Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Aller au contenu
Wikipedia
Tadiavo

Melanezia

Avy amin'i Wikipedia
Sarin-tany maneho an' i Melanezia

IMelanezia dia iray amin' nyvondro-nosy telo lehibe ao amin' nyÔseana Pasifika, izay mamorona an' iÔseania. Toherin' ny mpahay jeôgrafia sasany ity famondronana ara-jeôgrafia ity, nefa ampiasaina matetika izany mbamin' ny firenena voakasika. Avy amin' nyteny grika hoe μέλας /mélas, "mainty", sy ny hoe νῆσος /nễsos, "nosy", ny anarana hoeMelanezia, ka midika hoe "nosy mainty".

Fitsinjaràm-paritra ara-pôlitika

[hanova |hanova ny fango]

Ny tantaran' ny fitsinjaràm-paritra

[hanova |hanova ny fango]

Taorian' ny fandehanan' iJules Dumont d'Urville tany amin' ny faritr' i Melanezia hamantatra ny zava-misy any dia nanao soso-kevitra tamin' nySociété de géograophie taoParis izy tamin' ny taona 1831 momba ny fandaminana vaovao an' iPasifika ho faritra efatra, dia:

  • iPôlinezia (midika hoe "nosy maro"),
  • i Melanezia ("nosy mainty"),
  • iMikrônezia ("nosy kely") ary
  • iMalezia (izay nesorina taty aoriana tsy ho ao amin' ny kôntinentan' i Ôseania).

I Melanezia araka ny mahazatra

[hanova |hanova ny fango]
Sarin-tany maneho ny faritr' i Melanezia

I Melanezia, araka ny famaritana mahazatra, dia miendrika reni-tsipika ao avaratra sy avaratra-atsinanan' iAostralia sy ao atsimon' iMikrônezia. Heverina fa anisan' i Melanezia ireto firenena na fanjakana na fizaràn-tany manaraka ireto:

Ireo firenena sy fanjakana ary fizaràn-tany ireo dia tsy mandrafitra vondrona ara-pôlitika ranoray.

Ampiasaina amin' nyhaifiteny ny teny hoe "melaneziana" amin' ny fitenenenana hoe "fiteny mezô-melaneziana", izay manondro zana-bondrona iray ao amin' ny sampam-pitenyôseanianan' nyfianakaviam-piteny aostrôneziana, ampiasaina aoPapoazia-Ginea-Vaovao sy ao amin' ny vondro-nosySôlômôna.

Sarin-tany maneho ny fizaràm-paritr' i Ôseania.

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]

Fizaràm-paritra anyÔseania:

Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Melanezia&oldid=1089562"
Sokajy :

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp