Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Odessa

Avy amin'i Wikipedia

49°29′N30°44′E / 49.483°N 30.733°E /49.483; 30.733

Odessa
Velarantany162,42km2
Isan'ny mponina1,010,537
Tanàn-dehibeNC
Ben'ny tanànaNC
Firenena Okraina
FanjakanaNC
FaritanyNC
FaritraOdessa
Tanàna mifanolo-bodirindrinaOdessa
Odessa
Odessa

IOdessa naOdesa dia tanàna ao atsimo-afovoany amin' i Okraina, tanàna seranan-tsambo, ao amin' nyRanomasina Mainty, renivohitry ny ôblastan' i Odessa. Ny isan' ny mponina tao dia 1 011 494 tamin' ny taona 2018. Atao hoe Оде́са /Odesa izy amin' nyteny okrainiana, fa Оде́сса /Odessa kosa amin' nyteny rosiana.

I Odessa dia seranan-tsambon' ny fanjonoana sy ny raharaham-barotra lehibe ao Okraina, izay azon' nysambo idirana mandritra ny taona. I Odessa koa dia tanànan' ny taozava-baventy lehibe, toeram-pihaonanan' ny lalamby, foibe ara-kolontsaina ary toerana fialan-tsasatra amoron-dranomasina malaza. Ny taozava-baventy ao amin' ilay tanàna dia mamokatrasolitany voadio, sakafo, akora plastika, fanafody ary akanjo.

Ahitana toeram-pampianarana ambony maro ny ao Odessa, anisan' izany ny oniversite, ny fampianarana manamboatra sambo sns. Io tanàna io koa dia manana tranombakoka sy teatra maromaro ary ôpera.

Zanatany grika taloha i Odessa, izay nantsoina hoeOdessos tamin' izany fotoana izany, nobodoin' nyTatara izy tamin' ny taonjato faha-14, avy eo tonga koa nyTiorka. Nampidirin' iRosia ao amin' ny taniny izy tamin' ny taona 1792, izay tobin' ny tafika an-dranomasina rosiana, avy eo naorin' i Ekaterina II Lehibe tamin' ny taona 1794 ny tanànan' i Odessa. Tanàna fahatelon' i Rosia sy seranana fanondranana voamadinika voalohany tamin' ny taonjato faha-19 i Odessa, izay nodarohan' ny tafika an-dranomasina frantsay sy anglisy baomba nandritra ny Ady tao Krimea.

Tamin' ny taona 1905 i Odessa dia nitrangan' ny korontana revôlisiônera, anisan' izany ny tantara malaza momba ny sambo mpiadyPotemkin. Fialofana farany ho an' nyTafika Fotsy izay notarihin' ny jeneraly Denikin nandritra ny fanoherana ny revôlisiôna (1918-1919) i Odessa, nefa lasan' nyTafika Mena izy tamin' ny taona 1920. Niharam-pahavoazana be ilay tanàna nandritra nyAdy Lehibe Faharoa, ary nyAlemàna dia nibodo azy tamin' ny taona 1941 hatramin' ny taona 1944 dia nandripakaJiosy betsaka tao.

Tamin' ny May 2014 dia nisy ny korontana goavana teo amin' ny mpanohana ny governemanta vonjimaika aoKyiv sy ny mpanohitramiteny rosiana.

Taorian' ny fahafatesan' ny mpikatroka mpomba ny fitondrana ao Kyiv, izay maty voatifitra tao afovoan-tanàna dia niafina tao anatin' ny tranon' ny Sindikà ny mpanohana ny Rosiana, izay nenjehin' ny mpanohana ny governemantan' i Kyiv, trano izay nirehitra taorian' ny fanipazan' ny mpanao fahirano afo tao. Teo amin' ny efapolo eo ho eo ny mpomba an' i Rosia no maty noho ny fahasemporana na nodorana velona tamin' ny harivan' ny 2 Mey 2014.


Search Wikimedia Commons I Wikimedia Commons dia manana aino aman-jery mikasika an'i :Odesa
v  d  e
Tanàna ao Okraina
1,000,000+
500,000-1,000,000
200,000-500,000
100,000-200,000
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Odessa&oldid=1097404"
Sokajy :

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp