Nylanja isam-bentin-kadiry dia habe ara-pizika izay mamaritra nylanjan' ny zaka iray isaky ny ventin-kadiry. Izany dia mifanohitra amin' nyhadiry isam-bentin-danja.
Nylitera grikaρ (rho) naµ (mu) no evan' io habe fizika io. Ny fampiasana ireo litera ireo dia miankina amin' ny sehatra iasana. Na izany aza, ny Bureau international des poids et mesures (BIPM) dia misafidy ny tokony hampiasana ny ρ.
Ny lanja isam-bentin-kadirin' ny zaka iray dia tsy tokony hafangaro amin' nyhakitrok' io zaka io, ity farany ity dia ny tahan' ny anja isam-bentin-kadirin' ny zaka iray amin' ny an' nyrano (ho an' ny zakamivaingana naranoka) na amin' ny an' nyrivotra (ho an' nyetona). Ny lanja isam-bentin-kadirin' ny rano dia 1 g/sm3 amin' ny maripana 3,98 °C, ny hakitroky ny vainga na ranoka dia aseho amin' ny isa mitovy amin' ny an' ny lanja isam-bentin-kadiriny amin' ny g/sm3 na amin' ny kg/l. Ohatra, mitovy ny filazana fa 0,79 ny hakitroky ny etanôly na 0,79 g/sm3 ny lanja isam-bentin-kadiriny. Izany dia miteraka fampifangaroana matetika eo amin' ny hevitra momba ny lanja isam-bentin-kadiry sy ny hakitroka.