Nalefa any amin' iAzazela ilay osilahy, nataon' i William James Webb, 1904
NyBokin' ny Levitikosy naBokin' ny Levitika naBokin' ny Fisoronana, dia boky fahatelo ao amin' nyBaiboly jiosy sykristiana, ao amin' nyTorah sy nyTestamenta Taloha, izay miresaka sy mitantara ny amin' ny fanompoam-pivavahan' nyIsraelita nankinina tamin' nyfokom-pirenen' i Levy. Boky mitambatra ao amin' nyPentateoka (boky dimy voalohany ao amin' ny Baiboly) na nyTorah nyLevitikosy izay anisan' ireo atao hoe bokim-pisoronana na bokin' ny mpisorona.
Ao amin' nyTanakh (Baiboly hebreo) dia mandrafitra ny sokajy voalohany atao hoeTôrah nySeferVayikra, fa ao amin' ny Baiboly kristiana kosa dia a nisan' nyPentateoka ny Bokin' ny Levitikosy na Levitika.
Miresaka momba ny karazanafanatitra ny fizaràna voalohany (Lev. 1-7): ny fanatitra dorana, ny fanatitry ny vokatry ny tany, ny fanati-pankasitrahana, ary ny fanatitra noho nyota.
Ity fizaràna ity (Lev. 8-10) dia mitantara ny nanokanana an' iAarôna sy ny zanany ho amin' nyasam-pisoronana, miresaka ny amin' ny fisoronana voalohany nataony, ny nanasaziana an' i Nadaba sy Abiho tamin' ny nanaovany fanatitra tsy ara-dalàna, ary miresaka antsipiriany maro momba ny mpisorona ilay boky.
Miresaka momba nyfahadiovana ny fizaràna fahatelo (Lev. 10-16), dia ny fahadiovan' ny sakafo, ny fahadiovan' ny vehivavy, nyhabokana sy ny aretina hafa mitovitovy aminy, ary ny andro fanadiovana lehibe.