Nyoraniôna dia singametaly radiôaktifa, izay aseho amin' ny alalan' ny evaU, sady mitondra ny laharana atômika 92. Mitsonika ny oraniôma rehefa mahatratra 1 132 °C ny maripanany, ary mangotraka amin' ny 3 818 °C sady manana hakitroka 19,05 amin' ny maripana 25 °C. Ny lanja atômikany dia 238,029. Anisan' ny metaly mavesatra ny oraniôma.
Miseho amin' ny endrikakristaly telo ny oraniôma: ao ilay miforona rehefa 770 °C ny maripana ka azo volavolaina sady azo roritina. Rava ao anatyasidra klôridirika sy nitirika ny oraniôma, nefa tsy levona ao anatyalkalia. Manala ny hidirôzeninan' ny asidra mineraly sy an' ny tsora masiran' nymetaly toy nyvolavelona (namerkiora), nyvolafotsy, nyvarahina, nyfirapotsy, nyvolamahery (naplatinina) ary nyvolamena ny oraniôma. Rehefa voazarazara madinika ny oraniôma dia mora mirehitra ao amin' ny rivotra eo anelanelan' ny maripana 150 °C sy 175 °C. Ny oraniôma no singa simika voajanahary laharana fafa-48 amin' ny habetsahana ao an-kibon' ny tany, ka betsaka kokoa noho ny volafotsy izany. Ahitana azy amin' ny endrika bitika ny any anaty ranomasina. Anisan' ny loharanon-kafanana izay mihazona ny hafanam-ben' ny hoditry ny Tany ny oraniôma, ka mampihisatra ny fihamangatsiakany. Ny oraniôma no akora fototra ampiasaina amin' ny taozava-baventy nokleary.