IMalaoỳ dia firenena any amin' nyfaritra atsimo ao Afrika na koa aoAfrika Atsinanana, tsy manana morontsiraka, manana velarana mirefy 118 484 km², eo anelanelan' iMôzambika sy iZambia, ary iTanzania. Voafaritry nyfarihy Malawi nafarihy Nyassa izy, farihy fahatelo atyAfrika amin' ny velarany, mandrakotra ampahadimin' ny velaran' i Malaoỳ nyfarihy Malawi ary betsaka ny renirano mivarina ao. Atao hoeMalaoita naMalaoiana ny vahoakan' io firenena io.
Ny fiavian' ny anarana hoeMalaoỳ (avy amin' ny anaran' ny farihy, amin' nyfiteny banto) dia tsy mazava tsara; lazaina fa avy amin' ny mponina any atsimon' i Malaoỳ na lazaina fa maneho ny hazavan' nymasoandro rehefa miposaka eo amin' ny farihy (izay aseho eo amin' ny sainam-piren' i Malaoy).
Firenena be tendrombohitra i Malaoỳ. Ny ampahany be atsinanana amin’ ny taniny dia misy nyfarihy Malawi, izay farihy lehibe fahatelo atyAfrika.
I Malaoỳ dia iray amin’ ny firenena misy mponina be hakitroka indrindra aty Afrika, ary ny ankamaroan’ ny mponina dia monina any ambanivohitra. Kristiana ny ankamaroan’ ny vahoala malaoita.
Ny fambolena no iankinan’ ny toekaren’ i Malaoỳ, nefa ianjadian’ ny fiovaovan’ ny toetrandro, indrindra ny haintany, izany fambolena izany.
Tamin’ ny taona 1964 no nahazoan’ i Malaoỳ ny fahaleovan-tenany raha nozanahin’ ny Britanika izy talohan’ izany. Mpikambana ao amin’ nyCommonwealth i Malaoỳ ary nyfiteny anglisy sy nyfiteny tsitseoa no fiteny ôfisialiny.
Kôntinenta eto an-tany