Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Aller au contenu
Wikipedia
Tadiavo

Martin Lotera

Avy amin'i Wikipedia
Martin Lotera
Ankapobeny
AnaranaMartin Lotera
Teraka10 Nôvambra 1483
Maty28 Febroary 1546
Fiaviana sy ny andraikitra
FirenenaAlemaina
Asa :
Fiainana manokana

IMartin Lotera diateôlôjiana alemàna anisan' ireo nitarika nyFanavaozam-piangonana naRefôrmasiôna prôtestanta tamin' ny taonjato faha-16, teraka tamin' ny 10 Nôvambra 1483 taoEisleben ary maty tamin' ny 28 Febroary 1546 tao Eisleben ihany koa.

Nisy vokany lehibe teo amin' ny fandrosoan' nykristianisma ny fanavaozam-piangonana notorin' i Martin Lotera ary nyfoto-pampianarana nipoitra tamin' izany dia nisy akony teo amin' ny fianinan' ny vahoakan' iEorôpa, tsy amin' ny ara-pivavahana ihany fa amin' ny lafiny ara-pôlitika sy ara-toekarena koa.

Nisahirana ny amin' ny fanontaniana maro momba nyfahafatesana sy nyfamonjena izay nampiavaka ny kristianisma tamin' nyAndro Antenatenany i Lotera, ka nanovo valinteny avy ao amin' nyBaiboly, indrindra ao amin' nyEpistily nosoratan' i Paoly ho an' ny Rômana. Araka ny hevitr' i Lotera, ny famonjena nyfanahin' ny olombelona dia fanomezana malalaka avy amin'Andriamanitra izay raisina amin' ny alalan' nyfibebahana amin-kitsim-po sy amin' ny finoana marina an' iJesoa Kristy hoMesia, tsy misy fanelanelanan' ny Fiangonana. Nihantsy ny fahefan' nypapa i Lotera amin' ny filazany fa ny Baiboly no hany loharanon' ny fahefana kristiana[1].

Ny fiainany manokana

[hanova |hanova ny fango]

Fahazazana sy fahatanorana

[hanova |hanova ny fango]

Fahazazana sy anabeazana fototra

[hanova |hanova ny fango]
Sarivongan' i Lotera aoEisleben
Ny ray aman-drenin' i Lotera: i Hans sy i Margarethe Luther, sary nataon' i Lucas Cranach der Ältere.

Teraka taoEisleben (ao amin' ny kôntean' iMansfeld, ankehitriny any Sachsen-Anhalt) tamin' ny 10 Nôvambra 1483 i Martin Lotera. Zanaka lahy voalohan' iHans Luder sy Margaretha Zidler izy. Ny rainy, izay tantsaha fiaviana, dia nanjary mpiasa amin' ny fitrandrahanavarahina tao amin' ny faritr' i Mansfeld, avy eo nisahana fitrandrahana varahina sy fandrendrehana metaly, izay nahatonga azy hahazo ny satan' nymadiotanana (frantsay:bourgeois) avy eomagistrat. Nanana rahalahy sy anabavy maro i Martin Lotera, ary nahatsapa ny tenany ho akaikin' ny rahalahiny iray atao hoe Jacob izy[2].

Ny tanànan' iMansfeld ankehitriny

I Hans Luder, izay nanana hambom-po amin' ny tenany sy ho an' ny ankohonany, dia tapa-kevitra ny hanao izay hahalasa ny zanany lahy voalohany ho mpahay lalàna. Nalefany handranto fianarana tamin' ny ambaratonga voalohany sy faharoa tao amin' ny sekoly latinan' i Mansfeld izy, avy eo taoMagdeburg sy taoEisenach. Ireo sekoly telo ireo dia niompana tamin' ny "lalam-pianarana telo" (latin:trivium): nyfitsipiteny (gramera) sy ny fahaiza-mandaha-teny (retôrika) ary ny fahaiza-mandrija hevitra (lôjika). Nampitovin' i Lotera tamin' nyafo fandiovana ny fandefasana azy an-tsekoly, avy eo nampitoviny tamin' nyafobe[3].

Nandao ny oniversite

[hanova |hanova ny fango]
IErfurt ankehitriny
Ny Collegium Maius ao amin' ny oniversiten' iErfurt tamin' nyAndro Antenatenany.

Tamin' ny taona 1501, tamin' ny faha-18 taonany dia niditra tao amin' ny Oniversiten' iErfurt izy ka tao no nahazoany ny maripahaizanabakalôrea tamin' ny taona 1502 sy metrizy tamin' ny taona 1505. Nanana eritreritra ny hianatra lalàna izy, araka ny fanirian-drainy, tao amin' io oniversite io ihany nefa nandao ny fianarana izy teo no ho eo ihany, satria aminy dia miankina amin-javatra tsy azo antoka nylalàna[4].

Nahatsiaro tena ho voasariky nyteôlôjia sy nyfilôzôfia i Lotera, sady nilaza fa liana manokana amin' ny filôzôfa grikaAristôtelesy (na Aristôty) sy ilay filôzôfa sy teôlôjiana anglisyWilliam of Ockham[5] ary ilay filôzôfa sy teôlôjiana alemànaGabriel Biel. Nisy akony taminy ny hevitr' ny mpitaiza azy, dia iBartholomæus Arnoldi von Usingen sy iJodocus Trutfetter, izay nampianatra azy hamerina mametraka fanontaniana momba ny mpandinika malaza maro sy handinika misimisy ny zava-drehetra amin' ny alalan' ny fanandramana. Ny filôzôfia anefa tsy nahafa-po azy, satria mampanantena fanatanterahan-javatra ho an' ny saina fa tsy misy fifandraisany amin' ny fitiavan' Andriamanitra. Amin' i Lotera dia tsy afaka hitarika ny olona amin' Andriamanitra ny saina, ka izany dia nahatonga azy hanana fijery misabaka momba an' iAristôty noho ny fanaovan' itsy farany ho zava-dehibe ny saina[6].

Amin' i Lotera, ny saina dia azo ampiasaina hametraham-panontaniana ny amin' ny olombelona sy ny andrim-piarahamonina, fa tsy natao hanontanian-javatra ny amin' Andriamanitra: tsy afaka mandinika an' Andriamanitra ny olombelona raha tsy amin' ny alalan' nyfanambaràn-tenan' Andriamanitra, ka mitana anjara toerana lehibe amin' izany nySoratra Masina[6]. Nandao ny oniversite i Lotera ka niditra tao amin' ny Fikambanan' ny Mpirahalahy Aogostiniana taoErfurt tamin' ny 17 Jolay 1505[7]. Taty aoriana dia nilaza izy fa vokatr' izao zava-niseho izao izany: tamin' ny 02 Jolay 1505 dia niverina an-tsoavaly tany Erfurt izy taorian' ny fialan-tsasatra fohy tany amin' ny fianakaviany. Nandritra ny orambaratra dia nisy varatra nilatsaka teo akaikiny. Noho izany dia nambarany tamin' ny rainy ny fatahorany nyfahafatesana sy ny fitsaran' Andriamanitra tamin' ny nikiahany hoe: "Vonjeo, ry Masimbavy Ana, hiova homonka aho !" (na "Masimbavy Ana, raha vonjenao aho dia hanao monka!")[8]. Ny "Masimbavy Ana" eto dia ilay lazain' nylovantsofina katôlika fa renin' iMaria renin' i Jesoa. Nieritreritra izy fa ilay antso vonjy nataony dia fampanantenana tsy azony disoina.

Izany fisahiranana ny amin' nyfahafatesana sy nyfamonjena izany dia mampiavaka ny finoana kristiana tamin' ny faramparan' nyAndro Antenatenany[9]: izany tebitebin' ny olon-drehetra[10] -- izay nanjary an' olon-tokana izany -- dia nihoatra ny sehatry ny fahafatesana ka niantefa any amin' ny ho fitsaran' Andriamanitra any an-koatra sy amin' ny fomba hiomanana amin' izany[11].

Nisy naman' i Lotera nilaza fa izany fanapahan-kevitra izany dia vokatry ny fangirifiriana nahazo an' i Lotera noho ny nahafatesan' ny namany roa lahy. Toa hita ho malahelo tokoa i Lotera. Hoy izy indray hariva raha nisakafo alohan' ny handeha: "Amin' izao andro anio izao dia mahita ahy ianareo, avy eo tsy hahita ahy intsony"[6]. Nahatezitra an-drainy mafy ny fandanilaniam-poana nataon' i Lotera[12].

Tao amin' ny toeram-pihibohana

[hanova |hanova ny fango]
IWittenberg tamin' ny taona1536
I Lotera tao amin' nyfikambanan' ny Aogostiniana

Tao amin' ny fikambanana mpangataka (latina:Ordines Mendicantes) misy nyAogostiniana (mpanaraka ny fitsipik' iAogostino) i Martin Lotera[13] ka tao izy no nanandrana nikaroka tamin' ny alalan' ny fampijalian-tena (fanorotoroana ny nofo,fifadian-kanina, fiaretan-tory) izay nantenainy fa hiantoka nyfamonjena azy, nefa resy lahatra izy fa tsy ho tonga amin' izany. Tamin' izany fotoana izany ihany dia nanohy nianatra teôlôjia izy ka nanomboka nampianatra rehefa taty aoriana kely: nataoôrdinasiôna hopretra izy tamin' ny taona 1507 ary voatendry hampianatra filôzôfia tao amin' ny toeram-pihibohana (frantsay:couvent,latina:conventus) taoErfurt izy. Lasa dokotera amin' ny teôlôjia izy tamin' ny taona 1512 ka lasa lehibem-pampiaranaBaiboly tao amin' ny Oniversiten' iWittenberg (frantsay:Wittemberg), izay nisahanany ny asan' ny mpitory tenin' ny Fiangonana tamin' ny taona 1514.

Mizotra mankany amin' ny fanitsiam-pivavahana

[hanova |hanova ny fango]

Ny famonjena

[hanova |hanova ny fango]

Ny mpanoratra sasany dia mihevitra fa ny hevitr' i Lotera ny amin' nyfanavaozam-pivavahana (narefôrmasiôna) dia nanomboka tamin' ny fivahinian' i Lotera taoRôma tamin' ny taona 1510-1511 hikarakara ny raharahan' ny fikambanana misy azy. Tsy izany no tokony ho izy, ary ny fanararaotana nataon' ny mpitondra fiangonana tamin' izany fotoana izany dia tsy nanaitra an' i Lotera loatra. Ny lehibe indrindra dia ny fisahiranany momba nyfamonjena sy ny asa soratra nataony momba nyepistily nosoratan' i Paoly. Tsapany fa ifandroritan' ny firehana maro mitondra mankany amin' nyratsy izy, ka ireo fanao atoron' ny Fiangonana na Eglizy azy, toy nylamesa, fanambaràm-pahotana (kônfesy),fifadian-kanina, sns dia tsy nahafahany niala amin' ny fahatsiarovan-tena ho meloka. Ny fahazoany ny tian' iPaoly holazaina ao amin' nyEpistily ho an' ny Rômana -- izay ataony hoe ny "Filazantsara amin' ny endriny madio indrindra"[14] -- no nanome azy fitoniana. Izao no nosoratany taty aoriana: "Tamin' izany dia nanomboka azoko fa ny "fahamarinan' Andriamanitra" dia ilay ahaveloman' ny olo-marina amin' ny alalan' ny fanomezan' Andriamanitra, dia ny finoana, ka ny hevitr' izany (ny an' ny Epistily ho an' ny Rômana, toko voalohany andininy faha-17) dia izao: "nyFilazantsara no nanambara amintsika ny fahamarinan' Andriamanitra ..., izay anamarinan' ilay Andriamanitra mpamindra fo amin' ny alalan' ny finoana ... Amin' izany dia nahatsiaro ho nateraka indray aho sady tafiditra amin' ny varavarana midanadana ao amin' ny paradisa. Tamin' izany fotoana izany indrindra dia miseho amiko amin' ny endrika vaovao ny Soratra Masina"[15]. Resy lahatra ny amin' ny herim-pamonjena ao amin' ny finoana i Lotera ary aminy dia ny fitokisana apetraka amin' iJesosy irery ihany, izay tia ny olombelona rehetra na dia eo aza nyfahotana tamin' ny fototra, no manafaka tokoa[16]. Resy lahatra i Lotera fa tokony hanaiky ny maha mpanota sy ny maha tsy tonga lafatra azy eo anatrehan' Andriamanitra ny olombelona, izany dia tsy misakana ny fieken-keloka. Mifanohitra amin' izany anefa ny fitiavana hamaha ny olan' nyfahotana izay tanterahina amin' ny alalan' nyindolzansy heverina ho afaka misolo manontolo na amin' ny ampahany ny fieken-keloka, izay aloa amin' ny alalan' ny vola -- amin' i Lotera dia fanao tsy afa-mikambana amin' ny famindram-po sady loza misakana ny fahalalana ny tena olana izany.

Ny tsangan-kevitr' i Lotera

[hanova |hanova ny fango]
NyTsangan-kevitr' i Lotera

Nitranga tamin' ny taona 1517 ny tsy fifanarahana tamin' nypapa ny amin' nyindolzansy izay namoahan' ny papaJolio II didy sady notohizan' ny papaLeô X mba hamatsiam-bola ny fanamboarana nybazilika Masindahy Piera, indolzansy notohan' ny arseveka-elektoran' iMainz (frantsay:Mayence), Albert von Brandeburg, tao amin' nyEmpira Masina Jermanika. Tamin' ny 31 Ôktôbra dia nanoratra tamin' ny arseveka i Lotera mba nangataka aminy ny tsy hanohana io indolzansy io sady nampiarahiny amin' ny taratasiny nyTsangan-kevitra 95 izay mety nateraky ny fanararaotan' ilaydôminikana atao hoeJohann Tetzel. Nanafintohina an' i Lotera ny fanaovana raharaham-barotra ny indolzansy izay nataon' ny papaJolio II (papa) syLeô X mba hanamboarana nyBazilika Masindahy Piera aoRôma, ka namoaka ampahibemaso ny tsangan-keviny tamin' ny 31 Ôktôbra 1517 izy.

Ny Fiangonan' ny Olo-Masina (alemàna:Schlosskirche) ao Wittenberg.

Araka ny lazain' iPhillipp Melanchton, tamin' ny 31 Ôktôbra 1517 dia nofantsihin' i Lotera tamin' ny varavaran' ny trano Fiangonan' ny Olo-Masina (alemàna:Schlosskirche) aoWittenberg ireo tsangan-kevitra 95 ireo izay manameloka amin' ny teny mafy ny fivarotana nyindolzansy nataon' nyEglizy katôlika, ary mbola mafimafy kokoa ny fitenenany ny fanaon' ny mpitondra fivavahana ambony, indrindra nypapa sy ny manodidina azy. Ireo tsangan-kevitra 95 ireo, izay atao hoeTsangan-kevitr' i Wittemberg, dia natonta pirinty tamin' ny faran' io taona 1517 io.

Ny papaLeô X

Nampikomy azy ny famoronana nytenim-pinoana (dôgma) vaovao maro toy ny amin' nyafo fandiovana. Taoriana kelin' izany dia niteraka ady hevitra teo amin' ny samy teôlôjiana sy teo amin' ireo mpianatra sy mpampianatra amin' ny oniversite izany ka nanjary raharaha nahakasika ny fiainanam-bahoaka sy nypôlitika. Nampangain' ny arseveka Albrecht tanyRôma i Lotera. Ny papaLeô X dia nanoratra ny tahirin-kevitra nitondra ny lohateny hoeExsurge Domine ("Mitsangana ry Tompo") izay nandidy an' i Lotera hivadika amin' ny heviny, nefa nodoran' i Lotera teo anatrehan' ny vahoaka izany ary tafasaraka tamin' ny Fiangonana katôlika izy tamin' ny taona 1521.

IKarl V

ICarlos V naKarl V, emperoran' nyEmpira Masina Rômana Jermanika sady mpanjakan' iEspaina dia nampiantso an' i Martin Lotera tamin' ny taona 1521 teo anatrehan' ny fivoran' ny solontenan' ny fajakana maro eo ambany fifehezan' ny emperoran' ny Empira Masina izay natao taoWorms.

Nantohana ny fiarovana ny ainy sy ny fahalalahany mba hahafahany miditra ao amin' ny fivoriana. Teo anatrehan' izany fivoriana izany dia nanda ny hiova hevitra i Lotera, ka nanambara fa resy lahatra amin' ny fambaràn' nySoratra Masina sy nilaza koa fa eo ambany fahefan' nyBaiboly sy ny feon' ny fieritreretany izy fa tsy ambanin' ny fahefan' ny antanantohatry ny mpitondra fivavahana.

Nanapa-kevitra ny mpivory taoWorms, rehefa noteren' i Carlos V, ny hanameloka an' i Lotera amin' ny alalan' ny fandroaha azy hiala ny faritry ny Empira. Naongana tsy ho isan' ny Fiangonana tamin' ny 03 Janoary 1521 izy, tamin' ny alalan' ny tahirin-kevitra voatombo-kase (latina:bulla pontificalis nabulla papalis) nosoratan' ny papa mitondra ny lohateny hoeDecet romanum pontificem (izay midika ara-bakiteny hoe: "Mety amin' ny papa rômana izany").

Noraisin' i Friedrich III elektoran' i Saksônia (alemàna:Friedrich der Weise von Sachsen), izay sakaizany, taoWartburg i Lotera, ka tao izy no nanoratra ny boky maro fantatra indrindra sady miely indrindra. Tao koa no nanombohan' i Loteranandika ny Baiboly amin' nyteny alemàna avy amin' ny teny fototra, dia nyteny hebreo sy nyteny grika, ka izany fandikan-teny izany dia nisy akony ara-kolontsaina lehibe tamin' ny fandraiketana ny fiteny alemàna sy amin' ny fametrahana ny fototry ny asa fandikan-teny.

Ny refôrmasiôna sy ny prôtestantisma

[hanova |hanova ny fango]

Fanonganana sy fanasokajiana ho toy ny jiolahy azo vonoina

[hanova |hanova ny fango]
ICajetan sy i Lotera
IJohann Eck
IJohann Tetzel

Tamin' ny Ôktôbra 1518 i Martin Lotera dia nantsoina tanyAugsburg ka tao iThomas Cajetan, izaynontsy apôstôlika, dia niandraikitra ny fandresen-dahatra azy hiala amin' ny heviny. Tsy nahomby anefa izany. Taorian' izany dia nanapa-kevitra ny papaLeô X haneho fihetsika misy fihavanana kokoa ka nanendry an' iKarl von Miltitz izay nontsy apôstôlika sady nisahana ny hametraka amin' iFriedrich III, mpiaro an' i Lotera, ilay raozy volamena (haingo voatahin' ny papa) izay notsiriritiny nandritra ny telo taona, ka nanantena fa izany no handreseny lahatra azy hampitsahatra ny famelezan' i Lotera ny fanao momba nyindolzansy. Tamin' ny 5 sy 6 Janoary 1519 dia nihaona tamin' i Lotera taoAltenburg i Miltitz. Nahazo avy aminy ny fiantohana ny tsy hamoaka hevitra momba ny indolzansy sady nampanantena ny hampangina an' iJohann Tetzel sy iAlbrecht von Brandenburg mpifanohitra aminy. Vokatr' izany fifampiresahana izany dia nanoratra tamin' ny papa i Lotera ka nampitondrainy an' i Miltitz ilay taratasy. Nisy fihaonana maro hafa koa natao teo amin' ireo lehilahy roa ireo tamin' ny 9 Ôktôbra 1519 taoLiebenwerda sy tamin' ny Ôktôbra 1520 tao Lichtenburg, ao akaikin' iWittenberg, nefa efa tafasaraka tamin' i Rôma i Lotera tamin' izany. Nisy fotoana mantsy nanamafisan' i Lotera ny fanoherany: tamin' ny Jolay 1519 tamin' ny fifandirany tamin' iJohann Eck (atao hoeDisputatio de Leipzig) nikarakara nyRefôrma katôlika tao amin' ny Empira, dia notoheriny koa ny tsy fetezan-dison' ny kônsily. Tamin' ny volana Jona 1520 dia namoaka ny taratasy atao hoeExsurge Domine, izay nampitahotra an' i Lotera ny haongana (hapotraka) ny tao Rôma sady nampandoro ny boky nosoratany. Namaly izany i Lotera ka nandoro koa, tamin' ny 10 Desambra 1520 ny taratasin' ny papa sy nyLalàna Kanônika. Tsy azo ialana noho izany ny fanonganana izay notononina tamin' ny 3 Janoary 1521 tamin' ny alalan' ny taratasin' ny papa hoeDecet Romanum Pontificem (ara-bakiteny: "Mety amin' ny Papa Rômana izany").

Ny sisa dia ny fandroahana an' i Lotera tsy ho ao amin' nyEmpira Masina Rômana Jermanika, izay tsy azo atao raha tsy mifanaraka ny fanjakana rehetra ao amin' ny empira. Mba hanatrarana izany tanjona izany dia nampiantso an' i Lotera ho ao amin' ny fivoriana taoWorms i Karl V, emperoran' ny Empira Masina Rômana Jermanika, izay 21 taona, miteny frantsay nefa tsy mahay teny alemàna tsara. Nantohana ny fiarovana ny ain' i Lotera mba hahafahany miditra ao amin' ny fivoriana tsy maninon-tsy maninona. Teo anatrehan' ny emperora anefa i Lotera dia nanda indray ny hiala amin' ny heviny sy hanaraka ny faneren' ny Fiangonana, ka izao no teniny:

"Ry Mpanjaka be voninahitra sy ianareo Mpanapaka nitaky valin-teny tsotra tamiko. Izao no izy amin' ny teny tsy miolakolaka sy tsy amboamboarina. Afa-tsy hoe horesen-dahatra amin' ny fahadisoako aho amin' ny alalan' nySoratra Masina na amin' ny antony mazava tsara -- satria tsy mino na nypapa na nykônsily fotsiny aho satria miharihary fa matetika dia diso fiheverana sy mifanohitra izy ireo -- izaho dia voafatotry ny lahatsoratry ny Soratra Masina izay ampahatsiahiviko, ary ny feon' ny fieritreretako dia babon' ny Tenin' Andriamanitra; sady tsy afaka no tsy maniry ny hiala amin' ny hevitro aho na amin' inona na amin' inona, satria tsy azo antoka sy tsy mendrika ny manao zavatra mifanohitra amin' ny feon' ny fieritreretan' ny tena. Koa inty aho amin' izao andro anio izao. Tsy afaka manao zavatra ankoatra izany aho. Hampian' Andriamanitra anie aho.[17]"

Taorian' izany dia notononina ny fanasokajiana azy ho anisan' ny jiolahy tsy anisan' ny vahoakan' ny Empira.

Fanohanana ara-pôlitika an' i Lotera

[hanova |hanova ny fango]

Voaroaka sady nisaina ho tahaka ny jiolahy azon' izay mahita azy vovonoina tsy misy arakaraka i Lotera[18]. Na dia izany aza, ankoatry ny fiarovan' ny ankabeazan' ny vahoaka azy dia nisy koa fiarovana azy ara-pôlitika, toy ny nataon' ny andriana ao Hesse, indrindra iFriedrich III, andriandahy elektoran' i Saksônia.

Friedrich III von Sachsen

Raha vantany vao voatonona ny fanamelohana azy dia naka azy i Friederich III izay natahotra sao misy mamono i Lotera. Izany hoe nisy olona atokisan' i Friederich izay naka an-keriny an' i Lotera raha namakivaky ny alan' i Thuringe izy tamin' ny 4 Mey 1521[19], vanimpotoana izay nitoerany tao amin' nyLapan' i Altenstein, tao amin' i BurghardII Hund von Wenkheim, ka napetrak' i Friederich III tao amin' ny lapan' iWartburg, ao akaikin' iEisenach i Lotera. Nitoetra tao i Lotera hatramin' izay ka hatramin' ny 6 Marsa 1522 sady nitondra ny solon' anarana hoechevalier Georges. Tamin' izany no nanombohany nanao nyfandikan-teny ny Baiboly, ka nyTestamenta Vaovao no nanombohany izany. Araka nylovantsofina dia nisy zavatra ahatsiarovana azy ao: indray andro, raha niverina hampahory azy nydevoly ka nisakana azy tsy hiasa, dia notorahany tamin' ny fitoeran-dranomaintiny ilay devoly, ka namela loto teo amin' ny rindrina izany, izay mbola azo jerena ankehitriny. Rehefa afaka roa taona latsaka niafina i Lotera dia niverina tany amin' ny efitrano fitokanana taoWittenberg, izay tsy nilaozany intsony hatramin' izany fotoana izany sady tsy nahatsapany intsony fanahiana.

Niely tamin' ny tanàn-dehibe manodidina maro nyRefôrmasiôna, ka niteraka firaisan-kina alemàna tsy resin' iCarlos V, izay sahirana tamin' ny ady ara-tafika tamin' iFrantsa.

Tamin' ny fivoriana natao taoSpeyer (frantsay:Spire) tamin' ny Avrily 1529 dia niezaka nandray an-tanana ny raharaha ny andriamanjaka, nefa notsenain' ny fanoheran' ny andriandahy enina sy tanàn-dehibe 14 izay nanambara mazava (protest) ny hampakatra ny raharaha amin' nykônsily raha mitady hiala amin' ny didy navoaka taoWorms ny emperora. Ny fivoriana natao taoAugsburg tamin' ny taona 1530 izay namakian' iPhilipp Melanchthon nyKônfesiôna Aogostana, dia nanamafy ny fanoheran' ny andriandahy prôtestanta maro, izay nikambana tao amin' ny "fivondronana ara-miaramilan' i Schmalkalden" (alemàna:Schmalkaldischer Bund) tamin' ny taona 1531.

Manome tsiny an' i Lotera ny mpitsikera noho izy nanangana fivavahana tsy an' ny vahoaka. Nanome tsiny azy noho ny fihetsiny nandritra nyAdin' ny Tantsaha Alemàna (1524-1525), izay fikomiana nateraky ny fahantrana nefa koa misy ifandraisany amin' ny resaka fivavahana sy amin' ny fisahiranana manakaiky ny fisahiranan' i Lotera (maro amin' ny mpitarika ilay hetsika noAnabatista). Tamin' ny Avrily 1525 dia nanao teny mafy dia mafy i Lotera raha nilaza fa mankasitraka ny famaizana tsy misy indra fo an' ilay fikomiana. Nisy olona 100 000 no maty tamin' izany. Amin' i Lotera dia fikomiana amin' Andriamanitra tenany ny fikomiana amin' ny andriamanjakany: Andriamanitra no nanome ny olona sasany ny tombontsoa manokana ahafahana manapaka ary na dia mety ho olon-tsy marina aza ny mpanapaka dia tsy ho diso hevitra Andriamanitra. Raha tapahin' ny andriamanjaka lozabe ny vahoaka dia fanasaziana avy amin' Andriamanitra izany.

Fandrosoan' ny prôtestantisma

[hanova |hanova ny fango]
Raozin' i Lotera

I Lotera no mpisava lalana tamin' ny fikatsahana ara-teôlôja ho an' ny tena manokana, izay nisafidy nyteôlôjian' i Aogostino fa tsy nyteôlôjia skôlastika, ka miompana amin' nySoratra Masina sy ny tenan' iKristy, manantitra nyfamonjena amin' ny alalan' nyfinoana. Rehefa voaongana i Lotera dia lasa lohan' ny hetsika ara-pivavahana izay tokony halamina haingana mba hialana amin' ny fihoaram-pefy. Tamin' ny taona 1522 taoWittenberg, nandritra ny tsy fahafahany niala tao amin' ny tranobe taoWartburg, dia nafana fo iAndreas Bodenstein von Karlstadt ka nanala tanteraka ny fanaovanalamesa ahitana ankolaka fisoronana, ka nanatanteraka ny fandraisana nyfanasan' ny Tompo tamin' ny alalan' ny singa roa (nymofo sy nydivay) sady namporisika ny olona mba hanao tsinontsinona ny fanehoam-panoloran-tena ataon' ny vahoaka sy ny fanajana nysary masina.

Na dia mpitahiry ny fombam-pivavahana nolovaina hatry ny ela aza i Lotera sady tsy te hantsoina amin' ny anarana hoeloterana fakristiana ihany, i Lotera dia nampandroso ilay fiangonam-baovao tamin' ny fanarahana lalana manalavitra hatrany ny fombam-pivavahana rômana. Namoaka fitaovam-pianarana ho an' ny vahoaka izy[20], dia ny boky nosoratany atao hoeKatekisma kely (1529), sy ho an' nypastora, dia nyKatekisma lehibe. Nofoanany nysakramenta sasany izay "tsy araka ny Filazantsara" (ka tsy notazomina afa-tsy nybatisa sy nyeokaristia, na dia voatazona ihany ny fanaovana fanambaràm-pahotana (kônfesy) tamin' ny toerana maro), ny fanafoanana -- noho ny antony ara-teôlôjia sy ara-pitondran-tena -- nyvoadin' nymoanina sy nyfitovoan' ny pretra, ny fifidiananapastora ataon' ny fiangonana isan-toerana, ny fanaovana nyfiteny alemàna ho fiteny amin' nylitorjia (1526), sns.

Raha momba ny fifandraisany amin' ny firehana hafan' nyRefôrmasiôna prôtestanta dia hita fa nifanohitra amin' iUlrich Zwingli (izay nahatapahan' ny fifandraisana tamin' ny fivoriana taoMarburg tamin' ny taona 1529) i Lotera nefa nihavana ihany tamin' ny mpino prôtestanta taoStrasburg tamin' ny farany (toraka izany koa ny tao Basel[21] sy taoAugsburg), tamin' ny nanaovana ny Fifanarahana tao Wittenberg.

Na dia tsy nankasitraka ny fialan' nymonka (na moanina) haingana avy tao amin' ny toeram-pihibohana taoWittenberg aza i Lotera, rehefa nandalina ny amin' ny voadin' ny monka, dia nanamafy ny fanamasinana ny fiainam-panambadiana sady nanambady relijiozy niala atao hoeKatharina von Bora tamin' ny taona 1525. Niterahany zaza enina izany fanambadiana izany. Tamin' ny taona 1534 no nahavitan' i Lotera nyfandikana ny Baiboly izay fantatra amin' ny anarana hoe "Baibolin' i Lotera". Tamin' ny taona 1544 dia lasa fanjakana loterana nyFanjakan' i Soeda. Tamin' ny taona 1559 dia nanorina nyanglikanisma ny mpanjakavavyElisabeth I, ary nanao ny fivoriana (sinôda) voalohan' nyFiangonana nohavaozina.

Ny ankohonan' i Lotera sy ny andro sisa niainany

[hanova |hanova ny fango]

Ny ankohonany

[hanova |hanova ny fango]

Nanambady an' iKatharina von Bora i Lotera ka niteraka zaza enina taminy, dia ireto avy: i Hans na Johannes (teraka tamin' ny 7 Jona 1526 taoWittenberg, maty tamin' ny 27 Ôktôbra 1575 taoKönigsberg), i Elisabeth (teraka tamin' ny 10 Desambra 1527 tao Wittenberg nefa maty volana vitsy taorian' izay, tamin' ny 3 Aogostitra 1528 tao ihany), i Magdalena (teraka tamin' ny 4 Mey 1529 tao Wittenberg, maty tamin' ny 20 Septambra 1542 teny an-tanan' i Lotera, taoEisleben), i Martin (teraka tamin' ny taona 9 Nôvambra 1531 tao Wittenberg, maty tamin' ny 2 Marsa 1565 taoWachsdorf), i Paul (teraka tamin' ny 28 Janoary 1533 tao Wittenberg ary maty tamin' ny 8 Marsa 1593 taoLeipzig) ary i Margarete (teraka tamin' ny 17 Desambra 1534 tao Wittenberg, maty tamin' ny taona 1570 taoMohrungen).

IKatharina von Bora, vadin' i Lotera

Ny andro sisa niainany

[hanova |hanova ny fango]

TaoWittenberg misy ny tranony i Lotera no nandany ny androny sisa farany. Nararin' ny fahatsentseman' ny voa izy ary matetika tratran' ny faharerahan-tsaina sy ny fanahiana be (tamin' ny taona 1527, 1528, 1537 ary 1538) ka mety noho ny fahafatesan' ny zanany vavy Madalena izany na noho ny fifandirana ara-pivavahana teo amin' ny samyPrôtestanta. Tsy nampihena ny fahafahany manohy ny adiny anefa izany. Ny mpifanandrina lehibe taminy dia nypapa.

IPhilipp Melanchthon, sary nataon' i Lucas Cranach.

Maty i Martin Lotera rehefa avy nanambara ny finoany, fony izy tanyEisleben, tanàna nahaterahany, mba hampiravina ny tsy fifanarahana teo amin' ny mpitondra tao amin' ny kôntean' iMansfeld. Mety fahatapahana lalan-dra ao amin' ny atidoha no nahafaty azy[22]. Milevina ao anatin' ny Fiangonan' ny Olo-Masina (alemàna:Schlosskirche) aoWittenberg i Lotera sy iPhilipp Melanchthon.

Ny teôlôjian' i Lotera

[hanova |hanova ny fango]
Fanomboana amin' ny hazo fijaliana, sary nataon' i Pietro Perugino.

Miorina indrindra amin' nyTestamenta Vaovao ny teôlôjian' i Lotera sady manako ao aminy ny fiheveran' iAogostino, ka tsy tahaka ny teôlôjia nahazatra hatramin' izay izay manazava ny amin' ny finoana.Teôlôjian' ny hazo fijaliana ny an' i Lotera fa tsy teôlôjian' ny voninahitra.

Ny singa fototra ao amin' ny teôlôjian' i Lotera

[hanova |hanova ny fango]

Matetika dia fintinina amin' ny fitanisana nySola sy nySolus ("irery ihany") miisa dimy ny teôlôjian' i Lotera:

Ny fahefan' ny Filazantsara manoloana ny Lalàna

[hanova |hanova ny fango]
IMosesy sy iAarona ary nyDidy Folo, sary nataon' i Aron de Chavez, taona 1675.

Amin' i Lotera, tsy manana mpitari-dalana tsy mety diso ny olombelona hahitany ny lalana tena izy, afa-tsy ny Tenin' Andriamanitra, nySoratra Masina, izay manambara an' iKristy. Amin' ny alalan' nyfahasoavana madiodio sy ny finoana irery no amonjena ny olombelona. Mandresy lahatra ny olombelona hiaiky nyfahotany nyFanahy Masina ka mitarika azy ho amin' nyfibebahana.

Manambara i Lotera fa miasa amin' ny olombelona amin' ny fomba roa Andriamanitra, dia amin' ny alalan' ny Lalàna sy amin' ny alalan' nyFilazantsara (na Evanjely na Vaovao mahafaly). Ny Lalàna dia manondro ny zavatra andidian' Andriamanitra, indrindra araka ny raketin' nyDidy folo sy ny fitsipi-pitondran-tena maro. Ny olona rehetra dia afaka mahalala ny Lalàna amin' ny alalan' ny feon' nyfieritreretany sy nylovantsofina momba ny fitodran-tena izay hita ao amin' ny kolontsaina misy azy, na dia simba noho nyfahotana aza ny fahazoana izany, tsy miankina amin' ny zavatra mandresy lahatra azy araka ny fivavahana arahiny anefa izany.

Toriteny teo an-tendrombohitra

Misahana anjara asa roa ny Lalàna. Ny voalohany dia ny fanomezana fahafahana ny olona tsirairay hampaharitra ny filaminana eo amin' ny tontolony sy ny fiarahamonina misy azy ary eo amin' ny fiainany, na dia eo aza ny elanelana mampisaraka azy amin' Andriamanitra sy amin' izao tontolo izao sy amin' ny mpiara-belona aminy ary amin' ny tenany ihany noho nyfahotana tamin' ny fototra. Faharoa, ny Lalàna dia ahafahan' ny olombelona mahatsapa ny filana famelam-pahotana, ka mitarika azy ireo ho any amin' iKristy izany.

Andriamanitra dia miasa amin' ny olona amin' ny alalan' ny Filazantsara izay manambara fa nanolotra nyZanany ho famonjena ny olona. Ny Filazantsara no mahatonga ny finoana handraisana nyfamelan-keloka sy ny fiainana ary ny famonjena atolotr' i Kristy amin' ny alalan' nyhazo fijaliana. Tsy toy ny Lalàna ny Filazantsara izay manambara ny fanomezan' Andriamanitra tsy mitaky afa-tsy ny faneken' ny olona tsirairay an' izany.

Ny fahotana

[hanova |hanova ny fango]

Manamafy i Lotera fa raha mbola miaina eto ambonin' ny tany ny Kristiana dia sadyolo-masina no mpanota. Olo-masina izy ireo raha matoky nyfahasoavan' Andriamanitra fa tsy mitoky amin' ny zava-bitan' ny tenany. Nyfahotana anefa dia hita ao amin' ny Fiangonana sy eto amin' izao tontolo izao, ka tsy fenitra halain-tahaka amin' ny fitondran-tena ny olona masina fa mpanota manaiky ny fahasoavan' Andriamanitra. Amin' i Lotera, na ny olona mendri-kaja indrindra, na ny olo-meloka indrindra dia samy milafamelan-keloka avy amin' Andriamanitra.

Ny hazo fijaliana

[hanova |hanova ny fango]

Milaza i Lotera fa ny teôlôjia kristiana diateôlôjian' ny hazo fijaliana fa tsy teôlôjian' ny voninahitra. Ny olombelona dia tsy afaka hahafantatra ny sitrapon' Andriamanitra amin' ny alan' nyfilôzôfia na ny fitsipi-pitondrantena. Tokony hiaiky ny olombelona fa tsy afaka hahita an' Adriamanitra izy raha tsy tapa-kevitra nyhampahalala ny tenany Andriamanitra. Ambaran' Andriamanitra ao amin' ny teny manjavozavon' ny toriteny ny fahendren' Andriamanitra, ambarany ny fahefany amin' ny alalan' ny fijaliana, ary ambarany ny hevitra miafin' ny fiainana amin' ny alalan' nyfahafatesan' i Kristy teo amin' nyhazo fijaliana.

Fanakianan' i Lotera ny fiainan' ny monka

[hanova |hanova ny fango]

Te hametraka ny tena sy ny aina amin' ny maha izy azy i Lotera ka nanameloka ny fiainana mahamonka (namoanina). Ao amin' ny bokyDein Ruf ist dein Beruf ("Ny asanao no fiantsoana anao") dia nilaza izy fa ny fiantsoana ny tsirairay dia tsy ny hitady an' Andriamanitra ao amin' ny trano fihibohan' ny monka fa ny ho hita vatana eo amin' izao tontolo izao. Izao no dikan' izany: "Nantsoina hiaina asa iray ianao".

"Vonjeo amin' ny fahamarinanao aho!" (Sal. 31.1)

[hanova |hanova ny fango]

Mandray ny olona mpanota izay miantoraka aminy Andriamanitra. Ny hany fifamatorana tokana misy eo amin' Andriamanitra sy ny olona dia ny finoana. Ny asa tsara fotsiny dia tsy afaka manao na inona na inona: tsy misy ilana azy ny fahalalahan-tanana, ny fiantrana, nyfitiavam-bavaka ... raha tsy manam-pinoana ny tena. Tokony miantoraka amin' Andriamanitra isika mba hahatsapa finoana; ny asa dia manaraka hoazy, toy izany koa nyfamonjena. Ny teôlôjia loterana dia miompana amin'Andriamanitra Ray raha nykatôlisisma tamin' izany fotoana izany kosa nitodika amin' i Kristy mpanelanelana, ka miompana amin' i Kristy.

Fahalalahan' ny fieritreretana

[hanova |hanova ny fango]

Zava-dehibe amin' i Lotera indrindra ny fahalalahan' nyfieritreretana[23].

Fandikan-teny ny Baiboly

[hanova |hanova ny fango]
NyBaibolin' i Lotera

Ny fandikan-teny nyBaiboly amin' nyfiteny alemàna, fiteny ifaneraseran' ny olona andavanandro, izay nataon' i Lotera, dia nampifanatona ny vahoaka amin' nySoratra Masina sady nisy fiantraikany ara-kolontsaina lehibe, noho ny nahafahana nampiely fenitra momba ny fiteny alemàna soratana sy tamin' ny fanomezany fitsipika fototra ankapobeny teo amin' ny fomba fandikan-teny[24]. Nisy akony lehibe izany fandikan-teny izany tamin' ny fandikana ny Baiboly ho amin' nyfiteny anglisy, atao hoeKing James Version ("Dikan-tenin' i Jakoba Mpanjaka ")[25].

Tamin' ny voalohany dia tsy dia niraharaha nyBokin' i Estera, nyEpistily ho an' ny Hebreo, nyEpistilin' i Jakôba, nyEpistilin' i Joda, ary nyBokin' ny Apôkalipsy i Lotera. Nolazainy hoe "epistilim-bozaka" ny Epistilin' i Jakôba; araka ny fiheverany dia tsy miresaka firy ny amin' i Kristy sy ny asafanavotana nataony ireo boky ireo. Mafy koa ny fitenenany momba ny Bokin' ny Apôkalipsy, raha niteny izy fa tsy tsapany velively ny maha vokatry nyFanahy Masina an' io boky io.

Nampiahiahy azy ny maha voasoratry nyApôstôly ny Epistily ho an' ny Hebreo, ny Epistilin' i Jakoba, ny Epistilin' i Joda, ary ny Apôkalipsy, ka nilazany fa ny mahakanônika azy ireo dia tsy neken' ny olon-drehetra tao amin' ny Fiangonana voalohany (ireo no atao hoeantilegômena). Na dia izany aza dia tsy nesorin' i Lotera avy tao amin' ny fanontany ny Soratra Masina ireo boky ireo. Niova ny fomba fijeriny momba ny sasany amin' ireo boky ireo taona vitsy taty aoriana.

Napetrak' i Lotera teo anelanelan' nyTestamenta Taloha sy nyTestamenta Vaovao ny boky ataony hoe "apôkrifa". Ireo boky ireo dia hita ao amin' nySeptoajinta grika nefa tsy hita ao amin' nylahatsoratra masôretika hebreo. Nankininy tamin' iPhillip Melanchton sy iJustus Jonas ny fandikana ireo boky ireo. Tsy hita ao amin' ny lisitry ny boky tao amin' ny dikan-tenin' ny Testamenta Taloha tamin' ny taona 1523 ireo boky ireo, ka nomena ny anarana hoe "apôkrifa". Tao amin' ny fanontana tamin' ny taona 1534 dia nilaza i Lotera fa ambany lanja noho ny Soratra Masina ireo boky ireo, nefa ilaina sady tsara vakina ihany.

I Martin Lotera sy ny mozika

[hanova |hanova ny fango]
Ny "He, manda fiarovana", hira noforonin' i Lotera.

Tia mozika amin' ny endriny rehetra i Lotera sady mpamoron-kiram-pivavahana ka nampiditra tao amin' ny "Fiangonana ara-pilazantsara" ny hira misy feo tokana na roa, natao amin' ny fiteny andavanandron' ny olona, hirain' ny mpiangona manontolo. Nantsoina amin' ny teny hoe "choral" ny hira noforonin' i Lotera ka lasa ivon' nylitorjia prôtestanta, ary ny fiantraikan' izany tamin' ny fandrosoan' ny mozika alemàna dia tsapa nandritra ny taona maro. Nanana ny anjara toerany lehibe i Lotera teo amin' ny sanganasan' iJohann Sebastian Bach izay nampiasa ny lahatsoratr' i Lotera hatao tonon' ny feonkira miisa 38. Ny fantatra indrindra amin' ny hira fiderana nataon' i Lotera dia ilay mitondra ny lohateny hoeEin feste Burg ist unser Gott naEin' feste Burg (malagasy:He, Manda Fiarovana[26]), izay fantatry ny Loterana indrindra sy ny Prôtestanta hafa ankehitriny[27].

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]

Lohahevitra hafa

Mpanavao fiangonana

Rohy ivelany

[hanova |hanova ny fango]
  • Ao amin' ny Freebase:[1]

Loharano sy fanamarihana

[hanova |hanova ny fango]
  1. Ewald M. Plass,What Luther Says, 3 vols., St. Louis: CPH, 1959, 88,no 269; M. Reu,Luther and the Scriptures, Columbus, Ohio, Wartburg Press, 1944, p. 23.
  2. Martin Marty,Martin Luther, Viking Penguin, 2004,p. 3.
  3. Martin Marty,Martin Luther, Viking Penguin, 2004,pp. 2–3.
  4. Martin Marty,Martin Luther, Viking Penguin, 2004,p. 5.
  5. I William of Ockham dia atao amin' nyteny frantsay hoeGuillaume d'Ockham, na amin' nyteny latina hoeGuillelmus de Ockham, filôzôfa, lôjisiana, teôlôjiana anglisy, tao amin' ny fikambanana fransiskana.
  6. 6,06,1 et6,2Martin Marty,Martin Luther, Viking Penguin, 2004,pp. 5-6.
  7. E.G. Schwiebert,Luther and His Times, Saint-Louis, Concordia Publishing House, 1950, p. 136.
  8. Martin Brecht,Martin Luther, tr. James L. Schaaf, Philadelphia, Fortress Press, 1985–93, p. 1:48.
  9. René Souriac,Les mots de la Renaissance, Presses Univiversitaires du Mirail, 2002 (ISBN 9782858166367,vakio eto [tahiry]),p. 66
  10. Jean-Pierre Deregnaucourt,Les hommes et la mort à la fin du Moyen Age, Editions Jean-paul Gisserot, 2007 (ISBN 9782877479493),p. 4-6
  11. Marc Lienhard,Luther : Ses sources, sa pensée, sa trace dans l'histoire, Labor et Fides, 2017 (ISBN 9782830950892,vakio eto [tahiry]), p.398
  12. Martin Marty,Martin Luther, Viking Penguin, 2004,p. 7.
  13. Sophie Hasquenoph,Histoire des ordres et des congrégations religieuses en France, du Moyen Âge à nos jours, Champ Vallon, 2009,p. 19.
  14. Matthieu Arnold,Martin Luther, Fayard, 2017 (ISBN 9782213704197,vakio eto [tahiry]), pt 307
  15. Martin Luther,Œuvres.
  16. Daniel Olivier et Alain Patin,Luther et la Réforme, Éditions de l'Atelier, 1997 (ISBN 9782708231795,vakio eto [tahiry]),p. 25-26
  17. Die PredigtdatenbankArchived Oktobra 7, 2013 at theWayback Machine [tahiry].
  18. Izany no atao amin' ny teny frantsay hoe "mise au ban" sy amin' ny amin' ny teny alemàna hoe "Reichsacht" na amin' ny teny anglisy hoe "Imperial ban".
  19. Albert Greiner,Martin Luther ou, L'hymne à la grâce, Plon, 1966, p. 182.
  20. Annick Sibué,Martin Luther et sa réforme de l'enseignement, origines et motivations, Édilivre, 2010.
  21. Basel amin' ny teny alemàna sy amin' ny teny anglisy, faBâle kosa amin' ny teny frantsay.
  22. Philippe Charlier,Médecin des morts, Fayard/Pluriel, 2014, p. 310.
  23. Jean-Daniel Causse, « Luther et la question de la conscience. Problématisation et esquisse d'enjeux contemporains »,Revue d'éthique et de théologie morale, 293, mars 2017, p. 43-52.
  24. Martin Luther,Das eyn Christliche versamlung odder gemeyne recht und macht habe, alle lehre tzu urteylen und lerer tzu beruffen, eyn und abtzusetzen, Grund und ursach aus der Schrifft (1523) [tahiry] (Weimarer Ausgabe vol. 11,p. 408-416).
  25. Tyndale's New Testament, New Haven, CT, Yale University Press, 1989, pp. IX–X.
  26. Fiombonan' ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara,Tiona sy Fihirana hihavanana amin' Andriamaitra, edisiona fahatelo, Antananarivo, 2001, "He, manda fiarovana", pp. 621-622 (hira faha-500).
  27. Hubert Guicharrousse,Les Musiques de Luther, préface de Marc Lienhard, Genève, Labor et Fides, collection Histoire et Sociéténo 31, 1995, 324 p.
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Martin_Lotera&oldid=1093832"
Sokajy :
Sokajy misitrika 1 :

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp