Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Nerô (emperora)

Avy amin'i Wikipedia
Nerô
Ankapobeny
AnaranaNerô
Teraka13 Desambra 37
Toerana-
Maty7 Jiona 68
Fiaviana sy ny andraikitra
FirenenaRoma Taloha
Asa :
Fiainana manokana

INerô naNerôna dia emperora rômana faha-5, anisan' ny Jolio-Klaodiana, izay nitondra teo anelanelan' ny taona 54 sy 68 taor. J.K. Teraka tamin' ny 13 na 15 Desambra 37 tao Antioma (Antium) ary maty ny 7 Jona 68 taoRôma izy. Nalaza tamin' ny fanenjehana ny Kristiana ity emperora ity.Nero Claudius Caesar Augustus Germanicus no anarany amin' nyteny latina.

Ny vadiny dia i Klaodia Oktavia (latina:Claudia Octavia) sy i Popea Sabina (latina:Poppaea Sabina) ary i Statilia Mesalina (latina:Statilia Messalina).

Ny fiainany

[hanova |hanova ny fango]

Fahazazany

[hanova |hanova ny fango]

Teraka tamin' ny 15 Desambra 37 tao Antioma i Nerô izay nomena ny anarana latina hoeLucius Domitius Ahenobarbus. I Kneio Domitio Ahenobarbo (latina:Cneius Domitius Ahenobarbus) sy i Agripina Zandriny (latina:Agrippina Minor) no ray aman-redreniny. Tamin' ny taona 49 dia nanambady ny emperora Klaodio I i Agripina ka tamin' ny taona manaraka an' io dia nadresy lahatra an' i Klaodio izy hanangana an' i Nerô ho zanany sady nanova ny anarany hoeLucius Domitius Claudius Nero.

Fiakarana teo amin' ny fitondrana

[hanova |hanova ny fango]

Tamin' ny taona 53 dia nampanambady an' i Nerô ny zanany vavy atao hoe Oktavia i Klaodio avy eo nanendry azy ho mpandimby azy eo amin' ny fitondrana, ka nesoriny tsy ho mpandova fitondrana noho izany ny tena zanany atao hoe Britaniko (latina:Britannicus). Rehefa maty i Klaodio tamin' ny taona 54 dia nambara fa i Nerô, izay 17 taona tamin'izany, no emperora. Feno fandanjalanjana sy fandeferana ny dimy taona volalohany nitondran' i Nerô izay nampian' ireo mpiahy azy, dia i Boro (latina:Sextus Afranius Burrus) sy iSeneka (latina:Lucius Annaeus Seneca), na dia nanapoizina an' i Britaniko i Nerô.

Ny fitondrany

[hanova |hanova ny fango]

Jadona sy vonoan' olona

[hanova |hanova ny fango]

Tamin'ny taona 59 dia nampamonoiny ny reniny (izay mety namono koa ny emperora Klaodio) izay nitsikera ny fitiavany an' i Pôpea Sabina (Poppaea Sabina). Tamin'ny taona 62 dia nisaraka tamin' ny vadiny Ôktavia izay nampamonoiny taty aoriana izy, ka nampakatra an' i Pôpea Sabina. Mety nopoizininy koa i Boro ary niala tsy ho mpanolo-tsaina azy i Seneka.

Tamin' ny taona 64 dia ny 2/3n' ny tanànan' i Rôma dia nirehitra nandritra ny nitoeran' i Nerô any Antikoma; nampangaina ho izy no nahavanona izany. Ataon' nyRain' ny Fiangonana ho mpanenjika voaloany ny Kristiana izy, araka ny lahatsoratra tsy dia tena mazava nataon' i Soetonio (latina:Caius Suetonius Tranquillus) sy i Takito (latina:Publius Cornelius Tacitus). Nanome trano ny tsy manan-kialofana izy sady nanamboatra ny fiarovana ny tanàna amin' ny fahamaizana. Ny fanorenana nataony sy ny fanomezana fialam-boly ary ny fizarana sakafo amin' ny vahoaka dia nantohan' ny fandrobana ny fananan' ny mponin' iItalia sy any amin' ny faritany. Tiany ny ho mpanakanto (pôeta, mpihira mpitendry zava-maneno), mpikarakara fifaninanana fanatanjahan-tena syzavakanto maro hafa, ary ny hatao hoe mpahita.

Fahasahiranana

[hanova |hanova ny fango]

Nandritra izany fotona izany dia nandalo fahasahiranana lehibe nyEmpira Rômana. Nataony ho fanjakana mpanelanelana azy amin' nyPartiana fahavalony iArmenia, tamin' ny alalan' ny adin-tafika nandaniam-bola nefa tsy nahitam-pahombiazana. Nipoitra ny fikomiana tanyBritaina Lehibe tamin' ny taona 60 sy 61 sy tanyJodea teo anelanelan' ny taona 66 sy 70.

Tamin' ny taona 65 dia nikononkonona ny hamono an' i Nerô i Kaio Kalpornio Pisô (latina:Caius Calpurnius Piso); novonoina ny olona miisa 19 voarohirohy tamin' izany raharaha izany, ka anisany i Seneka sy ny poeta Lokàno (latina:Marcus Annaeus Lucanus). Voatantara koa fa maty tamin' ny taona 65 noho ny herisetra nataon' i Nerô taminy i Pôpea tamin' ny nanambadian' ny emperora an' i Mesalina (Statilia Messalina) rehefa nampamonoina ny vadin' i Mesalina.

Ny fiafaran' i Nerô

[hanova |hanova ny fango]

Tamin' ny taona 68 dia nikomy tamin' i Nerô ny antokon-tafika anyGalia sy anyEspaina, ka nahatonga azy handositra an' i Rôma. Nanambara ny Loholom-panjakana (Senatus) fa fahavalom-pirenena i Nerô, koa dia namono tena ny emperora tamin' ny 11 Jona 69, natrehin' ny mpitan-tsorany atao hoe Epafrôdito (latina:Tiberius Claudius Epaphroditus).

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova |hanova ny fango]
  • Ao amin'i Freebase:[1]
Mbolaambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'nyfanitarana azy.
Jereo koa ny pejyAhoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Nerô_(emperora)&oldid=1106610"
Sokajy :
Sokajy misitrika 1 :

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp