Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Aller au contenu
Wikipedia
Tadiavo

Ôktôbra

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'nyOktobra)

Ny volanaÔktôbra dia volana fahafolo ao amin' nytetiandro gregôriana syjoliana, volana fahenina amin' ireo volana misy 31 andro ao amin' ny taona. Io no volana faharoan' nyfararano any amin' nyila-bolantany avaratra, fa volana faharoan' nylohataona any amin' ny ila-bolantany atsimo. Avy amin' nyteny latina hoeOctober (avy amin' ny hoeocto, "valo") ny anarany, satria volana fahavalo tao amin' nytetiandro rômana fahiny izy io.

Tantara

[hanova |hanova ny fango]

Tetiandro rômoliana

[hanova |hanova ny fango]

Tany am-boalohany ao amin' nytetiandro rômana antsoina hoe "tetiandro rômoleana" izay nahitana volana folo, ny volana Ôktôbra dia volana fahavalo amin' ny taona. Io anarana io dia avy amin' nyteny latina hoeOctober, avy amin' ny hoeocto "valo", sy nytovana -bris izay angamba avy amin' ny teny latina hoeber "mitondra", na avy amin' ny andian-teny hoeab imbre, "aorian' ny oram-panala".

Ny Rômana, rehefa zatra naneho ho olona na andriamanitra ny zavatra rehetra izay nanahirana ny nanazava azy (toy ny tsingerina isan-taona), dia nametraka ny andriamanitra "tsara" amin' ny lafiny iray ary ny andriamanitra "ratsy" amin' ny lafiny ilany, ary nitandrina mba ho eo ambanin' ny fiarovan' ny voalohany, ka hiaro ny tenany tsy ho azon' ny faharoa. Ny volana efatra voalohany amin' ny taona ihany no mifandray amin' ny andriamanitra mpiaro, ka ny telo amin' izy ireo dia andriamanibavy: nyMartius (volana Marsa) natokana ho an' ny andriamanitra rômaninaMarsa, nyAprilis (volana Aprily) ho an' iAfrôdita, nyMaius (volana Mey) ho fanomezam-boninahitra an' iMaia, nyIunius (volana Jona) ho fanomezam-boninahitra an' iJonô. Ny enim-bolana farany dia notondroina amin' ny isa izay natao mba hahafaha-manavaka azy ireo mandritra ny taona: nyQuintilis ho an' ny volana fahadimy, nySextilis ho an' ny fahenina, nySeptember ho an' ny fahafito, nyOctober ho an' ny fahavalo, nyNovember ho an' ny fahasivy, nyDecember ho an' ny fahafolo. Amin' io tetiandro io, ny volana Marsa no volana voalohany amin' ny taona rômana.

Tetiandro pômpiliana sy joliana

[hanova |hanova ny fango]

Araka ny lovantsofina notantarain' ny mpanoratra latinina (Ôvidio, Varô), dia lasa nisy 12 volana ny tetandro, na io tamin' ny naha mpanjaka an' i Noma Pômôlio (Numa Pompilius), na io tamin' ny fitondran' nyDecemviri manodidina ny taona 450 tal. J.K. ary nyJanoary no lasa volana voalohany amin' ity antsoina hoe "tetiandro pômpiliana" ity mba hanakaiky kokoa ny fiandohan' ny taona amin' nysôlstisy ririnina izay mamarana ny vanim-potoana tsy isian' ny famokarana ary manomboka ny fanavaozan' nyMasoandro.

Na izany aza, ny taona rômana dia fantatra amin' ny daty nifidianana ny kônsoly roa, izay nandray ny fahefana tamin' ny 1 Mey sy 15 Marsa talohan' ny taona 153 tal. J.K. Ny fiandohan' ny taon' ny kônsoly dia napetraka amin' ny 1 Janoary tamin' ny nampidirana nytetiandro joliana tamin' ny 45 tal. J.K., iJolio Kaisara dia nampanombka izany, tsy tamin' nysôlstisy ririnina, fa tamin' ny tsinam-bolana manaraka mivantana an' io sôlstisy io, mba hifanaraka amin' ny toetsain' ny Rômana, izay zatra ny taom-bolana.

Tamin' ny Andro Antenatenany

[hanova |hanova ny fango]

Tamin' nyAndro Antenatenany, ny firenena kristiana dia mampiasa nytetiandro joliana ary nanomboka ny fanisana ny taona amin' ny fety ara-pivavahana lehibe iray, dia ny 25 Desambra (fomban' ny Fahaterahan' i Jesoa), ny 25 Martsa (fomba flôrentina nafomban' ny Fanambaràna), na amin' ny Paska (fomban' ny Paska) toy ny any amin' ny faritra frantsay sasany. Na izany aza, ny tetiandro tamin' ny Andro Antenatenany dia manohy mampiseho ny taona araka ny fomba amam-panao romana, amin' ny tsanganana roa ambin' ny folo manomboka amin' ny Janoary ka hatramin' ny Desambra.

Ankehitriny

[hanova |hanova ny fango]

Ny fiforonan-teny latinina momba ny volana Ôktôbra dia mbola mampahatsiahy hatramin' izao ny filaharan' ity volana ity ao amin' ny taon' ny "tetiandro pômpiliana": ankehitriny izy dia volana fahafolo, raha laharana fahavalo taloha.

Ireo zavatra nitranga tamin' ny Ôktôbra

[hanova |hanova ny fango]
Oktobra
1 2 3 4 5 6 7
8 91011121314
15161718192021
22232425262728
293031    

Teraka

[hanova |hanova ny fango]

Maty

[hanova |hanova ny fango]


Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Ôktôbra&oldid=1059006"
Sokajy :

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp