IMariupol tanàna any atsimo-atsinanana amin' iOkraina, eo am-bavan' ny renirano Kalmius, ao amin' ny morontsiraka avaratry nyRanomasin' i Azov. Seranan-tsambo sy tanàna indostrialy ao amin' ny faritr' iDonetsk izy. Tamin' ny taona 2021 dia niisa 431 859 ny mponina tao, izay fifangarona Okrainiana sy Rosiana ary Grika vitsy an' isa.
Atao hoe Маріуполь /Mariupol izy amin' nyteny okrainiana, fa Мариуполь /Mariupol kosa amin' nyteny rosiana. Nantsoina hoeZhdanov naJdanov izy tamin' ny taona 1948 ka hatramin' ny 1989.
I Mariupol dia seranan-tsambo manan-danja, fiafaran-dalamby ary foibe ara-taozava-baventy. Ny famokaranatsỳ, ny toeram-panamboaranasambo, ny orinasa mpamokatra simika, ary ny toeram-pamokaranatrondro am-bifotsy no miantoka ny ampahany be amin' ny fampidiram-bolan' ilay tanàna. Ny famokarana sy fitrandrahanametaly dia mandray anjara lehibe koa amin' ny toekarena.
Naorin' nyGrikan' i Krimea tamin' ny taona 1779 i Mariupol. Nobodoin' nyAlemàna izy nanomboka tamin' ny taona 1941 ka hatramin' ny 1943, ary be ny zavatra simba tao noho ny daroka baomba. Nantsoina hoeZhdanov (naJdanov) izy ho fanomezam-boninahitra an' i Andrei Aleksandrovich Zhdanov, izay mpanao rijan-kevitra sy mpanao pôlitika kôminista.
Nandritra ny fanafihan' iRosia an' iOkraina, izay nanomboka tamin' ny 24 Febroary 2022, ity seranan-tsambo stratejikan' iDonbass ity dia nataon' ny tafika rosiana fahirano ary 90 % no fitambaran' ny rava sy simba.