Nymistisisma namistika dia fahalalana an'Andriamanitra na ny foto-javatra miafina, vokary ny fahatsapana mivantana, amin' ny alalan' ny traikefa manokana, sady fitambaran' ny fitantarana rehetra mifandraika amin' izany.
Io teny io dia mifandraika indrindra amin' ny sehatra ara-panahy, ka manampy amin' ny famaritana ny traikefa anatiny mikasika ny fifandraisana amin' ny zava-misy mihoa-draha tsy hitan' ny saina.
Avy amin' nyteny grika hoe μυστικός /mustikós ny teny nohagasina hoemistika. Teny iray tarika amin' nymatoanteny hoe μυέω /muéô izay midika hoe "manomboka manatra momba ny zava-miafina", sy amin' nyanarana hoe μυστήριον /mustérion, izay midika hoe "zava-miafina", "fombafomba ara-pivavahana miafina". Na dia efa tany amin' nyAndro Taloha aza io teny hoemistika io dia tsy nampiasaina ho anarana ("ny mistika") taha tsy nanomboka tamin' ny taonjato faha-17. Talohan' izay dia tsy nampmiasaina afa-tsy hompamaritra izy io: mistika ny zavatra mifandraika amin' ny fahalalana ny zava-miafina.
Azo avahana ny traikefa mistika momba ny tsy fihoa-draha (ny an' ny mistikahindo, ohatra, izay ahitana fisaintsainana momba ny tena) sy ny traikefa mistika momba nyfihoa-draha (toy ny hita ao amin' nyjodaisma sy nykristianisma ary nysilamo, ka amin' izany ny hadomelina dia adika ho antso avy amin' Andriamanitra na ho fanandratana mankany amin' ny zava-misy ambony toerana heverina ho mihoa-draha).
Miovaova arakaraka ny antokom-pivavahana sy ny olona tsirairay ny endrika sy ny hamafin' ny traikefa mistika. Na izany aza, ny maha azo itokiana ity karazana traikefa ity dia tsy miankina amin' ny endrika isehoany fa amin' ny toetran' ny fiainana aorian' ilay traikefa. Ny fiainana mistika dia miavaka vokatry ny fahavelomana, ny fahavokarana, ny fahatoniana ary ny fifaliana izay samy mitombo, satria mifanaraka amin' Andriamanitra ny lafiny anatiny sy ivelany. Maro ny teôria filôzôfika be pitsiny novolavolaina mba hanazavana ny mistisisma, ka anisan' izany ny fisehoany amin' ny alalan' ny marika tsy momba ny fivavahana sy an' ny tsy mino an' Andriamanitra.
Ny fiheverana filôzôfikan' nyGrika tamin' nyAndro Taloha dianatoralista syrasiônalista, fa ny lafiny mistika dia niseho tao amin' nyôrfisma sy tao amn' nymisteran' i Eleosisy ary tao amin' ny fombafombam-pivavahana maro hafa. Nyneôplatônisma, izay hetsika grika tatỳ aoriana, dia niorina tamin' ny filôzôfian' iPlatôna ary mampiseho koa ny fiantraikan' nyfivavahana misy mistery. IPlôtinôsy sy iPrôklôsy angamba no mpivoy azy io havanana indrindra, ary nisy vokany lehibe teo amin’ nykristianisma voalohany ny fandinihan' izy ireo. Hita ao amin’ ny asasoratr’ iFilôna, izay filôzôfa grika-jiosy, tanyAleksandria, ny mistika tamin' ny vanim-potoana talohan' ny kristianisma.
Ny iray amin' ireo loharanon' ny mistisisma tsy tatsinanana nykabalan' nyjodaisma. Ny niandohan' ny kabala (araka ny lovantsofina jiosy) dia avy amin' nylalàna am-bava nomen'Andriamanitra an' iMosesy teo amin' nyTendrombohitra Sinay. Io endriky ny mistisisma io dia mikatsaka ny hahatonga ny olona hanakaiky kokoa an' Andriamanitra, amin' ny fikatsahana ny hanome heviny nyFamoronana. Ny hevi-teny mistika na ny hevi-teny miafina dia hevi-teny izay azo amin' ny ambaratonga ambony indrindra amin' ny famakiana ny lahatsoratra, araka ny fitsipika kabalistika. Ny kabala dia ahitana ampahany antsoina hoe "esôterika", anatiny (natokana ho an' izay nahazo fahalalana manokana momba izany), sy ampahany "eksôterika", ivelany (izay azo avoaka ho fanta-bahoaka).
Ny kabala dia niteraka fanao mistika kristiana maro, indrindra teo anelanelan' ny taonjato faha-15 sy ny taonjato faha-17. Ohatra amin' izany ny kabala kristiana. Nisy fandikana diso, kely na lehibe kokoa, momba ny esôterisma kabalistika, hany ka ny teny hoe esôterika indraindray dia manana heviny ratsy, toy ny hoe "momba ny mazia", "momba ny fisikidiana", ka azo raisina amin' ny lafiny ratsy, sahala amin' nyfinoanoam-poana.
Ny mistika kristiana dia mankasitraka ny "traikefa manokana momba an' Andriamanitra" fa tsy ny fisaintsainana, ny mahatsapa no tsara kokoa aminy toy izay ny mandinika (ohatra, iAogostino). IJuan de la Cruz dia niresaka momba ny "fanambadiana mistika" (ao amin' nyEl Cántico espiritual "Hiram-panahy") ary nampitaha tsy tapaka ny fitiavan' Andriamanitra amin' ny fitiavana ara-nofo (jereo ny fanangonana atao hoe nyLa noche oscura "Alina maizina"). NyEglizy Katôlika dia manaiky ny traikefa mistika mihoatra ny natoraly: firesahana anaty, fientanentanana mahery vaika,fahitana,faminaniana,fanambaràna isan-karazany... Ireo fisehoana ireo anefa dia heverina ho tsy mahazara, fanomezana avy amin' Andriamanitra ho an' izay tiany homena izany fa tsy ilay endrika mahazatra amin' ny fifandraisana amin' Andriamanitra.
Ny Eglizy koa dia mitandrina fatratra amin' ny traikefa mistika tsy fahita. Nanoratra toy izao, ohatra, ny papaBenoà XVI: “Satria toy izany ny tranga eo amin' ny fiainan' ireo mistika marina, iHildegard koa dia naniry ny hanaiky ny fahefan' ny olon-kendry mba hamantatra ny niandohan' nyfahitany, satria natahotra izy sao dia vokatry ny hevi-diso izany ary sao tsy avy amin' Andriamanitra" ary indray "ny tombo-kasen' ny fanandramana tena izy momba nyFanahy Masina, loharanon' nykarisma rehetra" dia ny hoe "ny olona manana fanomezam-pahasoavana mihoatra ny natoraly dia tsy mirehareha velively ny amin' izany, tsy mampidera izany, ary indrindraindrindra, maneho fankatoavana tanteraka ny fahefan' ny fiangonana.” IHélène Wallraff, amin' ny tranga iray, dia nosedraina nandritra ny androm-piainany mba handray izay eritreretina fafanomezam-pahasoavana azony sy hampita ireofanambaràna azony.
I Anthony Feneuil dia nanamarika fa ny fahalalana momba fitenenana dia "ahitana fampitahana sy fanasokajiana, fampidirana zavatra manokana ho ao amin' ny filaharana ankapobeny amin' ny fanomezana azy anarana iombonana" nefa ny anaran-tsamirery dia mampandamoka izany fahalalana izany. Araka izany, ny iray amin' ireoteôlôjia nanjaka teo amin' ny tontolo katôlika nanomboka tamin' nyAndro Antenatenany - nytômisma - dia azo lazaina ho tsy nahomby satria mikendry ny hiresaka momba an' Andriamanitra sy momba ny maha izy azy amin' ny fanitsiana azy amin' ny alalan' ny fanoharana izany teôlôjia izany (satria izay heverintsika ho toetr' Andriamanitra dia mety ho izay tokoa raha ampiana avy hatrany fa tsy mifanaraka amin' izay toetra mety hananantsika izany toetra izany). Hoy kosa i Feneuil, raha manadihady ny voalazan' i Bergson, "raha manome ny tenany ao amin' ny fifandraisany manokana aminy Andriamanitra" dia tsy azo fantarina intsony amin' ny hoe inona izy fa amin' ny hoe iza izy, ary "ny toetr' Andriamanitra dia tsy hitolo-batana velively raha tsy amin' ny alalan' ny tenany”, na amin' ny alalan' ny traikefa mistika.
Nysofisma dia manolotra mistikateista izay mitovy amin' ny sekoly filôzôfika indianaVedanta. Rehefa nandroso teo am-piandohan' nytantaran' ny silamo ny sofisma dia manantitrantitra ny firaisan' ny olona tsirairay amin' iAllah. Amin' ny fanarahana ny fitsipi-pifehezanaasketika sy feno fibanjinana, ny mistika sofy dia mitady firaisana mivantana amin'Andriamanitra, izany dia azo amin' ny alalan' ny fankasitrahan' Andriamanitra. Ny fiteny mampientanentana momba ny firaisana amin' Andriamanitra, izay amariparitan' nySofy ny zavatra niainany, ary koa nyfoto-pampianarana tsy azo lavina fapanteista izay novolavolain' ny sasany, dia niteraka fiampangana azy ireo hoheterôdôksia. Tamin' ny taona 922, ilay Sofy al-Hallâj, voampanga ho nilaza fa "mitoetra ao amin' ny olombelona Andriamanitra", dia novonoina nahantona tamin' ny hazo taoBagdad. Ilay filôzôfan' ny taonjato faha-11 atao hoe al-Ghazali no tompon' andraikitra tamin' ny fampihavanana ny sofisma sy nyfinoana silamo ôrtôdôksa. Ny foto-pampianaran' ny sofisma dia hita indrindra ao amin' ny asasoratra manandindona tsy hay hadinoina nataon' ireo pôetapersiana toa an' i Shams-od-Dīn Moḥammad, izay fantatra kokoa amin' ny anarana hoeHafez, sy iDjalâl ad-Dîn Rûmî, ary koa tao amin' ny asasoratr' ilay persinaal-Ghazali.
Nyhindoisma angamba no manana ny fanao mistika tranainy indrindra. Ao amin' ny filôzôfia hindoa, ary indrindra ao amin' ny laminametafizika antsoina hoeVedanta, nyatman dia fantatra amin' ny atao hoebrahman an' izao rehetra izao. Ny fisarahana sy ny maha-tokana izay toa misy eo amin' ny zavaboary sy ny zava-mitranga dia heverina ho sary fitaka na hevi-diso (amin' nyteny sanskritamaya), na fifanaraha-pandinihana amam-pihetseham-po. Ity hevi-diso ity dia azo esorina amin' ny alalan' ny fanatanterahana ny firaisan' nyatman sy nybrahman izay tena zava-dehibe. Rehefa naharesy ny tsy fahalalana (amin' ny teny sanskritaavidya) ny mpianatra fivavahana, vokatry ny fanombohana sy iankinan' ny fahafaha-manasaraka ny mpieritreritra sy ny eritreretina, na ny tena (atman) sy ny tsy-tena (anātman), dia tonga any amin' ny toetra mistika momba ny fanafahana (moksha) sy momba ny fiadanana anaty izy ary mahita fa nyatman dia izay itovizan' ny tsirairay sy itovizana amin' ireo herin' izao rehetra izao, ary koa fa nyatman sy nybrahman dia ny zava-misy iray ihany. Ny filôzôfia hindoa naYoga dia mety ahitana fitsipi-pifehezana feno sy henjana indrindra amin' izay novolavolaina hatramin' izay, natao hihoatra ny fahatsapan' ny maha izy manokana ny tsirairay sy hanokatra ny lalana mankany amin' ny traikefan' ny firaisana amin' ny Andriamanitra. Amin' ny ankapobeny dia sehatry nysadhus ny mistika, izay matetika manao asketisma tafahoatra mandritra ny fanoloran-tenany, ohatra amin' izany ny fijoroana mandritra ny taona maro amin' ny tongotra iray na ny tsy fitafiana. Ireo fanao ireo dia heverina ho fitohizan' ny fikarohana ara-panahy mba hahazoana ny fanafahana mistika.
Nivoatra avy amin' nyhindoisma sy naorina amin' ny foto-kevitra hindoa nybodisma izay manohy ny mistisisma tao amin' ny hindoisma. I Buddha mihitsy no nanaoyoga nandritra ny taona maro talohan' ny nandaozany izany ka nanoloany azy amin' nyasketisma voalanjalanja kokoa, ary ny bodisma dia azo raisina ho toy ny fanavaozana nanohitra ny fihoaram-pefin' ny mistika hindo nentim-paharazana. Ny bodisma dia azo faritana ho toy ny traikefa ara-pivavahana mistika, satria ny tanjony faratampony dia ny hahafahan' ny mpanaraka azy hahatratra, amin' ny alalan' ny fialana amin' ny faniriana rehetra, ho amin' nyfihoa-draha mistika ao amin' ny toetra anatin' nynirvana. Nymoanina sy nyrelijiozy izay ao amin' nysangha dia miezaka ny hahazo ny fahazavana amin' ny alalan' ny fanazaran-tena ara-panahy sy fiainana manaja ny rariny, izay ialan' ny enta-mavesatry nykarma izay mitazona azy ireo ho voafandrika ao amin' ny fiverimberenana ho tonga nofo mandrakizay.
Na dia manantitrantitra ny amin' ny mistika aza ny fanao bodista iray manontolo, ny sekta sasany dia heverina ho mistika kokoa noho ny hafa. Ny fanao bodista dia manome lanja ny fampitana ny foto-pampianarana ao anatin' nysutra maro lehibe dia lehibe symetafizika saro-takarina, fa ny traikefa mistika dia matetika no tsapa ho mihoatra ny fiteny sy ny fahasamihafana ara-tsaina. Tao amin' ny sekoly zen an' ny bodisma, izay niseho voalohany tanySina, teo ambany fitarihan' ny taôisma, tamin' ny taonjato faha-6 amin' ny anarana hoeCh'an, ary niparitaka tanyJapana sy tany amin' ny firenena hafa, ny traikefa mistika dia ahafahan' ny tsirairay hahatsapa fa manana toetran' ny Buddha izy ireo. Mampiasa ankamantatra mifanipaka (koans) ny fampianaranazen, tantara kely matetika nalaina tamin' ny fiainan' ireo patriarka, ho fomba fisaintsainana. Ny mpianatra dia miatrika olana izay tsy ahafahany mivoaka avy amin' ny alalan' ny fanjohian-kevitra lôjika, fa amin' ny alalana fiatoana sy fiovan' ny ambaratonga ara-tsaina fotsiny, ka ny tanjona hotratrarina dia ny fahazavana. Ny bodisma esôterika, indrindra ny bodisma tantrika (anyTibeta), dia namolavola fitsipi-pifehezana mistika, izay itarihan' ny mpampianatra ny mpianany ho amin' ny fahazavana amin' ny alalan' ny fanazaran-tena henjana ara-batana sy ara-tsaina, ny famoronana sy ny fandinihana sary mistika namandala, ary ny fampitana fahamarinana miafina amin' ny alalan' ny fihetsika ary fijery atao hoemudra.
Ao Sina, nykônfosianisma, izay nifehy ny fiainan' nySinoa saika hatrany am-piandohana ka hatramin' ny taonjato faha-20, dia formalista sy manohitra ny mistika, fa nytaôisma, araka ny nasehon' ny mpanorina azy, ilay filôzôfa sinoaLao-Tseu (naLaozi), dia misy fiantraikany mistika mahery vaika. Ny taôisma dia manantitra ny maha miankina amin' ny toejavatra sy ny maha mety diso ny fahasamihafana ara-tsaina izay novolavolain' ny fandinihana sy ny fiteny mba hahatakarana sy hifehezana an' izao tontolo izao, ary mitory ny fanafoanana azy ireo mba hampitambatra ny saina sy izao rehetra izao, tsy misy fanavahana. Noho izany dia hahatratra ny firindrana mistika amin' ny zavatra rehera ny Taôista, amin' ny fananana fo miasa toy ny fitaratra izay maneho hoazy ny lamina mifehy izao rehetra izao. Tao amin' ny asasorany, ilay olon-kendry taôistaZhuangzi (taonjato faha-3 tal. J.K.) dia nampitaha io toe-piainana io amin' ny an' ny mpilomano mahay milomano amin' ny riaka toy ny trondro, na ny mpahandro za-draharaha mahay manetitetika amin' ny fomba mahafinaritra ny omby iray.
Ny taôisma dia nampandrosomônastera voalamina sy fomban-drazana momba ny fisaintsainana mistika. Tamin' ny fifampikasohany amin' ny siansa simika sinoa tany am-boalohany dia nahita ny fihanaky nyalsimista mistika sandoka izay nitady ny eliksira nytsy feteza-maty fa tsy ny firaisana amin' ny Tsiefa.
Amin' izao fotoana izao dia misy ihany koa ny zava-mitranga any amin' ireo Tandrefana izay antsoin' i Richard Jones hoe "ny sekiolarizasiônan' ny mistisisma". Izany dia ny fisarahan' ny fisaintsainana sy ny fomba fanao mistika hafa avy amin' ny fampiasana azy ireo amin' ny fomba fiaina ara-pivavahana ho amin' ny tanjona laîka fotsiny amin' ny tombontsoa ara-tsaina sy ara-batana.