Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Ondrilahy (antokon-kintana)

Avy amin'i Wikipedia
Ny antokon-kintan' ny Ondrilahy

NyOndrilahy diaantokon-kintan' ny zôdiaka izay andalovan' nymasoandro amin' ny 19 Avrily hatramin' ny 14 Mey. Eo anelanelan' ny antokon-kintan' nyTrondro eo andrefany sy ny an' nyOmbilahy eo atsinanana izy. Ny Ondrilahy, izay atao hoeAries amin' nyteny latina, dia iray amin' ireo antokon-kintana miisa valo amby efapolo hitan' i Ptôlemeo. Amin' nyteny frantsay dia atao hoeBelier io antokon-kintana io.

Io antokon-kintana io dia atao amin' ny teny arabo hoe االحمل /Al-Hamal ("ondrilahy") izay niavian' ny anaram-bintana sy volana malagasy hoeAlahamady (naAlahamaly amin' ny faritra maro eto Madagasikara). Amin' nyteny grika izy dia ata hoeΚριός /Krios. Amin' nyfiteny soahily dia atao hoeHamal naKondoo io antokon-kintana io. Amin' nyteny maley kosa dia atao hoeHamal naBiri-biri ihany koa izy.

Rehefa nampiasaina amin' nyfanandroana ny antokon-kintana dia nanome ny iray amin' ireoevan'ny zôdiaka mikisaka ho anarany io anaran' antokon-kintana io nefa amin' izao fotoana izao dia efa tsy mifanandrify amin' ny fotoana fandalovan' nymasoandro amin' ny fari-danitry ny antokon-kintana Ondrilahy ny fotoana andalovan' ny masoandro ao amin' ny evan' nyOndrilahy izay manomboka eo amn' ny 21 Marsa ka miafara amin' ny 20 Avrily.

Ny antokon-kintan' ny Ondrilahy


Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]

Antokon-kintan' ny zôdiaka:

Evan' ny zôdiaka:

Vintana ao amin' ny fanandroana malagasy:

Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Ondrilahy_(antokon-kintana)&oldid=1078187"

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp