Nymetatra, izay hafohezina amin' ny hoem, dia ventin-kalavana ampiasaina ao amin' nyRafitra Iraisam-Pirenena momba ny Venty. Iray amin' ny venty fototra fito ao aminy izy io, ary avy aminy no nanorenana ny venty maro hafa ao amin' io rafitra io, toy nykilômetatra, nysantimetatra, nymilimetatra, sns.
Kilômetatra
0,001
0,01
0,1
1
Hektômetatra
0,01
0,1
1
10
Dekametatra
0,1
1
10
100
Metatra
1
10
100
1 000
Desimetatra
10
100
1 000
10 000
Santimetatra
100
1 000
10 000
100 000
Milimetatra
1 000
10 000
100 000
1 000 000
Mikrômetatra
1 000 000
10 000 000
100 000 000
1 000 000 000
Amin' izao fotoana izao ny metatra dia ny halavirana vitan' nyvoankazavana andehanana ao anatin' ny 1/299 792 458segôndra[1]. Amin' ny rafitra iraisam-pirenena dia io no refy ampiasaina rehefa mandrefyhalavirana na habe.
Ny metatra atao hoe "metra filamatra" (frantsay:mètre étalon) dia nofaritana ho iray ampahafolo tapitrisan' ny elanelana manasaraka nytendrontany iray sy nyfehibe.
Ampiasaina amin' ny fandrefesana halavana navelarana nahadiry koa ny metatra. Araka izany dia ampiasaina ny metatra toradroa (m2) sy ny metatra toratelo (m3).
Amin' ny refin-kadiry dia ampiasaina matetika nylitatra, izany hoe iraydesimetatra toratelo. Ampiasaina ihany koa ny atao hoe metatra toratelo na ny kilômetatra toratelo.
1 000 litatra ny 1 metatra toratelo;
1 000 000 000 metatra toratelo ny kilômetatra tora-telo. Ampiasaina amin' ny fandrefesana ny hadirin' nyfarihy naranomasina iray ity refy ity.
Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'nyfanitarana azy. Jereo koa ny pejyAhoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.