Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Aller au contenu
Wikipedia
Tadiavo

Marksisma

Avy amin'i Wikipedia
IKarl Marx sy iFriedrich Engels.

Nymarksisma dia firehana ara-pôlitika, ara-tsôsialy, ara-pilôzofia, ara-tantara, arakaantrôpôlôjia ary ara-toekarena mifototra amin' ny hevitr' iKarl Marx (ary koa araka ny hevitr' iFriedrich Engels amin' ny ampahany kely) sy ny mpandimby azy. Amin' ny lafiny pôlitika, ny marksisma dia mifototra amin' ny fandraisana anjara amin' ny hetsika momba ny adin-tsaranga, mba hahatongavana amin' ny fiarahamonina tsy misy saranga, tsy misy fitondran' ny patriarika,demôkratika, mamarana ny fisian' ny Fanjakana (alemàna:Staat) ary mifototra amin' ny fananana iombonana sy demôkratika momba ny fitaovam-pamokarana amin' ny maha dingana mandimby nykapitalisma azy: nykôminisma. Tsy toy nyanarsisma izay manatratra tanjona mitovy amin' izany amin' ny alalan' ny demôkrasia mivantana ny marksisma izay manankina ny asany amin' ny atao hoe "jadon' ny mpiasa" (atao hoeProletariat).

I Karl Marx tokoa dia nihevitra fa "ny fanafahana ny mpiasa dia tsy maintsy asan' ny mpiasa", noho izany dia amin' ny alalan' ny hetsika iombonana no ahafahana manova sy tsy maitsy anovana ny fandaminana ara-toekarena sy ara-piarahamonina.

Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Marksisma&oldid=1079565"

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp