Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Fahafatesana

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'nyMaty)
Nykarandohan'olombelona dia ampiasaina ho fanoharana lehibe an'ny fahafatesana.
Kuoleman puutarha,Hugo Simberg (1906).

Nyfahafatesana dia ny fitsaharan' nyaina na ny tsy fisian' ny aina intsony ao amin' nyzavamananaina lazaina hoe "maty". Izany toetran' ny fahafatesana izany dia isehoan' ny tsy fiverenan' ny firindrana eo amin' ny fiasan' ny vatana izay tokony ho afa-miantoka ny fahavelomana, toy ny fihinanan-kanina, ny fifohan-drivotra, ny fisotroan-drano, sns.

Eo amin' nysela dia miseho amin' ny alalan' ny fijanonan' ny anjara asa fototra sahanin' ny sela ny fahafatesana. Ao amin' ny zavamananaina maro sela dia mety vokatry ny fahasimban' ny sela izay mitarika amin' ny fahafatesan-tsela aloham-potoana izany, na vokatry ny famerana, na voalahatra mialoha ka miteraka ny famonoan-tenan' ny sela manoloana fisehon-javatra iray mibaiko izany.

Eo amin' ny olombelona kosa, ny fijanonan' nyfo tsy mitepo maharitra alohan' ny hihetsehana indray dia mampametraka fanontaniana ny amin' ny fetra na ny tetezamita eo amin' ny fiainana sy ny fahafatesana. Manoloana io fanontaniana io dia mihevitra nyFikambanana maneran-tany momba ny fahasalaman' ny biby fa ny fahafatesana dia "ny fanjavonana tsy mifodin' ny fiasan' nyatidoha abaribarin' ny fahaverezan' ny fihetsika hoazy ao amin' ny fototry ny atidoha": ity fikambanana ity dia mamaritra ny fahafatesana ho fahafatesan' ny atidoha, fa tsy fitsaharan' ny fitepon' ny fo sy ny fitsaharan' ny fikorianan' nyra.

Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Fahafatesana&oldid=1040282"

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp