Nymanikeisma dia fivavahana naorin' ilayPersiana atao hoeManỳ (na Manika) tamin' ny taonjato faha-3. Fifangaroan' nyzôrôastrisma sy nybodisma ary nykristianisma ity fivavahana ity. Ankehitriny dia atao hoemanikeisma ny fiheverana na ny fihetsika manatsotra zavatra izay mamaritra sy manasaraka ny Tsara sy ny Ratsy. Nandray zavatra be dia be tamin' nygnôstisisma ny manikeisma. Ivon' ny fampianaran' ny manikeisma ny fizaràny izao rehetra izao ho roa (doalisma), ahitana ny fanjakan' ny Tsara (atao hoe fanjakan' ny Fahazavana) izay anjakan' Andriamanitra, sy ny fanjakan'ny Ratsy (na fanjakan' ny Haizina) izay anjakan' iSatana.
Avy amin' ny fianakaviana persiana ambony tanyBabilôna iManỳ. Olona tia vavaka ny rainy ka nitaiza azy tamin' ny fivavahana izay tokony ho ny fivavahan' nyElkasaita. Tamin' ny faha-12 sy faha-24 taonany dia nahita fahitana i Manỳ izay nisehoan' nyanjely taminy nanendry azy ho mpaminanin' ny fivavahana vaovao sy nahazoany fanambaràna lehibe. Nandritra ny diany voalohany tanyIndia no nahalalany nybodisma. Narovan' ny mpanjaka Shapor I izay nanjaka tamin' ny taona 214 hatramin' ny 272 izy ka nitory teny eran' iPersia sady nandefa misiônera eran' nyEmpira Rômana. Nanambara ny tenany ho mpaminany farany ao aorian' iZaratostra sy iBodà ary iJesoa i Manỳ. Mampianatra izy fa misy ampaham-panambaràna izay tanteraka ao amin' ny fampianarany. Niteraka ny tsy fitiavan' nyZôrôastriana azy izany fielezan' ny manikeisma haingana izany ka rehefa tafakatra teo amin' ny fitondrana an' i Persia i Bahram tamin' ny taona 273 dia niampanga an' i Manỳ ho mpanaofampianaran-diso izy ireo ka nandresy lahatra ny mpanjaka hanagadra azy.
Sarintany maneho ny faritra nielezan' ny manikeisma
Noho ny fiarovan' ny mpajaka persiana Shapor I dia afaka nitory ny manikeisma iManỳ manerana nyAtsinanana Akaiky. Niely manerana an' iAfrika Avaratra hatranyEorôpa syAzia koa izany fivavahana izany. TaoSina io fivavahana io dia natao hoe "Bodisman' ny fahazavana". IMasindahy Aogostino, ohatra, tamin' ny taonjato faha-4, dia manikeana tamin' ny voalohany nandritra ny sivy taona alohan' ny hiovany ho kristiana. Taorian' izany dia nanohitra ny manikeisma izy ao amin' ireo asa soratra maro nataony. Maro ireopapa sy emperora nanameloka sy nanenjika ny manikeisma.
Tafiditra tao amin' nyEmpira Rômana ny manikeisma, indrindra tao Egipta sy tao Afrika notapahin' ny Rômana, ka namoahan' ny emperora didy fanenjehana tamin' ny taona 297 noho ny hevitra vaovao entiny izay mifanohitra amin' ny fanompoam-pivavahana rômana nentim-paharazana, sy ny fiaviana persianan' io fivavahana io izay fiavian' ny fahavalon' ny Rômana. Nivoaka ny didy fandeferana ara-pivavahana tamin' ny taona 311 sy 313 (atao amin' nyteny latina hoeEdictum Mediolanense sy amin' nyteny frantsay hoeEdit de Milan), izay natao indrindra hanafoanana ny fanenjehana ny Kristiana ka nanapitra izany vanimpotoan' ny fanenjehana izany.
Na dia nanjavona tao Andrefana tamin' nyAndro Antenatenany aza ny manikeisma dia hita ny fiantraikany tao amin' ireo fampianaranadoalista tamin' ny Andro Antenatenany, toy nyAlbigesy, nyBôgômila, nyPaolisiana, fa ny ampahany be amin' ny hevitra avy amin' ny tontolognôstika sy manikeana dia tafajanona hatramin' ny hetsika amin' izao ankehitriny izao toy nyteôzofia sy nyantrôpôzôfia.
Iray amin' ny fototry ny manikeisma ny fisarahan' izao tontolo izao ho fanjakana roa, dia ny fanjakan' ny Fahazavana, izay fanjakan' ny Fiainana araka ny fomban' Andriamanitra, isehoan' ny zavatra rehetra momba ny mandrakizay; sy ny fanjakan' ny Haizina, izay fanjakan' ny raha (matiera), fanjakan' ny "maty", isehoan' ny zavatra rehetra voafetran' ny erana sy ny fotoana.
Tamin' ny voalohany dia nisy fanjakana roa izay nisaraka tanteraka. Indray andro dia nandeha hanafika ny fanjakan' ny Fahazavana ireo fanahin' ny fanjakan' ny Haizina. Tonga teo amin' ny sisintanin' ity fanjakan' ny Fahazavana ity izy ireo ka ndeha hamabo azy. Tsy naharesy tosika ny fanjakan' ny Fahazavana anefa izy ireo. Niteraka fahasimbana lehibe ny zava-nitranga ka tafiditra tao amin' ny fanjakan' ny Fahazavana ny fanjakan' ny Haizina.
Ny fanahy ao amin' ny fanjakan' ny Fahazavana dia naka ampahany amin' ny fanjakany ka nanafangaro izany amin' ny fanjakan' ny Haizina, izay fanjakan' nyraha. Mifangaro sy miady tsy misy farany ireo fanjakana roa ireo nanomboka teo. Izany fifangaroan' ny ampahan' ny fanjakan' ny Fahazavana sy ny fanjakan' ny Haizina izany dia nahatonga karazan-javatra niteraka fiotrehana sahala amin' ny masirasira (leviora) izay nahatonga ny fanjakan' ny Haizina hisangodingodina mikorontana ka nahazo singa vaovao, dia ny fahafatesana - izay avy amin' ny karazana fiovan-draha. Ny olombelona dia sady vokatra no endrik' izany ady izany. Amin' nyandro farany dia havotana ireo sombintsombim-pahazavan' Andriamanitra ireo, ny Tontolon-draha dia hosimbana, ary hiverina indray ny fisarahan' ny Fahazavana sy ny Haizina tanteraka mandrakizay..
Ny hevi-dalina ao anatin' izanyfedrà izany dia izao: ny fanjakan' ny Haizina dia tsy maintsy hihoaran' ny fanjakan' ny Fahazavana, tsy amin' ny alalan' ny famaizana fa amin' ny alalan' ny halemem-panahy sy ny fitiavana, tsy amin' ny alalan' ny fifanoherana amin' ny Ratsy na amin' ny fiadiana aminy fa amin' ny fifangaroana aminy, mba hanavotana ny Ratsy amin' ny maha ratsy azy.
Amin' ny manikeisma dia miara-misy ny Fahazavana sy ny Haizina nefa tsy mifangaro. Nefa taorian' ny zava-doza nitranga dia tafiditra tao amin' ny Fahazavana ny Haizina. Vokatr' izany zava-nitranga izany no teraka ny olombelona, nyfanahiny dia an' ny fanjakan' ny Fahazavana fa ny vatany an' ny fanjakan' ny Haizina, ka mahatonga ny fahafatesana tsy hoheverina ho fahasimbana fa fomba iray fisandratana fara tampony anafahana ny fanahy.
Amin' ny manikeisma dia roa sosona ny olombelona satria manana fanahy ao amin' ny fanjakan' ny Fahazavana izy ka izany no ampahanytsy mety maty ao amin' ny olombelona, sady manana vatana ao amin' ny fanjakan' ny Haizina izay ampahany mety maty ao amin' ny olombelona. Ny vatan' ny olombelona dia raha ka noho izany ratsy; fa ny fanahiny kosa dia sombim-pahazavan' Andriamanitra ka tokony havotana amin' ny fonja misy azy ao amin' ny vatana sy eto amin' ny tontolon' ny raha.
Mba hahafahan' ny fanahin' ny olombelona miala amin' ny fitsingeringerenan' ny fahatongavana ho nofo, aorian' ny fahafatesana, sy mba hahatafiditra azy ao amin' ny fanjakan' ny Fahazavana dia tokony hisaraka amin' izay rehetra momba ny raha izy raha mbola velona. Ny lalan' ny fanavotana dia tsy maintsy mandalo amin' ny fahalalana ny fanjakan' ny Fahazavana, izay ambaran' ny mpaminanin' ny manikeisma hatramin' ny mpaminany farany, dia iMany. Izany fahalalana izany no ahafahan' ny fanahin' ny olombelona mandresy ny faniriana ara-batana managadra azy sy ahafahany miditra ao amin' ny fanjakan' Andriamanitra.
Ny fahafatesan' ny vatana dia misy heviny roa. Ny olombelona izay mifikitra amin' ny fiainana araka ny azo tsapain-tanana (araka ny raha) dia tsy mamela ny fanahiny ho afaka amin' ny fanjakan' ny "maty"; fa ny olona izay manolotra ny fiainany araka ny raha amin' ny fanahy ao aminy amin' ny lalan' nyEvanjely (na Filazantsara), dia afaka hamerina ny fanahiny ao amin' ny fanjakan' ny Fiainanana araka ny fomban' ny andriamanitra. Misyteôlôjiana mihevitra fa misy fifandraisany amin' izany ny fehezanteny notononin' iJesoa araka nyEvanjelin' i Marka (Mar. 8.35) hoe: "Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko sy ny filazantsara, dia hamonjy izany".
Ny voalohany, izay atao hoevoafidy naolom-boafidy, dia tsy manambady fa mpitovo sady tsy mihinana afa-tsy ny vokatry ny zavamaniry, ary tsy misotro divay, tsy miasa fa mitory teny. Azo antoka ny fidirany ao amin' ny fanjakan' ny Fahazavana aorian' ny fahafatesany.
Ny vavaka isan' andro dia ataon' ny olona tsirairay fa ny fanambaràm-pahotana dia atao eo anetrehan' ny olom-boafidy. Avelan' ny olom-boafidy haniry ka tsy hetezany ny volony. Miakanjo fotsy izy ireo. Manao dika soratra sy mandalina ny soratr' iMany. Manao hira fiderana fito isan' andro, mampianatra, mitoka-monina amin' ny volana fenomanana, mivavaka impito isan' andro sy mandritra ny alina. Ny ankamaroan' ny olom-boafidy dia tsy manana toeram-ponenana raikitra. Ny olom-boafidy izay nivoady hiaina amin' ny fahantrana dia manaisotra tanteraka ny fananany.
Ny sokajy faharoa dia ireompihaino, izay maro dia maro sady ao amin' ny dingana ara-panahy ambany kokoa. Afaka manambady izy ireo, mifady hanina isan-kerinandro, manompo ny olom-boafidy. Manantena ny hateraka indray ao amin' ny vatan' ny olom-boafidy ny mpihaino. Ny mpihaino dia manao tsianjery ny soratr' i Many, mihira raha afaka manao izany, mivavaka inefatra isan' andro ary mifady hanina isan-kerinandro mba hiomanany amin' ny fanambaràna ny fahotana (kônfesy) amin' ny Alatsinainy. Indraindray koa mandritra ny taona dia antsoina hanao fiantrana, izany hoe hamela ny fananany ho an' ny fiangonana ny mpihaino.
Misy kônfesy lehibe atao isaky ny faran' ny volana izay anaovana fangataham-pamelan-keloka lehibe.