Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Aller au contenu
Wikipedia
Tadiavo

Nikea

Avy amin'i Wikipedia
Moskea Yeşil Camii ao Iznik.

INikea naNisea dia tanàna niorina tamin' ny taona 300 tal. J.K. any ho any tany avaratra-andrefan' iAnatôlia na Azia Minora (Torkia ankehitriny). Ny fitondrana helenistika sy bizantina ary ôtômàna no nifandimby nanjaka tao amin' io tanàna io. Ankehitriny izy dia atao amin' nyteny torka hoeİznik. Amin' nyteny grika dia atao hoeΝίκαια /Nikaia izy. Amin' nyteny latina kosa dia atao hoeNicaea i Nikea.

Fantatra indrindra io tanàna io tamin' ny fanaovanakônsily roa tao aminy. NyKônsily voalohany tao Nikea izay natao tamin' ny taona 325 dia kônsily voalohany teo amin' ny fivavahana kristiana fa nyKônsily faharoa tao Nikea kosa dia kônsily fahafito. Tao no nanoratana nyFanekem-pinoana nikeana na Fiekem-pinoana niseana. Izy no renivohitry ny Empiran' i Nikea taorian' ny fahazoan' nyKroazada ny tanànan' iKônstantinôpla tamin' ny taona 1204 hatramin' ny nahazoan' nyBizantina ity farany tamin' ny taona 1261.

Sarin' ny Farihin' i Iznik avy eny amin' ny habakabaka

Ao amin' ny faritry ny tanàna torka atao hoeIznik ny niorenan' ny tanànan' i Nikea ao amin' ny tendro atsinan' ny Farihy Askaniona (atao hoeFarihin' i İznik, ankehitriny), izay hodidinin' ny havoana maro ao avaratra sy ao atsimo. Avy amin' io anaraoa hoeNikea io ny hoeIznik. Ny mandan' ny tanàna ao andrefana dia manamorona ny farihy Askaniona, ka misakana ny fanaovana fahirano an-dranomasina nefa ahafahana mamatsy ny tanàna. Ny veleran' io farihy io dia ampy hisakana ny fanaovana ankivy an-dranomasina ary ny tanàna dia mivelatra ka ampy hisakana ny fanakarana ny seranan-tsambo amin' ny alalan' ny fitaovam-panaovana fahirano mety haorina eo amoron-drano.

Ny tanàna taloha dia nohodidinin' ny manda manana halava 3 km sy haavo 10 m. Nisy hady roa sosona manamorona io manda io amin' ny ilan' ny tanana misy tany fa tsy amin' ny misy rano. Misy tilikambo 100 nahafahana manara-maso ny manda ny ao. Nisy vavahady lehibe sy mavesatra ireo rindrina amin' ny tany ireo ka izany ihany no ahafaha-miditra ao an-tanàna. Ankehitriny dia nasiana faritra maro ahafahana mifamezivezy miditra sy mivoaka ny tanàna, nefa ny ampahany maro amin' ny rindrina tranainy dia voatahiry ka mahasarika ny mpizaha tany.

Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Nikea&oldid=1048373"

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp