Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Liberià

Avy amin'i Wikipedia
Liberià{{ }}
((mg))
Sainan'i LiberiaFanevan'i Liberia
(Antsipirihany)(Antsipirihany)
Teny ofisialyEnglish
RenivohitraMonrovia
[[|Monrovia]]
Fitondrana sy governemanta
 -
Repoblika
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 103
111 369km²
13.5%
Isam-ponina
 - Tontaliny (2008)
 -hakitroka
faha 130
3 476 608 mpo.
35,5 mpo./km²


Anaran'ny mponina
Sandam-bolaLiberian dollar (LRD)
Faritr'oraUTC +0
Hiram-pirenena"The love of liberty brought us here"
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+231

ILiberià na nyRepoblikan' i Liberià dia firenena aoAfrika Andrefana izay manana morontsiraka ao amin' nyRanomasimbe Atlantika, sady manana velaran-tany mirefy 99 067 km². IMonrovia no renivohiny, miray sisin-tany ao avaratra-andrefana amin' iSiera Leôna, ao avaratra amin' iGinea ary ao atsinanana amin' iKôtidivoara, iAtlantika no mamaritra azy avy avy ao atsimo-atsimo-atsinanana sy andrefana-atsimo-andrefana. Nisy mponina miisa 4 299 944 i Liberià tamin' ny taona 2016. Atao hoeLiberiana ny vahoakan' io firenena io.

Manana morontsiraka mirefy 600 km any ho any ao amin' nyRanomasimbe Atlantika i Liberià. Mifandimby eny amin' ny morontsiraka nytany lemaka misy fambolena sy ny alan-tany orana. Ny any afovoan' ny tany dia anjakan' nylembalemba sy alan-jana-pehintany midadasika.

Ny mponina ao Liberià dia voarafitry ny vondrom-poko roa lehibe, dia ny vahoaka tompon-tany (95 %n' ny mponina) sy ny Amerikanô-Liberiana (taranaky ny andevo nafahana avy anyEtazonia tamin' ny taonjato faha-19).

Manana korian-drano betsaka sy harena an-kibon' ny tany betsaka koa (toy nyvy sy nyvolamena, ary nydiamondra) i Liberià. Niankina tamin' ny fanondranana akora fanodina sy vokatra fototra ny toekaren' i Liberià talohan' ny ady an-trano tamin' ny taona 1988, fa nandritra sy taorian' izay dia nidina ambany dia ambany izany toekarena izany.

Sarin-tanin' i Liberia

I Liberià no firenena nahazo fahaleovan-tena voalohany atyAfrika, tamin' ny taona 1847. Nyfiteny anglisy nofiteny ôfisialiny, nefa misy fiteny afrikana maro izay ampiasain' ny olona andavavandro.

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]

Firenena ao Afrika:

Afrika Atsimo -Alzeria -Angôla -Benino -Borkina Fasô -Borondy -Bôtsoana -Ejipta -Eritrea -Esoatiny (Soazilandy taloha) -Etiôpia -Gabôna -Gambia -Ganà -Ginea -Ginea Bisao -Ginea Ekoatôrialy -Jibotỳ -Kamerona -Kapvera -Kenia -Kômôro -Kôtidivoara -Lezôtô -Liberia -Libia -Madagasikara -Malaoy -Malỳ -Maorisy -Maoritania -Marôka -Môzambika -Namibia -Nizera -Nizeria -Oganda -Repoblika Arabo Saharaoy Demôkratika -Repoblika Demôkratikan' i Kôngô -Repoblikan' i Afrika Afovoany -Repoblikan' i Kôngô -Roanda -Saô Tôme e Prinsipe -Seisely -Senegaly -Siera Leôna -Sodàna -Sodàna Atsimo -Sômalia -Sômalilandy -Tanzania -Tôgô -Tonizia -Tsady -Zambia -Zimbaboe


Kôntinenta eto an-tany

Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Liberià&oldid=1068329"
Sokajy :

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp