Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Nizerià

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'nyNizeria)
Federal Republic of Nigeria((en))
Jamhuriyar Taraiyar Nijeriyaha
Njíkötá Óchíchìiwù Naíjíríàig
Àpapọ̀ Olómìnira ilẹ̀ Nàìjíríàyo
Repoblika Federalin' i Nizerià((mg))
Sain'i NizeriaMari-piandrian'i Nizeria
(Antsipirihany)(Antsipirihany)
Teny filamatra: Unity and Faith, Peace and Progress
(Firaisana, Finoana, Fandriam-pahalemana ary Fivoarana)
Teny ofisialyAnglisy
Tenim-pirenena

Haosa
Igbo
Yoroba

RenivohitraAbuja
9°10′N7°10′E / 9.167°N 7.167°E /9.167; 7.167
Tanàna lehibe indrindraLagos
Fitondrana sy governemanta
 -Filoha
-Filoha andefitra
RepoblikaFedelady
Muhammadu Buhari
Yemi Osinbajo
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 32
923 768km²
1,4 %
Isam-ponina
 - Tontaliny (2012)
 -hakitroka
faha 7
170 123 740 mpo.
184.2 mpo./km²

{{{1}}}

Anaran'ny mponinaNizerianina
IDH (2011)midina 0,448 (ambany) faha-142
Sandam-bolaNaira (NGN)
Faritr'oraUTC +1
Hiram-pirenenaArise Oh Compatriots,
Nigeria's Call Obey
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+234

INizerià naNijerià (amin' nyteny anglisy:Nigeria), izay atao hoeRepoblika Federalin' i Nizerià koa (amin' ny teny anglisyFederal Republic of Nigeria), dia firenena aoAfrika Afovoany-Andrefana, izay misy fanjakana miisa 36, manana morontsiraka ao amin' nyRanomasimbe Atlantika, manana velarana mirefy 923 768 km². Mamaritra azy avy ao avaratra iNizera, avy ao atsinana iTsady sy iKamerona, ary ao andrefana iBenîno. IAbuja no renivohiny (nanomboka tamin' ny taona 1991) nefa ny tanàna lehibe indrindra amin' ny raharaham-barotra dia iLagos. Atao hoeNijeriana naNizeriana ny vahoakan' io firenena io.

Anjakan' ny lembalemba mivelatra maro izay vakivakian-korian-drano maro ny vohon' ny tanin' i Nizeria, isan' ireo korian-drano ireo ny onyNiger izay manavasava an' io firenena io avy any avaratra mianatsimo alohan' ny hivarinany any amin' nyHoalan' i Ginea.

I Nizerià no firenena be mponina indrindra atyAfrika, ary iLagos dia anisan' ny tanàna lehibe indrindra maneran-tany. Ahitanavondrom-poko maro ny ao amin' io firenena io, ka ny lehibe indrindra dia nyHaosa, nyFolany, nyIôroba ary nyIbô naIgbô. I Nizerià no firenena be mponina indrindra aoAfrika, izay nisy mponiny miisa 162 000 000 tamin' ny taona 2011.

Sarin-tanin' i Nizerià

Niompana amin' ny fambolena ny toekaren' i Nizeria talohanan' ny nahitany tahirin-tsolitany voajanahary tamin' ny taompolo 1970 izay nampitombo ny harin-kareny. Mampidi-bola betsaka any Nizerià ny vokatrakakaô izay mametraka azy ho eo amin' ny laharana fahenina maneran-tany. Na dia firenena manan-karena aza i Nizerià amin' ny famokaranysolitany be dia be, dia mahantra ny ankamaroan' ny mponina ao aminy. Ny antony mahatonga izany dia ny fisian' nykolikoly. Na dia izany aza, firenena faharoa lehibe indrindra aty Afrika ara-toekarena i Nizerià, aorian' iAfrika Atsimo sy eo alohan' iEjipta.

Nyfiteny ôfisialy dia nyfiteny anglisy, tenim-pirenena kosa nyfiteny iôroba sy nyfiteny igbô ao atsimo ary nyfiteny haosa izay tenenina any amin' ny faritra avaratra ao Nizeria. Mikambana ao amin' nyCommonwealth i Nizeria.

Ny fifidianana izay nitranga tamin' ny taona 2011 no lazain' nyfianankaviambe iraisam-pirenena fa malalaka sy mangarahara indrindra hatry ny fahaleovan-tenan' ilay firenena tamin' ny taona 1960.

Jeôgrafia

[hanova |hanova ny fango]

Ao amin' nyHoalan' i Ginea no misy an' i Nizerià. Ny halava manontolon' ny sisintanin' i Nizerià dia 4 047 km; ary 853 km no halavan' ny morontsirak' i Nizerià. Ny firenena mizara sisintany amin' i Nizerià dia iKamerona sy iNizera ary iTsady.

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]

Firenena ao Afrika

Momba an' i Nizerà:

Kôntinenta eto an-tany:

Mbolaambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'nyfanitarana azy.
Jereo koa ny pejyAhoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Nizerià&oldid=1073543"
Sokajy :

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp