' i Pakistàna((mg))
Sainan' i PakistanMari-piandrian'i Pakistan
(Antsipirihany)(Antsipirihany)
Teny filamatra: Iman, Ittehad, Nazm
(Finoana, Fivondronana, Fifehezana)
Teny ofisialyfiteny ordoa
fiteny anglisy
RenivohitraIslamabad
33°43′N73°04′E / 33.717°N 73.067°E /33.717; 73.067
Tanàna lehibe indrindraKarachi,Lahore
Fitondrana sy governemanta
 -Filoha
Repoblika Islamika
Arif Alvi
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 36
796 095km²
Azo tsy raharahiana
Isam-ponina
 - Tontaliny (2014)
 -hakitroka
faha 6
188 020 000[1] mpo.
236 mpo./km²

{{{1}}}

Anaran'ny mponinapakistaney
IDH (2009)mitombo 0,572[2] (antonony) faha-141
Sandam-bolaRopia pakistaney (PKR)
Faritr'oraUTC +5
Hiram-pirenenaQaumi Tarana
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+92
Sarin-tanin' i Pakistàna

IPakistàna dia firenena anyAzia Atsimo. Izany dia manaraka an' iIndia,Iràna,Afghanistàna, arySina. Amin' ny fomba ôfisialy dia antsoina hoeRepoblika Islamikan' i Pakistàna. Manana morontsiraka lavitra manamorona nyRanomasin' i Arabia any atsimo. I Pakistàna dia manana ny isa-mponina fahaenina lehibe indrindra eto amin' izao tontolo izao. Ny velarantany manontolon' i Pakistàna dia 880 940 km² (miaraka amin' ny tany entin' i Pakistàna, i Azad Kashmir ary i Gilgit Baltistàna). Izany dia manao an' i Pakistàna ho firenena faha-34 lehibe indrindra eto amin' izao tontolo izao. IIslamabad no renivohitr' i Pakistàna, ary ny tafika pakistaney dia fahafito lehibe indrindra. Atao hoePakistaney na Pakistaný ny mponina ao Pakistàna.

Anarana

[hanova |hanova ny fango]

Ny anarana hoePakistàna amin' nyfiteny ordo syfiteny persana dia midika "tanin' ny madio".

Mponina

[hanova |hanova ny fango]

Ny mponin' i Pakistàna dia tokony ho 167 800 000 tamin’ ny taona 2008. Eo amin’ ny 1,9 % eo ny fitombon' ny mponina raha 3 % izany tamin' ny taona 1980. Mpifindra monina any ivelany, indrindra mankany amin’ nyFanjakana Mitambatra (Angletera) syAmerika Avaratra aryArabia Saodita sy ireo firenena ao amin’ nyHoala Persika, ny Pakistaney[3]. 2,3 % izany tamin' ny taona 2017. Miisa any amin' ny 207 000 000 ny mponina ao Pakistàna tamin' ny taona 2017[4].

Foko ao Pakistàna

[hanova |hanova ny fango]

Ny vahoaka pakistaney dia fitambarana foko maro, izay manana ny maha samihafa azy amin' ny lafiny kolontsaina sy ny fiteny. Efatra ny karazan' olona maro anisa indrindra mitambatra mamorona ny Pakistaney, dia nyPenjaby izay mahasahana ny antsasa-manilan' ny mponina; ao koa nyPastona izay 15 %n' ny mponina; ao koa nySindy izay 15 %n' ny mponina; ary nyBalotsy 5 %n' ny mponina[3].

Fivavahana

Raha amin' ny lafiny fivavahana kosa indray diaMiozolmana ny 97 %n' ny mponina (75 % araka an' i Christophe Jaffrelot[5]) ka ny 80 % amin’ izanySonita fa ny 20 % kosaSiita. Misy ny fifanadrinana eo amin’ ny Siita sy ny Sonita ka nahafaty olona 4 000 izany tamin’ ny taona 2007[6].

Vitsy an’ isa kosa nyHindoista (na Hindoa) (1,2%[7] hatramin' ny 2 %[8]) izay iharan’ ny herisetra. Vitsy an’ isa koa ny nyKristiana izay iharan’ ny fanenjehana; ao koa nySika (miisa 300 000) sy nyParsy (Zôrôastriana) (miisa 20 000) ary nyBodista[3] (miisa 10 000).

Fiteny

[hanova |hanova ny fango]

Fiteny manodidina ny 80 no tenenin’ ny olona ao ka ny ankamaroany diafiteny indô-iraniana. Ny be mpiteny amin’ ireo dia nyfiteny penjaby (48 %); avy eo nyfiteny pastô (15 %), nyfiteny sindy (14 %) ary nyfiteny balotsy (3 %) ary nyfiteny seraiky. Nyfiteny anglisy sy ny fiteny sindy nofiteny ôfisialy. Fiteny ôfisialy nyfiteny ordo (7 - 8 %)[3]. Ny fiteny balotsy,hazaragy arykasmiry no fitenim-paritra vitsy mpampiasa kokoa.

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]

Firenena ao Azia:

Afganistàna -Arabia Saodita -Armenia -Azerbaijàna -Bangladesy -Bareina -Botàna -Broney -Emirata Arabo Mitambatra -Filipina -Iemena -India -Indônezia -Iràka -Iràna -Israely -Japàna -Jôrdania -Kambôdia -Katara -Kazakstàna -Kirgizistàna -Kôety -Kôrea Atsimo -Kôrea Avaratra -Laôsy -Libàna -Maldiva -Malezia -Mianmara -Môngôlia -Nepaly -Ômàna -Ozbekistàna -Pakistàna -Palestina (fanjakana) -Rosia -Sina -Singaporo -Siria -Srilanka -Tailandy -Taioàna -Tajikistàna -Torkia -Torkmenistàna -Vietnamy.

Kôntinenta eto an-tany

Mbolaambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'nyfanitarana azy.
Jereo koa ny pejyAhoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Loharano

[hanova |hanova ny fango]
  1. ((en))Pakistan Economic Survey 2013-14Archived Jiona 30, 2014 at theWayback Machine
  2. PNUD, « Human development indices ». Novangiana tamin'ny 12 octobre 2009
  3. 3,03,13,2 et3,3"Pakistan" inMicrosoft Encarta 2009
  4. Résultats préliminaires du recensement de 2017Archived Septambra 18, 2017 at theWayback Machine [tahiry].
  5. Christophe Jaffrelot, "Le Pakistan miné par les affrontements entre sunnites et chiites: Gouvernants et puissances étrangères attisent les divisions communautaires",Le Monde diplomatique,‎ décembre 2013 [tahiry].
  6. "Affrontements meurtriers entre chiites et sunnites au PakistanArchived Aprily 10, 2007 at theWayback Machine", dansLe Monde du 07/04/2007, [tahiry].
  7. Carl Skutsch,Encyclopedia of the World's Minorities, Routledge, 7 novembre 2013 (ISBN 978-1-135-19388-1,vakio etotahiry),p. 553.
  8. "Table: Religious Composition by Country, in Numbers" [tahiry], ao a amin'nyPew Research Center's Religion & Public Life Project, 18 décembre2012.
Mbolaambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'nyfanitarana azy.
Jereo koa ny pejyAhoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Pakistàna&oldid=1080936"
Sokajy :

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp