Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Loteranisma

Avy amin'i Wikipedia
Raozin' i Lotera

Nyloteranisma naloterianisma dia iray amin' ny sampana lehiben' nyprôtestantisma, sampan' nykristianisma, no sady ilazana nyteôlôjia nipoitra avy amin' ny fandinihana sy soratr' ilay teôlôjiana symonka (na moanina)aogostiniana alemàna atao hoeMartin Lotera (alemàna:Martin Luther), nanomboka tamin' ny taona 1517. Izany fandinihana izany dia niteraka ny teôlôjia prôtestanta maro sy ny fiangonana prôtestanta isan-karazany tamin' ny taonjato faha-16, sady nipetraka ho loharano amin' nytenim-pianoana (na dôgma) syfoto-pampianarana ao amin' ny teôlôjian' ny fiangonana loterana maro, indrindra anyAlemaina sy anySkandinavia (Danemarka,Nôrvezy, sns.).

Martin Lotera, sary nataon' i Lucas Cranach der Ältere, taona 1529.

Ahitana fiangonana loterana ny any amin' ny faritra na firenena hafa toa an' iAlsace, iLorraine, iMadagasikara, iNamibia, iPôlônia ary ireofirenena balta (Estônia syLetônia aryLitoania). Mahakasika ny finoan' ny Kristiana loterana sy ny fiangonana loterana maro ary ny antontan-tsoratra momba ny teôlôjia sy ny anjara asan' ny fiangonana ny loteranisma. Harena iombonan' nyFanavaozana prôtestanta ny teôlôjian' i Lotera.

Fiforonan-teny

[hanova |hanova ny fango]

Ny anarana hoeloterana dia teny fanaratsiana ny mpanaraka an' i Lotera nataon' ilayteôlôjiana skôlastika alemàna atao hoe Johann Maier von Eck nandritra ny adihevitra taoLeipzig tamin' ny volana Jolay 1519[1]. Nanaraka ny fomba fanomezana anarana an' ireo mpanaofampianaran-diso (heretika) izay mifototra amin' ny anaran' ny mpitarika azy i Eck sy ny mpino katôlilka hafa koa, ka ny hoeloterana dia napetaka hilazana ny teôlôjian' i Martin Lotera[2].

Tsy nankasitraka ny teny hoeloterana i Martin Lotera fa nisafidy ny hoeEvangelisch (evanjelika naevanjelikaly, "ara-pilazantsara") izay avy amin' nyteny grika hoeεὐαγγέλιον /euangelion, midika hoe "vaovao mahafaly", izany hoe "filazantsara"[1]. Ny mpanaraka an' iJean Calvin, iUlrich Zwingli sy ny teôlôjiana maro hafa mifandray amin' nyRefôrmasiôna dia nampiasa koa io teny hoeevangelisch (alemàna) naevangelical (anglisy) naevangélique (frantsay) io. Mba hanavahana ireo vondrona evanjelika na ara-pilazantsara roa ireo dia nisy ny nanondro ireo vondrona roa ireo hoLoterana evanjelika (naLoterana ara-pilazantsara) syNohavaozina evanjelika (naNohavaozina ara-pilazantsara). Rehefa ela ny ela dia tsy nampiasaina intsony ny hoeevanjelika (ara-pilazantsara). Nampiasa ny hoeloterana hanondroany ny tenany ny mpino loterana nanomboka tamin' ny tenatenan' ny taonjato faha-16, mba hiavahany amin' ny vondrona evanjelika hafa toy nyAnabatista sy nyKalvinista. Tamin' ny taona 1597 dia namaritra ny hoeloterana ny teôlôjiana taoWittenberg hanodroana izay heveriny ho "fiangonana marina"[2].

I Martin Lotera

[hanova |hanova ny fango]

Ny fiainany

[hanova |hanova ny fango]

Teôlôjiana anisan' ireo nitarika nyRefôrmasiôna tamin' ny taonjato faha-16 iMartin Lotera. Teraka taoEisleben (ao amin' ny kôntean' iMansfeld, ankehitriny any Saxe-Anhalt) izy tamin' ny 10 Nôvambra 1483. Zanaka lahy voalohan' ingahy Hans Luder sy ramatoa Marguerite Zidler, izay fianakaviana nivelona tamin' ny fitrandrahanavarahina sy fandrendrehanametaly, izy.

Nalefan-drainy handranto fianarana tamin' ny ambaratonga voalohany sy faharoa tao amin' ny sekolin' i Mansfeld izy, avy eo taoMagdeburg sy taoEisenach. Nampitovin' i Lotera tamin' nyafo fandiovana sy nyafobe izany fandefasana azy an-tsekoly izany. Tamin' ny faha-18 taonany izy (taona 1501) dia niditra tao amin' ny oniversiten' iErfurt ka tao no nahazoany ny maripahaizana bakalôrea sy metrizy. Nanana eritreritra ny hianatra lalàna izy nefa nandao ny fianarana. Voasariky nyteôlôjia sy nyfilôzôfia i Lotera. Ny filôzôfia anefa tsy nahafa-po azy, satria mampanantena fanatanterahan-javatra ho an' ny saina fa tsy misy fifandraisany amin' ny fitiavan' Andriamanitra.

Nandao ny oniversite izy ka tapa-kevitra niditra tao amin' ny fikambanan' ny mpirahalahy aogostiniana tao Erfurt izy tamin' ny taona 1505 noho ny tahotra fahafatesana sy ny fitsaran' Andriamanitra taorian' ny filatsahan' ny varatra teo akaikiny sy noho ny nahafatesan' ny namany anankiray.

Tao amin' ny fikambanana mpangataka misy ny Aogostiniana i Martin Lotera no nanandrana nikaroka tsy nisy vokany tamin' ny alalan' ny fampijalian-tena nyfamonjena azy. Nataoôrdinasiôna hopretra izy tamin' ny taona 1507 ary voatendry hampianatra filôzôfia tao amin' ny toeram-pihibohana tao Erfurt. Lasa dokotera amin' ny teôlôjia izy tamin' ny taona 1512.

Ny tsangan-keviny

[hanova |hanova ny fango]

Tamin' ny taona 1517 dia tsy nifanarahana tamin' nypapa ny amin' nyindolzansy i Lotera, izay natao hahazoam-bola hamatsiana ny fanamboarana nybazilika Masindahy Piera. Tamin' ny 31 Ôktôbra dia nanoratra tamin' nyarseveka i Lotera mba nangataka aminy ny tsy hanohana io fivarotana indolzansy io sady nampiarahiny amin' ny taratasiny ireotsangan-kevitra 95 izany. Navoakany ampahibemaso tamin' ny 31 Ôktôbra 1517 ireo tsangan-keviny ireo, izay nofantsihiny tamin' ireo varavaran' ny trano fiangonan' ny Olo-Masina aoWittemberg. Nampangain' i arseveka Albrecht tanyRôma i Lotera.

Nanoratra taratasy nandidy an' i Lotera hivadika amin' ny heviny ny papaLeô X, nefa nodoran' i Lotera teo anatrehan' ny vahoaka izany. Tafasaraka tamin' nyFiangonana katôlika izy tamin' ny taona 1521. Ny emperoran' nyEmpira Masina Rômana Jermanika sady mpanjakan' iEspaina dia nampiantso an' i Martin Lotera hanatrika ny fivoriana taoWorms. Tao am-pivoriana dia nanda ny hiova hevitra i Lotera ka nanambara fa eo ambany fahefan' nyBaiboly sy ny feon' ny fieritreretany izy fa tsy ambanin' ny fahefan' ny mpitondra fivavahana. Nanameloka an' i Lotera ny mpivory ka nandroaka azy hiala ny faritry ny Empira.

Ny foto-pampianarana loterana

[hanova |hanova ny fango]

Ny fahasoavana, ny finoana, ny Soratra Masina ary i Jesosy Kristy

[hanova |hanova ny fango]

Sola Gratia

[hanova |hanova ny fango]

NySola gratia ("Fahasoavana irery ihany") dia fanambaràna midika fa ny olombelona dia tsy voavonjy amin' ny alalan' ny asany, na ara-pitondrantena izany na amin' ny fitiavam-bavaka. Naniry ny hanorina fifandraisana misy fitokisana amin' Andriamanitra i Lotera fa tsy fifandraisana miorina amin' ny fatahorana sy ny fahamelohana intsony. Nyfanasan' ny Tompo (na eokaristia) izay ankalazaina isaky ny fanompoam-pivavahana ahitanatoriteny dia mampahatsiahy ny mpivavaka fa fitiavana amin' izao fotoana izaoAndriamanitra sady azo tsapain-tanana ao amin' ny asa azo tsapain-tanana nataon' nyZanany izay nanolo-tena hamonjena ny olombelona.

Ny asa tsara ataon' ny olona dia tsy mandray anjara amin' nyfanavotana azy fa ny finoana irery ihany (latina:Sola fide "Finoana irery ihany"). Izany finoana izany dia ny finoana ny fahafatesan' iJesosy Kristy mitondra fanavotana teo amin' nyhazofijaliana noho nyfahotan' ny olombelona izay miaiky azy hompamonjy. Ny finoana irery ihany fa tsy ny foto-pampianaram-pinoana na ny asa tsara ataon' ny olombelona no miantoka ny famonjena.

Sola Scriptura

[hanova |hanova ny fango]

NyBaiboly no fahefana fara tampony sady tokana tsy maintsy ankatoavin' ny Kristiana sy ny Fiangonana amin' ny finoany sy ny fiainana maha kristiana azy. Ny Baiboly no mirakitra ny tenin' Andriamanitra ka izy irery ihany no mpanoro lalana ho an' ny finoana sy ny fiainana. Izany no hevitra fonosin' ny teny latina hoeSola scriptura ("Soratra Masina irery ihany").

Solus Christus

[hanova |hanova ny fango]

Ny famonjena nyfanahin' ny olombelona dia tsy maitsy mandalo amin' iKristy mivantana sy amin' ny alalany irery ihany (latina:Solus Christus, "Kristy irery ihany"). I Jesosy Kristy no hanympanelanelana fa tsy ny mpitondra fivavahana na ny olo-masina na nyanjely. NySolus Christus dia manambara koa fa ny famonjena ny fanahin' ny olombelona dia tsy amin' ny alalan' ny fanelanelanan' ny andrim-pivavahana (latina:institutio) na ny sisan-javatra navelan' ny maty (latina:reliquiae).

Ny sakramenta

[hanova |hanova ny fango]

Miisa roa fotsiny nysakramenta ao amin' ireo fiangonana loterana, toy ny hita ao amin' nyfiangonana prôtestanta hafa, dia nybatisa sy nyfanasan' ny Tompo (na Eokaristia). Amin' ny Loterana dia tsy sakramenta nykônfirmasiôna, ny fanamasinam-panambadiana, nyôrdinasiôna ary ireo fanao hafa ataon' ny Katôlika sy ny Ôrtôdôksa hoe sakramenta.

Manatanteraka ny fanaovanabatisa ankizy ny Loterana.

Ny fanasan' ny Tompo

[hanova |hanova ny fango]

Nyfanasan' ny Tompo dia fomba anamasinan' nypastora ny mofo sy ny divay ary isotroana sy ihinanan' ny mpivavaka izany araka ny nandidian' iJesosy Kristy tamin' ny niarahany misakafo farany tamin' ireompianany manao hoe: "Izao no ataovy ho fahatsiarovana ahy".

Ny finoany

[hanova |hanova ny fango]

Ny fanekem-pinoana

[hanova |hanova ny fango]

Anisan' nyfanekem-pinoan' ny Loterana nyFanekem-pinoana apôstôlika sy nyFanekem-pinoana nikeana.

Fanekem-pinoana apôstôlika

[hanova |hanova ny fango]

"Mino an'Andriamanitra RayTsitoha,Mpanao ny lanitra sy ny tany aho; ary mino an’ i Jesosy Kristy,Zanaka lahy Tokana Tompontsika. Izay notorontoronina tamin’ nyFanahy Masina, naterak’ iMariaVirijiny, nijaly raha nanapaka iPontio Pilato, nohomboana tamin’ nyhazofijaliana, maty ka nalevina,nidina tany amin’ ny fiainan-tsi-hita,nitsangana tamin’ ny maty tamin’ ny andro fahatelo,niakatra ho any an-danitra, mipetraka eo ankavanan’ Andriamanitra Ray Tsitoha, avy any no hihavianyhitsara ny velona sy ny maty. Mino ny Fanahy Masina aho, ny Fiangonana Masina manerana izao tontolo izao, ny fiombonan’ nyolona masina, nyfamelan-keloka, nyfitsanganan’ ny tena amin’ ny maty ary nyfiainana mandrakizay.Amena".

Ny fanekem-pinoana nikeana

[hanova |hanova ny fango]

"Izaho mino an’Andriamanitra Tokana,Raytsitoha,Mpanao ny lanitra sy ny tany ary ny zavatra rehetra, na ny hita na ny tsy hita. Izaho mino an’ iJesosy Kristy Tompo Tokana,Zanak’ Andriamanitra Lahitokana; nateraky ny Ray talohan’ ny fotoana rehetra; Andriamanitra avy amin’ Andriamanitra; fahazavana avy amin’ ny fahazavana, Andriamanitra marina avy amin’ Andriamanitra marina; nateraka fa tsy noharina; miraySobstansa (izay maha-Izy Azy) amin’ ny Ray; amin’ ny alalany no nahariana ny zavatra rehetra. Noho isika olombelona sy nyfamonjena antsika no nidinany avy any an-danitra, arytonga nofo notorontoronin’ nyFanahy Masina tao an-kibon’ iMariavirijina ka natao olombelona;nohomboana tamin’ nyhazo fijaliana koa hisolo antsika fony nanapakaPontio Pilato; nijaly ary nalevina; arynitsangana indray tamin’ ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina;niakatra ho any an-danitra; mipetraka eo ankavanan’ ny Ray, ary ho avy indray amim-boninahitrahitsara ny velona sy ny maty, ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany. Izaho mino nyFanahy Masina, Izay Tompo sady Mpamelona; Izayavy amin’ ny Ray sy ny Zanaka; Izay itsaohana sy omem-boninahitra miaraka amin’ ny Ray sy ny Zanaka; Izay niteny tamin’ ny alalan’ nympaminany; sady mino koa ny Fiangonana tokana, masina, apostolika, manerana izao tontolo izao. Izaho manaiky nybatisa iray hofamelan-keloka, ary miandry nyfitsanganan’ ny maty sy nyfiainana mandrakizay.Amena".

Ny amin' ny Trinite

[hanova |hanova ny fango]

Mino sy mampianatra nyTrinite - izay manondro an' Andriamanitra tokana misypersôna telo, dia nyRay sy nyZanaka ary nyFanahy Masina - ny Loterana.

Ny loteranisma maneran-tany

[hanova |hanova ny fango]

Ny tatitra tamin' ny taona 2011 momba ny firehan' nykristianisma dia nanombana ny ampahan' ny mponina maneran-tany manaraka ny loteranisma ho 10 %n' nyPrôtestanta (40 %n' ny Kristiana maneran-tany ny Prôtestanta), izany hoe 4 % amin' ny Kristiana manera-tany.

Ireofirenana skandinaviana (Islandy,Nôrvezy,Danemarka,Soeda), iFinlandy, iEstônia, iAlemaina Avaratra no firenana loterana. ILetônia dia ahitana mpino loterana maro anisa. Noho nyfanjanahan-tany nataon' nyEmpira Alemàna dia firenena tokana ivelan' iEorôpa misy Loterana maro anisa iNamibia.

Amin' ny firenena maro hafa dia ahitana mpino loterana maromaro ihany, toa an' iBrezila, iEtazonia (indrindra ny ao amin' ny faritra Midwest:North Dakota sySouth Dakota), iEtiôpia, iIndônezia, iMadagasikara, iPapoazia-Ginea-Vaovao ary iTanzania. Ahitana mpino vitsy nefa tsy azo tsinontsinoavina ny aoKaokazy (ireo Alemàna monina any), indrindra ny aoJeôrjia. Ahitana Loterana ihany koa ny anyEstônia,Pôlônia,Aotrisy,Slôvakia,Slôvenia,Krôatia,Serbia,Kazakstàna aryTajikistàna. Ahitana Loterana koa ny anyNizerià,Repoblikan' i Afrika Afovoany,Tsady,Kenia,Malaoy,Repoblika Demôkratikan' i Kôngô,Kamerona,Etiôpia aryZimbaboe. Misy Loterana koa ny anyKanadà,Frantsa,Repoblika Tseka,Hôngria,Malezia,India,Nederlandy,Afrika Atsimo, ary nyFanjakana Mitambatra,

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]

Loharano

[hanova |hanova ny fango]
  1. 12Espín, Orlando O. and Nickoloff, James B.An introductory dictionary of theology and religious studies. Collegeville, Minnesota: Liturgical Press, p. 796.
  2. 12Fahlbusch, Erwin, and Bromiley, Geoffrey William,The Encyclopedia of Christianity, Volume 3. Grand Rapids, Michigan: Eerdmans, 2003. p. 362.
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Loteranisma&oldid=1104180"
Sokajy :

[8]ページ先頭

©2009-2026 Movatter.jp