NyMeksika, azo antsoina ihany koa hoeEtazonian' i Meksika, dia firenena anyAmerika Avaratra izay faritan' iEtazonia avaratra sy iBeliza sy iGoatemala any antsimo. Miisa 107 tapitrisa ny mponina any Meksika (20 tapitrisa ao amin' ny tanànan' iMexico renivohitra).
Ny vohon-tany any Meksika dia manasongadina lembalemba midadasika be tendrombohitra; miorina any amin' ny 2 200 m ambonin' ny haabon' ny ranomasina i Mexico renivohitra. Misy volkano maro ny ao amin' io firenena io. IRio Grande noony lava indrindra any: io ony io no ampahany be amin' ny sisintany manasaraka azy amin' iEtazonia.
Vondrona lehibe telo no mandrafitra ny mponin' i Meksika: ny Meksikana manam-piaviana espaniôla sy nyAmerindiana ary ny Safiotra (Mestizos) avy amin' ny fifanambadian' ny Espaniôla sy ny Amerindiana. Ny ankabetsahan' ny mponina (75 %) dia mipetraka an-tanàn-dehibe; ny vangongon-tanànan' i Mexico (izay anisan' ny lehibe indrindra eran-tany) irery dia onenan' ny 17 % amin' ny mponina ao Meksika. Maherin' ny 93 % amin' ny mponina nokatôlika.
I Meksika no firenena faha-10 manan-karena indrindra eran-tany. Betsaka sy isan-karazany ny loharanon-karena voajanahary ao aminy, ka anisan' izany nysolitany (i Meksika no mpamokatra faha-6 lehibe indrindra eran-tany), nyetona voajanahary, nyarintany, nyvy, nyvolamena, nyvolafotsy.
Nahazo ny fahaleovan-tenany i Meksika firenena ity tamin' ny taona 1821. Tamin' ny faran' ny Ady nifanaovan' i Meksika sy Etazonia (taona 1846-1848), dia nomen' i Meksika an' iEtazonia i California sy i Nouvelle-Mexique ary i Texas. Avy eo dia nifarana tamin' ny faharesen' iFrantsa ny "Ady tany Meksika" (taona 1861-1867); na izany aza dia tena tanjona ara-pôlitika lehibe tany Amerika ho an' ny emperoraNapoléon III i Meksika.
Nipoaka ny Revôlisiona Meksikana tamin' ny taona 1911: iEmiliano Zapata sy iPancho Villa no nitarika izany. Tamin' ny taona 1992, dia nanao sonia ny Fifanarahana momba ny Varotra Malalaka Amerikana Avaratra (Accord de libre-échange nord-américain na Alena) niaraka amin' i Etazonia sy iKanada i Meksika: anisan' ireo faritra ara-barotra lehibe indrindra eran-tany izany.
Tamin' ny taonjato faha-16, nampilefitra ny fokoAzteka ny Espaniôla entin' iHernán Cortés miaraka amin' ny foko rehetra izay fahavalon' nyAzteka noho ny hatsaran' ny fitaovam-piadiany ary ny habetsahany rehefa miady miaraka amin' ny tafika espaniôla. Nanafika ny Espaniôla sy ny foko havany nonina manodidina ny tanànan' i Mexico ny Azteka, taorian' io dia nisy fandringanana nampitondraina ny anarana hoeNoche Triste tamin' ny taona 1520. Io fandringanana io sy ny aretina nentin' ny Eorôpeana avy anyEorôpa no nampiongana ny fahefana azteka tamin' ny taona 1525.
Taorian' izay faharesena sy fandringanana ny foko azteka izay, nozanahan' ny Espaniôla iAmerika Afovoany. Ny anaran' ny zanatany espaniôla aoAmerika Afovoany dia Espaina-Vaovao. Ny sisintany avaratr' io Espaina-Vavao io dia tonga hatrany atsimon' i Etazonia (izany hoe eo amin' ny misy an' i California, i Arizona, i Meksika-Vavao ary i Texas ankehitriny). Efa nitsangana ny tanàna meksikana lehibe (Mexico eo amin' ny toeran' i Tenochtitlán),Guadalajara syPueble aryMonterrey.
Taorian' ny fanjanahan-tany espaniôla, dia tonga tao Espaina-Vavao ny misiônera espaniôla mba hampiova finoana ny tompontany. Anisan' ireo misiônera ireo, nefa niavaka, iBartolomé de las Casas, amin' ny faniriany hiaro ny foko tompontany.
Nanomboka tamin' ny taona 1535, ny fandrindràna ny zanatany Espaina-Vavao dia nomena ny mpanjaka faharoa. Ny voalohany dia iAntonio de Mendoza, izay notendren' iCharles V.
Nandritra io fe-potoana io, diai nihananan-karena ny Empira Espaniôla tamin' ny alàlan' ny fitsentserana nyharena an-kibon' ny tany toy nyvolamena sy nyvolafotsy) ary koa tamin' nyfambolena (fary hanamboarana nysiramamy,kafe) kanefa amin' ny lafiny isan' ny mponina, diai nihena izaitsizy ny isan' ny mponina tompon-tany noho ny asa an-terivozona sy ny aretina. Vinavinaina fa talohan' ny nahatongavan' ny Espaniôla, diai 25 tapitrisa ny isan' ny mponina tao afovoan' i Meksika. Iray tapitrisa sisa izy ireo tamin' ny taona 1650.
I Meksika dia firenena anyAmerika Avaratra. Mizara sisintany amin' i Etazonia izy (3 326 km) any avaratra, amin' iBelizy (1 936 km) ary amin' iGoatemala (962 km) any atsimo. Ny velaran' i Meksika dia misy 1 972 550 km² raha isaina ao ny nosy an' i Meksika any ampovoan-dranomasina. Mitotaly 2,7 tapitrisa km2 ny velaran' ny ZEE an' i Meksika. Manana ny nosy Guadalupe sy ny nosy Revillagigedo (ao amin' nyRanomasimbe Pasifika) i Meksika.
Misyafotroa maromaro ihany koa any Meksika. Ny tendron' iOrizaba dia manana haambo 5 700 m. 10 m monja anefa ny haambon' iLaguna Salada. Misyhorohorontany matetika ny any Meksika.