Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Aller au contenu
Wikipedia
Tadiavo

Mindanao

Avy amin'i Wikipedia
Ny nosy Mindanao

IMindanao dia iray amin' nynosy ao amin' ny tangoro-nosin' iFilipina ka ao atsimo no misy azy. Mahatratra 480 km ny halavany avy atsinanana miankandrefana. Izy no nosy faharoa lehibe indrindra ao Filipina aorian' iLuzon. Ny Ranomasin' i Celebes no mamaritra azy ao atsimo, ny Ranomasin' i Sulu no ao andrefana, ny Ranomasin' i Mindanao no ao avaratra ary ny Ranomasin' i Filipina sy nyRanomasimbe Pasifika no ao atsinanana.

Nosy be tendrombohitra rakotra ala i Mindanao ka ny avo indrindra dia ny tendrombohitra Apo izay manana haavo mirefy 2 954 m ambonin' ny ranomasina. I Rio Grande sy i Agusan no renirano lehibe indrindra ao.

Tamin' ny taona 2010 dia nahatratra 20 300 000 ny mponina ao Mindanao[1]. Mpambolykatsaka syvary syakondro arymananasy ny mponina ao, ary vokatra ao koa nyvoanio sy nykôfrà. Ahitanavolamena syvarahina syvy aryarintany ny ao Mindanao. Miompy koa ny mponina ao. I Zamboanga sy i Davao ary i Cagayan de Oro no tanàna lehibe indrindra ao.

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]

Loharano

[hanova |hanova ny fango]
  1. Raymond Blanadet,L'Asie du sud-est, Presse universitaire de Nancy, 1992, 344p. (ISBN 2-86480-379-8),p. 178-191
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Mindanao&oldid=1091855"
Sokajy :

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp