Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Orogoay

Avy amin'i Wikipedia
Sainan'i Orogoay
Orogoay

IOrogoay dia firenena aoAmerika Atsimo, manana morontsiraka ao amin' nyRanomasimbe Atlantika. IMontevideo no ny renivohiny. Ny tanàna lehibe indrindra dia i Montevideo. Mirefy 176 215 km2 ny velarany ary niisa, 3.444.263 ny mponina tao aminy araka ny fanisana natao tamin' ny volana Jolay 2011. Ny faritr' orany dia +11.

Ny tanim-pirenen' i Orogoay dia fitohizan' ny Pampa Arzantina: amin' ny ankapobeny dia tany lemaka mialonalona aniriana ahitra ny ankabeazan' ny tanin' i Orogoay. Ny ony Negro (izay mamakivaky an' ilay firenena avy any atsinanana ka hatrany andrefana) sy ny ony Uruguay (izay zary sisintany manasaraka azy amin' i Arzantina, any andrefan' ilay firenena) no korian-drano lehibe indrindra ao Orogoay.

Ny ankamaroan' ny Orogoaiana dia taranaky ny Eorôpeana. Katôlika ny ankamaroany. Monina an-tanàn-dehibe ny mponina ary mipetraka indrindra any amin' ny morontsirak' i Atlantika.Ny indostria sy nyfizahan-tany dia mitana toerana lehibe eo amin' ny toekaren' i Orogoay. Na izany aza, nyfambolena sy nyfiompiana dia mbola mijanona ho sehatra tena ilaina: ny fiompiana (ondry syomby), izay fanao eny amin' ny lemaka lehibe, dia miantoka ny ampahany lehibe amin' ny fanondranana mankany ivelany, ka hena syvolonondry (ity firenena ity dia anisan' ny mpamokatra volonondry voalohany eran' izao tontolo izao) syhoditra. Mivoatra koa nyjono. Zanatany espaniôla taloha, Orogoay dia nahaleo tena nanomboka tamin' ny 1828.

Fizarana administratif

[hanova |hanova ny fango]
Faritravelarantany (km²)mpoina (2017)[1]Renivohitra
Artigas11.92874.800Artigas
Canelones4.536581.500Canelones
Cerro Largo13.64889.600Melo
Colonia6.106130.000Colonia del Sacramento
Durazno11.64359.000Durazno
Flores5.14426.500Trinidad
Florida10.41769.300Florida
Lavalleja10.01659.200Minas
Maldonado4.793187.600Maldonado
Montevideo5301.381.200Montevideo
Paysandú13.922119.100Paysandú
Río Negro9.28257.600Fray Bentos
Rivera9.370108.300Rivera
Rocha10.55174.000Rocha
Salto14.163132.300Salto
San José4.992115.600San José de Mayo
Soriano9.00884.000Mercedes
Tacuarembó15.43893.000Tacuarembó
Treinta y Tres9.67650.500Treinta y Tres
Orogoay, administrative divisions

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]
  1. Uruguay – Major Cities
Search Wikimedia Commons I Wikimedia Commons dia manana aino aman-jery mikasika an'i :Uruguay
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Orogoay&oldid=1090559"
Sokajy :

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp