Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Aller au contenu
Wikipedia
Tadiavo

Melkizedeka

Avy amin'i Wikipedia
Mihaona amin' i Melkizedeka iAbrahama

IMelkizedeka naMelkisedeka naMelkitsedeka dia mpanjaka mpisorona resahina ao amin' nyTestamenta Taloha. Ao amin' ny fitantaran' nyBaiboly dia nihaona tamin' iAbrahama i Melkizedeka rehefa niverina avy any amin' ny ady nifanaovany tamin' ny mpanjaka tanyMesôpôtamia (naMezôpôtamia) i Abrahama. Nanome mofo sydivay an' i Abrahama izy ka ho setrin' izany dia nomen' i Abrahama ny ampahafolon' ny zavatra voababo izy.

Ny habetsahan' ny zava-tsy fantatra momba an' i Melkizedeka no niteraka ny fikarohana sy ny tombantombana maro momba azy nandritra ny taonjato maro, tao amin' ny endriky ny fivavahan' nyIsraelita taloha aloha (jereo:iahvisma), avy eo tao amin' nyjodaisma (ao amin' nySalamo faha-110 dia heverina ho tandindon' nyMesia izy) ary tao amin' nykristianisma taty aoriana: araka ny manam-pahaizana kristiana sasany dia tandindon' nyeokaristia nafanasan' ny Tompo ny fanomezan' i Melkizedeka mofo sy divay an' i Abrahama. Manao tonon-tsiahy ny Testamenta Taloha nyEpistily ho an' ny Hebreo ao amin' nyTestamenta Vaovao mba hanehoana fa tandindon' iKristy i Melkizedeka.

Mahita mistery be dia be momba io olona io sy momba ny asany ny literatioraesôterika. Ao amin' nyBokin' i Enôka, dia resahina fa naterak' i Sôfônima (Sophonim), vadin' i Niry (Nir), izay rahalahin' iNôa, izy.

Ny anarany

[hanova |hanova ny fango]

Fiforonan-teny

[hanova |hanova ny fango]

Raha ny fiforonan-teny no heverina, nyteny hebreo hoemelek dia midika hoe "mpanjaka" ary ny hoezedek dia midika hoe "fahamarinana". Amin' ny teny hebreo, atao hoe מַלְכֵּי־צֶדֶק /Malkî-ṣedeq, izay midika hoe "mpanjakan' ny fahamarinana" ny anaran' i Melkizedeka. Lazaina fa mpanjakan' iSalema sy mpisoron' ny Avo Indrindra (hebreo:El-Elyôn) izy. Ao amin' nyEpistily ho an' ny Hebreo iKristy dia atao hoe "Mpisoron-dehibe mandrakizay" sahala amin' i Melkizedeka.

Fanoratana amin' ny fitenim-pirenena hafa

[hanova |hanova ny fango]

IFilôna avy any Aleksandria sy iFlavio Jôsefa, izay samy mpahay tantara jiosy, dia mandika amin' nyteny grika ny hoeMalkî-ṣedeq, amin' ny hoeΒασιλεύς δίκαιος /Basileus dikaios ("Mpanjaka marina", "Mpanjakan' ny fahamarinana"). NySeptoajinta (na Septanta - Baiboly jiosy amin' ny teny grika) dia manoratra hoeΜελχισεδέκ, fa nyVolgata (Baiboly katôlika amin' nyteny latina) kosaMelchisedech.

NyBaiboly prôtestanta amin' ny teny malagasy (Ny Baiboly) dia manoratra hoeMelkizedeka, fa nyBaiboly katôlika amin' ny teny malagasy (Ny Baiboly Masina) kosa dia manoratra hoeMelkisedeka. NyBaiboly dikan-teny iombonana eto Madagasikara (DIEM), an' nyFiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM) dia manao hoeMelkitsedeka.

I Melkizedeka amin' ny jodaisma

[hanova |hanova ny fango]

Ao amin' ny Testamenta Taloha

[hanova |hanova ny fango]

Miseho indroa ao amin' nyTestamenta Taloha ny anarana hoeMelkizedeka. Ny voalohany dia ao amin' nyBokin' ny Genesisy naJenezy:

"Ary Melkizedeka, mpanjakan' iSalema, nivoaka nitondra mofo sy divay; ary izy dia mpisoron' Andriamanitra Avo Indrindra."— (Genesisy 14:18,Ny Baiboly).

Tsy iza ny tanàna antsoina hoeSalema eto - araka nyBokin' ny Salamo ("Naoriny ao Salema ny tranolainy, ary anyZiona ny fonenany." --Ny Baiboly,Sal. 76.2) - fa iJerosalema.

Ny teny hoeEl syElyôn izay natambatra mba ho enti-manondro ilay andriamanitra avo indrindra atao hoeEl, dia hita koa ao amin' ny lahatsoratra tranainy tao amin' ny tany Atsinanana taloha, tanyFoinikia (naFenisia) sy tao amin' ny vondrom-pianakavian' andriamanitra taoOgarita, izay niantsoana manokana andriamanitra roa.

Ny lahatsoratra ao amin' ny Bokin' ny Genesisy, izay tsy tena fantatra loharano niaviana, dia miresaka voalohany an' i Melkizedeka aorian' ny fandresen' i Abrahama ny mpanjaka roa niady taminy. Mba hamaliany ny tsodrano nataon' ny mpanjakan' i Salema azy dia nandoa ampahafolon-karena taminy izy, araka izao:

"Ary isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra, Izay efa nanolotra ny fahavalonao teo an-tananao. Dia nomen' i Abrama azy ny ampahafolon' ny zavatra rehetra." — (Genesisy 14:20,Ny Baiboly)

Fanekena ny fahefan' io mpanjaka io ara-pôlitika sy ara-pivavahana angamba izany, izay lasa zon' ny mpanjakan' i Israely, dia iDavida sy nympanjaka hafa nandimby azy, tao Jerosalema, renivohitry nyJebosita (naJebosiana) taloha.

Mety ho fomba enti-miady amin' ny fandavan' nyvahoaka hebreo sasany ny fisian' ny mpanjakan' i Jerosalema izay fahefana afaka mampandoa hetra amin' ny tanin' ny Israelita, izay mihevitra ny maha avy amin' Andriamanitra ny fitondran' nyPatriarka sy ny fandaminana ara-poko izay tsy tiany hialana. Ny fanapahan-kevitr' i Abrahama handoa ny ampahafolon' ny fafanany rehetra tamin' i Melkizedeka dia heverina ho fototra tsy azo lavina momba ny fandoavanaampahafolon-karena.

Hita koa ny anarana hoeMelkizedeka ao amin' nyBokin' ny Salamo hanomezam-boninahitra mpanjaka jiosy iray izay misy mihevitra fa mpisoron-dehibe koa, araka izao:

"Efa nianianan' ny Tompo ka tsy hanenenany izao: Mpisorona mandrakizay hianao, araka ny fomban' i Melkisedeka."— (Salamo 110:4,Ny Baiboly Masina)[1].

Aaraka ny literatiora rabinika

[hanova |hanova ny fango]

Taty aoriana, hatramin' ny nitrangan' nykristôlôjia kristiana dia nanao izay hiheverana an' i Melkizedeka hoJiosy na fara-hafakeliny ho iray amin' nyPatriarka ny literatioran' nyraby. Araka ny fivoasana nataon' ny raby toa an' i Rachi dia iSema razaben' nySemita sady zanak' iNôa (naNôe) io Melkizedeka io. I Sema mantsy dia lazaina fa niaina nandritra ny 610 taona ka tokony ho nifankahita tamin' i Abrahama.  

Nanao an' i Melkizedeka ho nyarkanjelyMikaela (naMisely) ny lovantsofina sasany. Manoloana ny famakafakana lahatsoratra kristiana izay miainga mazava amin' ny andalana ao amin' nyEpistily ho an' ny Hebreo (na Epistolà ho an' ny Hebrio) dia niova fomba fijery tanteraka ny raby: i Abrahama no nomem-boninahitra noho ny nihaonany tamin' i Melkizedeka; milaza ny lahatsoratra sasany fa namindra ny asam-pisoronany tamin' io patriarka io ny mpanjakan' i Salema izay naongana.

Ao amin' ny boky apôkrifa na pseodepigrafa

[hanova |hanova ny fango]

Hita koa io anarana hoeMelkizedeka io ao amin' ny boky tsy voaray hokanônan' ny Baiboly. Manome toerana lehibe an' i Melkizedeka sy ny anjara asany ny lahatsoratra ivelan' ny literatiora kanônika. Ao amin' nyBokin' i Henôka slava dia lazaina fa naterak' i Sôfônima vadin' i Nira rahalahin' iNôa (naNôe) i Melkizedeka[2].

I Melkizedeka, amin' ny kristianisma

[hanova |hanova ny fango]

Araka ny Testamenta Vaovao

[hanova |hanova ny fango]

NyEpistily ho an' ny Hebreo ao amin' ny toko faha-7 dia manome lanjany lehibe an' i Melkizedeka, "izay tsy manan-dray, tsy manan-dreny, tsy manan-tetiarana, izay tsy manam-piandohana sy fiafarana ny androny" (Ny Baiboly). Ny mpanoratra ny Epistily ho an' ny Hebreo no voalohany (tamin' ny fianteherany amin' nyGenesisy 14) nametraka fampitahana an' iJesoa amin' i Melkizedeka: nyasam-pisoronan' i Melkizedeka dia tandindona tsy tongalafatry nyfanompoam-pivavahana ambony izay mametraka an' i Jesoa ho mpisoron-dehibe fanaperana. Noho izany dia lasa tandindon' iKristy i Melkizedeka.

Hatramin' ny voalohany dia efa liana ny amin' nySalamo faha-60 (izay notononin' i Jesoa, araka ny hita ao amin' nyevanjely) ny Kristiana. Ireto misy ohatra vitsy. Ao amin' nyEvanjelin' i Marka dia izao no voasoratra:

"36 NefaDavida ihany no nampilazain' nyFanahy Masina hoe: Ny Tompo nilaza tamin' ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-kavanako hianao mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.[3].37 Koa raha antsoin' i Davida ho Tompony izy, ahoana no maha-zanany azy? Ary nihaino azy an-kafaliana ny vahoaka be."— (Marka 12. 36-37,Ny Baiboly)

Midika izany fa i Kristy no "Zanak' i Davida" amin' ny heviny mahakasika loatra ny fanindrahindran-tanindrazana[4].Hita ao amin' nyEpistily ho an' ny Hebreo ihany koa ny anaran' i Melkizedeka:

5 Dia toy izany koa Kristy: tsy Izy no nanandratra ny tenany ho Mpisoronabe, fa Ilay nanao taminy hoe: "Zanako Ianao, Izaho niteraka Anao androany" (Sal. 2:7);6 ary toy ny lazainy eo amin' ny teny hafa koa hoe: "Ianao no Mpisorona mandrakizay araka ny fanaon' i Melkizedeka" (Sal.110:4)— (Hebreo 5:5-6,Ny Baiboly)

17 Ary amin' izany, raha Andriamanitra ta-haneho kokoa amin' ny mpandova araka ny teny fikasana ny tsi-fiovan' ny sitrapony, dia nataony mafy tamin' ny fianianana izany,18 mba ho zavatra roa loha tsy mety miova, izay tsy hain' Andriamanitra andaingana, no hahazoantsika famporisihana mafy, dia isika izay nandositra hihazona ny fanantenana napetraka eo anoloantsika,19 izay ananantsika ho vatofantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika ary miditra any anatin' ny efitra lamba;20 tany no nidiran' i Jesosy ho Mpialoha antsika, rehefa tonga Mpisoronabe "mandrakizay araka ny fanaon' i Melkizedeka" Izy.— (Hebreo 6:17-20,Ny Baiboly)

Araka ny Rain' ny Fingonana

[hanova |hanova ny fango]

Ny lovatsofina navelan' nyRain' ny Fiangonana (naAban' ny Eglizy) dia nitrandraka ny fanaovana famakafakana ara-tsarinteny (frantsay:exégèse allégorique) momba ilay andalan-dahatsoratra ao amin' ny Epistily ho an' ny Hebreo, ka nanampy singa vaovao hafa. Nanomboka tamin' iKipriano[5] dia noheverina fa fanaovan-tsorona marina tokoa izay tandindona mialoha nyEokaristia (nafanasan' ny Tompo) ny fitantarana momba an' i Salema[6]. Ity fivoasana ity dia nankasitrahan' ny maro nandritra ny fotoana maharitra noho ny fampidirana azy tao amin' ny kanônan' nylamesa rômana. Ireo Aban' ny Eglizy toa an' iAmbrôsio ohatra, dia nihevitra fa niseho amin' ny alalan' i Melkizedeka nyZanak' Andriamanitra tenany, izay ataon' ny mpanoratra maro hafa fa nyFanahy Masina.

Noho ny fanomezan-danja tafahoatra an' i Melkizedeka dia nisy fotoana niadian' ny Rain' ny Fiangonana amin' ny sektamelkizedekiana (atao hoe Ἀθίγγανοι /Athinganoi koa), izay nanandratra amim-boninahitra an' i Melkizedeka ka nihevitra azy ho hery avy any an-danitra izay lehibe noho i Kristy.

Melkizedeka sy esôterisma

[hanova |hanova ny fango]

Ao amin’ ilay bokiny hoeLe Roi du Monde "Ny Mpanjakan' Izao Tontolo Izao", i René Guénon dia nanokana toko iray ho an' i Melkizedeka (izay nosoratany hoeMelki-Tsedeq). Nampitondrainy ny anarany ny "mpanjakan' izao tontolo izao", izay mpanao lalàna lehibe sy mpisoronabe, mpihazona sy mpiaro ny fomban-drazana taloha. Ôlo-malaza nohalalinina manokana tao amin' ny lovaesôterika jiosy sy kristiana i Melkizedeka.

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova |hanova ny fango]
  1. Izao ny an' ny Baiboly prôtestanta: "Efa nianiana Jehovah ka tsy hanenina: Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon' i Melkizedeka." (Sal.110.4).
  2. Targum du Pentateuque. Genèse, Éditions du Cerf, 1978, p. 163
  3. Tonontsiahy avy amin'ny Salamo 110. 1.
  4. Jereo ny 1 Kôrintiana toko 26-28.
  5. LaLettre de saint Cyprien (Epistula LXIII, 4)
  6. Jacques Fontaine, Charles Pietri,Le Monde latin antique et la Bible, Editions Beauchesne, 1985, p. 459
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Melkizedeka&oldid=1097318"

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp