Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Aller au contenu
Wikipedia
Tadiavo

Ogarita

Avy amin'i Wikipedia

Ogarita (ogaritika: 𐎜𐎂𐎗𐎚,ʼUgart;arabo: أُوغَارِيت‎Ūġārīt na أُوجَارِيتŪǧārīt;hebreo: אוּגָרִית‎Ugarit) diatanàna seranan-tsambo fahiny tany amin' ny faritra avaratra anySiria, ao amin' ny manodidina an' i Latakia ankehitriny, izay hita tamin' ny fomba tsy nahy tamin' ny taona1928 niaraka tamin' ireo lahatsoratra ogaritika. Atao matetika hoeRas Shamra ny sisam-paharavàny.

Nanana fifandraisana akaiky tamin' nyFanjakana Hitita i Ogarita, nandefa hetra ho an' iEjipta indraindray, ary nihazona fifandraisana ara-barotra sy ara-diplômatika tamin' iSipra, (izay nantsoina hoeAlashiya tamin' izany fotoana izany), voarakitra an-tsoratra ao amin' ny tahirin-tsoratra azo tao amin' ilay toerana ary nohamafisin' ny tanimanga mikeniana (na miseniana) sy sipriôta hita tao. Ny pôlitika dia tonga tamin' ny fara tampony tamin' ny manodidina ny taona 1450 tal. J.K. mandra-paharavany tamin' ny manodidina ny taona 1200 tal. J.K. Ity fandravana ity dia mety ho vokatry ny nataon' ireoVahoakan' ny Ranomasina na ny ady an-trano tamin' nyAndron' ny Alimo.

Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Ogarita&oldid=1043619"

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp