Nymistisisma namistika dia fahalalana an'Andriamanitra na ny foto-javatra miafina, vokary ny fahatsapana mivantana, amin' ny alalan' ny traikefa manokana, sady fitambaran' ny fitantarana rehetra mifandraika amin' izany.
Io teny io dia mifandraika indrindra amin' ny sehatra ara-panahy, ka manampy amin' ny famaritana ny traikefa anatiny mikasika ny fifandraisana amin' ny zava-misy mihoa-draha tsy hitan' ny saina.
Avy amin' nyteny grika hoe μυστικός /mustikós ny teny nohagasina hoemistika. Teny iray tarika amin' nymatoanteny hoe μυέω /muéô izay midika hoe "manomboka manatra momba ny zava-miafina", sy amin' nyanarana hoe μυστήριον /mustérion, izay midika hoe "zava-miafina", "fombafomba ara-pivavahana miafina". Na dia efa tany amin' nyAndro Taloha aza io teny hoemistika io dia tsy nampiasaina ho anarana ("ny mistika") taha tsy nanomboka tamin' ny taonjato faha-17. Talohan' izay dia tsy nampmiasaina afa-tsy hompamaritra izy io: mistika ny zavatra mifandraika amin' ny fahalalana ny zava-miafina.
Azo avahana ny traikefa mistika momba ny tsy fihoa-draha (ny an' ny mistikahindo, ohatra, izay ahitana fisaintsainana momba ny tena) sy ny traikefa mistika momba nyfihoa-draha (toy ny hita ao amin' nyjodaisma sy nykristianisma ary nysilamo, ka amin' izany ny hadomelina dia adika ho antso avy amin' Andriamanitra na ho fanandratana mankany amin' ny zava-misy ambony toerana heverina ho mihoa-draha).
Miovaova arakaraka ny antokom-pivavahana sy ny olona tsirairay ny endrika sy ny hamafin' ny traikefa mistika. Na izany aza, ny maha azo itokiana ity karazana traikefa ity dia tsy miankina amin' ny endrika isehoany fa amin' ny toetran' ny fiainana aorian' ilay traikefa. Ny fiainana mistika dia miavaka vokatry ny fahavelomana, ny fahavokarana, ny fahatoniana ary ny fifaliana izay samy mitombo, satria mifanaraka amin' Andriamanitra ny lafiny anatiny sy ivelany. Maro ny teôria filôzôfika be pitsiny novolavolaina mba hanazavana ny mistisisma, ka anisan' izany ny fisehoany amin' ny alalan' ny marika tsy momba ny fivavahana sy an' ny tsy mino an' Andriamanitra.