Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Libàna

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' i Libàna
Sarin-tanin' i Libàna eo anivon' izao tontolo izao

ILibàna naLibanona dia firenena aoAtsinanana Akaiky anyAzia, ka iBeirut no renivohiny. Ny tanàna lehibe indrindra dia i Beirut. Mirefy 10 452 km2 ny velaran-taniny ary miisa 4 822 000 ny mponina ao aminy araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2008. Ny faritr' oran' i Libàna dia +2.

Sarin-tanin' i Libàna

I Libàna dia voazaran' ny Tangoron-mbohitr' i Libàna ho roa manaraka ny halavany: ny tapany andrefana dia ahitana ny tany lemaka amorontsiraka ao amin' nyRanomasina Mediteranea sy mitodika mankany amin' ny Tontolo Andrefana, fa ny tapany atsinanana kosa, izay ahitana ny tany lemak' i Bekaa, dia mitodika mankanySiria sy any amin' ny Tontolo Atsinanana.

Betsaka tanora sy zaza ny any Libàna: ny iray ampahatelon' ny mponina dia latsaky ny 15 taona. Maro ny karazam-pivavahana misy any Libàna, nefa ny finoanasilamo no tena arahin' ny maro an' isa (60 %), manarakaraka izany nykristianisma (30 %).

Tamin' ny taona 1920 dia nankinin' ny Société des Nations (SDN) tamin' iFrantsa ny fitantanana an' i Libàna. Nisy anefa ny mpitaky ny fahaleovan-tenan' io firenena io ka tamin' ny taona 1941 no nanambaràna izany fahaleovan-tenana izany, nefa tamin' ny taona 1947 vao tafatsangana ny fanjakana libaney.

Tamin' ny taona 1975 dia nipoaka ny ady tany Libàna izay nifanandrenan' ny Kristiana sy ny Miozolmàna, ary tsy nifarana izany raha tsy tamin' ny fandohan' ny taompolo 1980. ISiria no nisahana ny fiahiana an' ilay firenana noho izany.

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]

Firenena ao Azia:

Afganistàna -Arabia Saodita -Armenia -Azerbaijàna -Bangladesy -Bareina -Botàna -Broney -Emirata Arabo Mitambatra -Filipina -Iemena -India -Indônezia -Iràka -Iràna -Israely -Japàna -Jôrdania -Kambôdia -Katara -Kazakstàna -Kirgizistàna -Kôety -Kôrea Atsimo -Kôrea Avaratra -Laôsy -Libàna -Maldiva -Malezia -Mianmara -Môngôlia -Nepaly -Ômàna -Ozbekistàna -Pakistàna -Palestina (fanjakana) -Rosia -Sina -Singaporo -Siria -Srilanka -Tailandy -Taioàna -Tajikistàna -Torkia -Torkmenistàna -Vietnamy.

Kôntinenta eto an-tany

Mbolaambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'nyfanitarana azy.
Jereo koa ny pejyAhoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Libàna&oldid=1051787"
Sokajy :

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp