ILa Réunion dianosin' afotroa any amin' ny ilany andrefan' nyRanomasimbe Indiana, ao atsinanan' iAfrika, any amin' nyila-bolantany atsimo, manana velaran-tany mirefy 2512 km2. Sady departemanta izy no faritra frantsay ampitan-dranomasina (frantsay:département et une région d'outre-mer français - DROM), 676km any atsimo-atsinanan' iMadagasikara sy 172km any atsimo-andrefan' iMaorisy, izay tany akaikiny indrindra. Ny renivohiny dia iSaint-Denis. Izy io dia nosin' afotroa noforonin' nyteboka mafana.
Ny tendro Piton des Neiges izay manana haavo 3070 m ambonin' ny ranomasina, no toerana avo indrindra. Manana vohon-tany mideza vokatry nyfikao-tany ilay nosy. Iray amin' ny afotroa mihetsika indrindra eran-tany i Piton de la Fournaise (2632 m) izay any amin' ny ilany atsimo-atsinanan' ilay nosy. Noho ny fanananytoetany trôpikaly misy rivotraAlizay an-dranomasina sy noho ny maha eo amin' ny lalan' ny rivodoza azy dia fonenan' ny karazan-javamananaina miavaka tsy fahita firy i La Réunion.
Nosin'i La Réunion
Mety ho tamin' nyAndro Antenatenany no nahitan' nyArabo an' i La Réunion tamin' ny anarana hoeDina Morgabin ("ilay nosy mandry"), izay tsy nisy mponina raha tsy nanomboka tamin' ny tapaky ny taonjato faha-17, tokony ho 150 taona taorian' ny nipoiran' izy io tao amin' ny sarin-tanin' ny tantsambo pôrtogey. Mandra-pahatongan' izany dia fantatra tamin' ny anarana hoeNosy Mascarin i La Réunion, avy eo nantsoina hoeNosy Bourbon izay lasa fijanonan' nyCompagnie française des Indes orientales izay manaraka nyLalana mankany India (pôrtogey:Carreira da India). Ny toetany trôpikaly dia nitarika ny fivoaran' ny fambolena miompana indrindra amin' ny famokaranasiramamy; Nyandevo avy atsyAfrika Atsinanana dia nohafarana ho mpiasa an-tsaha.Nanomboka tamin' ny taompolo 1710 dia lasa zanatany nanaovana fambolenakafe izy io. Rehafa nanjary orinasa nisahana raharaham-pamblena izy dia lasa teo ambany fifehezan' ny mpanjakan' i Frantsa tamin' ny taompolo 1760 talohan' ny namerenana azy indray hisahana ny indostrian' ny fary tamin' ny faran' nyAdy Napôleôniana nifanesy. Novana tanteraka ho amin' ny anarany ankehitriny izy tamin' ny taona 1848 izay nanafoanana koa nyfanandevozana tao, nosoloina tamin' ny asa an-tsitrapo (frantsay:engagisme) izay tsy nifarana taha tsy tamin' ny taompolo 1930 (nyMalay,Vietnamiana, ny Sinoa ary nyKarana).
Toerana misy an' i La Réunion
Tamin' ny taona 1946 diazanatany intsony izy fa lasa departemanta frantsay, nefa tsy nahazo ny fitovian-jo ara-tsôsialy sy momba ny karama amin' ny mponin' ny departemanta frantsay any Frantsa, nampiharana ny fehezan-didy aman-dalànan' ny departemanta 974 (frantsay:code départemental 974). Ao anarin' ny Faritra Euro (frantsay:zone euro) ilay nosy nefa tsy anisan' ny Erana Schengen (frantsay:espace Schengen). Mbola marefo ny rafi-pamokarana ao aminy. Ambony (eo anelanelan' ny 17% sy 19% nanomboka tamin' ny taona 2020) ny tahan' ny tsy fananana asa ao, anisan' izany ny 39% amin' ny tanora. Nyfizahàntany no sehatra ara-toekarena manan-danja indrindra ao amin' io nosy io ankehitriny. Tombanana ho 19,2 lavitrisa Euro nyharin-karena faobe tamin' ny taona 2021, ary manodidina ny 22400 Euro isan-taona ny salam-pidiram-bola isaky ny mponina isan-taona.
Araka ny filazan' ny Institut national de la statistique et des études économiques dia tombanana ho 885700 ny mponina ao La Réunion tamin' ny volana Janoary 2024, izay mifantoka ao amin' ny morontsiraka misy tanàna lehibe, anisan' izany iSaint-Denis renivohitra.
Efa tamin' ny taonjato faha-17 no nipetrahan' io nosy io, rehefa nanorim-ponenana tao ny olona avy anyFrantsa sy avy atyMadagasikara. Nofoanana ny fanandevozana tamin' ny 20 Desambra 1848 (daty ankalazaina isan-taona ao amin' ilay nosy), rehefa nofoanan' ny Repoblika Faharoa ny fanandevozana tany amin' ny zanatany frantsay. Na izany aza dia mbola nentina tany La Réunion avy any amin' ny tapany atsimo amin' iIndia, ankoatry ny toeran-kafa, ny mpiasa an-tsitrapo. Lasa departemanta ampitan-dranomasina ilay nosy tamin' ny taona 1946.
Tsy dia fantatra loatra ny tantaran' i La Réunion talohan' ny nahatongavan' nyPôrtogey tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-16. NyArabo mpivarotra dia nahafantatra azy io tamin' ny anarana hoeDina Morgabin, izay midika hoe "Nosy Andrefana" (azo inoana fa avy amin' nyteny arabo hoe دنية/دبية مغربي /Daniyah/Dībah Maghribīy). Mety nasehon' iAl Sharif el-Edrisi tamin' ny sarintany ilay nosy nanomboka tamin' ny taona 1153. Mety ho notsidihan' ny tantsambosoahily naaostrôneziana (Indôneziana-Maleziana taloha) koa ilay nosy tamin' ny dian' izy ireo niankandrefana, avy any amin' nyVondronosy Maley ho atyMadagasikara.
Ilay PôrtogeyDiogo Fernandes Pereira, mpizaha tany, tamin' ny taona 1507, no Eorôpeana voalohany nahita an' io faritra io, saingy tsy mazava ny antsipiriany momba izany. Angamba ilay nosy mbola tsy nisy mponina no hita voalohany tamin' ny alalan' ny diabe notarihin' iDom Pedro Mascarenhas, izay nanome ny anarany ho an' ny vondronosy manodidina an' i La Réunion, dia ny vondrononyMaskarena. I La Réunion tenany dia nomena ny anarana hoeSanta Apolónia ho fanomezam-boninahitra ilay olomasina tiany indrindra, izany milaza fa mety ho tamin' ny 9 Febroary, andro fankalazana azy, ny daty nahitan' ny Pôrtogey an ilay nosy. Voalaza fa tonga tany amin' ny nosy La Réunion sy ny nosy Rodrigues iDiogo Lopes de Sequeira tamin' ny taona 1509.
Sarivongan' i Mahé de La Bourdonnais aoSaint-Denis
Tany am-piandohan' ny taompolo 1600 dia namela an' i Santa Apolónia saika ny fitondrana pôrtogey. Nofehezin' iFrantsa avy eo ilay nosy ary avy anyPort Louis, aoMaorisy no nitantanana azy. Na dia nanomboka tamin' ny taona 1638 aza ny filazan' ny Frantsay voalohany ny maha azy an' ilay nosy, tamin' ny fitsidihana nataon' iFrançois Cauche (fr) sy iSalomon Goubert tamin' ny volana Jona 1638 no nitakin' iJacques Pronis avy any Frantsa tamin' ny fomba ôfisialy an' ilay nosy tamin' ny taona 1642, fony izy nanao sesitany mpikomy frantsay am-polony avy etoMadagasikara ho any amin' ilay nosy. Naverina tany Frantsa ireo voaheloka ireo, taona maromaro tatỳ aoriana, ary tamin' ny taona 1649 dia nomena anarana hoeÎle Bourbon ilay nosy ho fanomezam-boninahitra nyTranon' ny Bourbon, tarana-mpanjaka frantsay. Nanomboka tamin' ny taona 1665 ny fanjanahantany, rehefa nandefa ny voanjo voalohany nyCompagnie française des Indes orientales.
Namolavola toekarena miompana amin' ny fambolenakafe sy famokaranasiramamy amin' ny alalan' ny fampiasanaandevo ny Frantsay mpanjanaka. Hatramin' ny taonjato faha-17 ka hatramin' ny taonjato faha-19, ny fanjanahantany frantsay, nampian' ny fanafaranaAfrikana sySinoa aryIndiana ho mpiasa, dia niteraka fahasamihafan' ny foko mamorona ny vahoaka ao La Réunion. Nanomboka tamin' ny taona 1690 dia nandevozina ny ankamaroan' ny tsy Eorôpeana tao amin' ilay nosy. Amin' ny andevo miisa 80000 nohafarana ho any La Réunion syMaorisy teo anelanelan' ny taona 1769 sy 1793, ny 45% dia avy amin' ny mpivarotra andevo ao amin' nySakalava any amin' ny ilany avaratra-andrefan' iMadagasikara, izay nanafika taoAfrika Atsinanana sy taoKômôro mba hangalatra olona hatao andevo; fa ny ambiny kosa dia avy amin' nyArabo mpivarotra andevo izay nividy andevo avy aoMôzambika pôrtogey, izay nandalo teto Madagasikara ary nitondra azy ireo nankany La Réunion.
Tamin'ny 19 Marsa 1793, nandritra nyRevôlisiôna Frantsay, dia novana ho "La Réunion" ny anaran' ilay nosy ho fanomezam-boninahitra ny fiombonan' nyFederés avy anyMarseille sy nyGarde nationale avy anyParis, nandritra ny diabe tao amin' ny Palais des Tuileries tamin' ny 10 Aogositra 1792, ary hamafana ny anaran' ny tarana-mpanjaka Bourbon.
Nolavin' i La Réunion sy Île de France (Maorisy ankehitriny) nyfanafoanana ny fanandevozana nolanian' nyConvention nationale tamin' ny 4 Febroary 1794. Tonga tao amin’ ny nosy Bourbon tamin' ny 18 Jona 1796 ny delegasiôna niaraka amin' ny tafika, izay nirahina mba hanafaka ny andevo, nefa fandroahana avy hatrany tsy nisy indrafo no nahazo azy ireo. Nanaraka izany ny fotoana nisian' ny korontana sy fanoherana ny fahefana avy anyFrantsa, izay tsy nanana fahefana intsony tamin' ireo nosy roa ireo. Ny Konsoly voalohany ao amin' ny Repoblika (frantsay: premier consul de la République),Napoléon Bonaparte, dia nitazona ny fanandevozana tao, izay tsy foana mihitsy, tamin' ny lalàna tamin' ny 20 May 1802. Tamin' ny 26 Septambra 1806 dia nomena anarana hoeÎle Bonaparte ilay nosy ary teo amin' ny laharana voalohany amin' nyAdy Franco-Britanika momba ny fifehezana nyRanomasimbe Indiana.
Taorian' ny loza ara-toetrandro tamin' ny taona 1806-1807 (rivodoza,tondra-drano) dia nihena haingana ny fambolenakafe ary nosoloina fambolenafary, izay nitombo ny tinady tany Frantsa, noho ny famoizan' i Frantsa an' iSaint-Domingue vao haingana sy tsy ela dia ny famoizany koa an' i Île-de-France (Maorisy ankehitriny). Noho ny halavan ny tsingerim-pitomboany dia tsy iharan' ny rivodoza ny fary.
Nandritra ny Ady Napôleôniana dia notafihin' ny tafika britanika ilay nosy ary voatery nilavo lefona ny ny governorany, jeneraly Sainte-Suzanne, tamin' ny 9 Jolay 1810. Lasa ambany fitondran' ny Britanika ilay nosy ary nobodoin' ny Britanika hatramin' ny faran' ny Vanim-potoana Napôleôniana. Naverina indray ny anarana taloha hoe Île Bourbon tamin' ny taona 1810.
Zanatanin' i Bourbon, avy eo La Réunion (1814–1946)
Naverina tamin' ny Frantsay ny nosy Bourbon tamin' ny alalan' ny Fifanarahana tany Paris (frantsay:traité de Paris; anglisy:Treaty of Paris) tamin' ny taoa 1814. Natao an-karihary tao amin' ilay zanatany nyvarotra andevo taorian' ny namerenana ny fitondran' ny Frantsay, ary na dia teo aza ny fanamelohana iraisam-pirenena dia nanafatra andevo 2 000 isam-bolana ny Nosy Bourbon nandritra ny taompoio 1820, ary avy any amin' ny morontsiraka soahily na avy any amin' ny morontsirak' iQuelimane ao Môzambika portogey. Tamin' ny taona 1841, ny fahitan' iEdmond Albius ny fandonahana ny vonin' ny lavanila amin' ny tanana dia nahatonga ilay nosy ho mpamokatra lavanila voalohany eran-tany. Niainga ihany koa ny fambolenazeraniôma, izay ampiasaina betsaka amin' ny fanamboaranaranomanitra. Nanomboka tamin' ny taona 1838 ka hatramin' ny taona 1841, ny KôntramiralyAnne Chrétien Louis de Hell no governoran' ilay nosy. Nisy ny fiovana lalina teo amin' ny fiarahamonina sy ny toe-tsaina izay nifandray amin' ny zava-nitranga tao anatin' ny folo taona farany izay nahatonga ny governora hanolotra tetikasa telo famotsorana teo anatrehan' ny Filankevitra momba ny Fanjanahantany (frantsay:Conseil colonial).
Famoahan' i Sarda Garriga ny didy fanafoanana ny fanandevozana tao amin' ny nosy La Réunion tamin' ny 20 Ôktôbra 1848.
Tamin' ny 9 Jona 1848, taorian' ny nahatongavan' ny vaovao momba nyRevôlisiôna Frantsay tamin' ny taona 1848 avy any Eorôpa, ny governoraJoseph Graëb dia nanambara ny fanambarana ny Repoblika Frantsay taoSaint-Denis, ary tamin' io andro io ihany dia nomena anarana hoe "La Réunion" ilay nosy, anarana efa azony teo anelanelan' ny taona 1793 sy 1806. Nangatsiaka sy feno ahiahy fandraisan' ny plantôkrasia ny fananganana an' ilay Repoblika noho ny pôlitikam-panafoanana fanandevozana nambaran' ny fahefana repoblikana vaovao taoParis. Tamin' ny 18 Ôktôbra 1848, nyCommissaire de la République vaovao,Joseph Napoléon Sébastien Sarda Garriga, izay nalefa avy any Paris hisolo an' i Graëb, dia nanambara tao Saint-Denis ny fanafoanana ny fanandevozana ao La Réunion, manomboka amin' ny 20 Desambra 1848 (ny 20 Desambra dia andro tsy fiasana ôfisialy any La Réunion nanomboka teo). ILouis Henri Hubert Delisle no governora kreôly voalohany tamin' ny 8 Aogositra 1852, ary nijanona teo amin' io toerana io hatramin' ny 8 Janoary 1858.
Taorian' ny fanafoanana ny fanandevozana dia mpiasa vahiny maro no tonga mba ho mpiasa an-tsitrapo manao fanekena. Ny fanandevozana dia nosoloina amin' ny asa misy fifanekena, fantatra amin' ny anarana hoeengagés, izay naharitra nanomboka tamin' ny 1848 ka hatramin' ny 1864. Raha ny marina dia nisy nyvarotra andevo tsy ara-dalàna, nahazoana andevo avy anyMôzambika pôrtogaly sy avy anyZanzibar, izay naondrana an-tsokosoko tany La Réunion nandalo tao amin' ny fivarotana andevo taoKômôro. Nantsoina tamin' ny fomba ôfisialy hoeengagés izy ireo mba hialana amin' ny fanakanana ataon' ny Britanika izay manohitra ny fanandevozana atyAfrika.
Nampihen-danja an' ilay nosy amin' ny maha fijanonana vonjimaika azy eo amin' ny lalam-barotra mankany India Atsinanana ny fanokafana nyLakandranon' i Suez tamin' ny taona 1869, ary niteraka fiovana teo amin' ny fifamoivoizana ara-barotra izay nanalavitra an' ilay nosy izany. Nitodika tsikelikely amin' nybetiravy fanaovan-tsiramamy iEorôpa mba hamaliany ny filanysiramamy. Na dia teo aza ny pôlitikam-pampandrosoana nataon' ny manam-pahefana eo an-toerana sy ny fikatsahana marimaritra iraisana, dia niharihary ny krizy ara-toekarena nanomboka tamin' ny taompolo 1870. Tsy nahasakana ny fanovana an' ilay nosy ho môderina anefa izany fitontongan' ny toekarena izany, tamin' ny fampandrosoana ny tambazotran-dalana sy ny fanamboarana lalamby ary ny fanamboarana ny seranan-tsambo ao Pointe des Galets. Nanome safidy azo raisina ho an' ny mpiasa amin' ny fambolena ireo tetikasa fanorenana lehibe ireo.
Nandritra nyAdy Lehibe Faharoa, dia teo ambany fifehezan' iFrantsan' i Vichy ny nosy La Réunion hatramin' ny 30 Nôvambra 1942, daty nidin' ny tafik' iFrance libre avy tao amin' ny sambo mpiadyLéopard sy nanafahany ny zanatany.
Lasadépartement d'outre-mer (departemanta ampitan-dranomasina) anyFrantsa i La Réunion tamin' ny 19 Marsa 1946. Nomen' ny Institut national de la statistique et des études économiques (INSEE) an' i La Réunion ny kaodin-departemanta 974 sy ny kaodim-paritra 04 rehefa niforona ny filan-kevitry ny faritra tamin' ny taona 1982 tany Frantsa, anisan' izany ny departemanta any ivelany izay lasarégion d'outre-mer (faritra ampitan-dranomasina) koa.
Tao anatin' ny roapolo taona teo ho eo tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-20 (1963–1982) dia ankizy 1630 avy ao La Réunion no nafindra tany amin' ny faritra ambanivohitr' i Frantsa, indrindra tany Creuse, mba hahafahany mahazo fanabeazana sy asa. Nitarika izany fandaharana izany ny mpanao pôlitika gaullista Michel Debré, izay solombavam-bahoaka tao La Réunion tamin' izany fotoana izany. Maro tamin' ireo ankizy ireo no nampijalina na nailiky ny fianakaviana nipetrahany. Fantatra amin' ny anarana hoe "Ankizin' i Creuse" (frantsay:Enfants de la Creuse) izy ireo ka dia niseho ny zavatra nanjo azy ireo tamin' ny taona 2002 rehefa nametraka fitoriana tamin' ny fanjakana frantsay noho ny fakana an-keriny sy fandroahana zaza tsy ampy taona ny iray amin' izy ireo, i Jean-Jacques Martial. Nisy fitoriana hafa mitovy amin' izany koa napetraka nandritra ny taona vitsivitsy nanaraka, saingy nolavin' ny fitsarana frantsay avokoa izy rehetra, sy ny Fitsarana Eorôpeana momba ny Zon' Olombelona (anglisy:European Court of Human Rights; frantsay:Cour européenne des droits de l'homme) tamin' ny taona 2011.
Tamin' ny taona 2005 sy 2006 dia voan' ny areti-mifindra mandringatsikongonià, aretina afindran' ny moka, ny mponina tao La Réunion. Araka ny filazan' nyBBC News dia olona 255000 ao La Réunion no voan' io aretina io hatramin' ny 26 Avrily 2006. Nidiran' ilay areti-mifindra tamin' io taona io ihany koa ny nosy manodidina, iMaorisy sy iMadagasikara. Tranga vitsivitsy ihany koa no niseho tanyFrantsa, nentin' ny olona nandeha fiaramanidina. Nandefa fanampiana vonjy maika mitentina 36 tapitrisa Euro ny governemanta frantsaibn' iDominique de Villepin ary nandefa miaramila 500 teo ho eo mba hamongorana ny moka tao amin' ilay nosy.