ILôndôna dia tanàna, renivohitr' iAngletera sy nyFanjakana Mitambatra, ao amin' ny tapany atsimo-atsinanan' ny Fanjakana Mitambatra sady tanàna ngeza indrindra any amin' ny Fanjakana Mitambatra. Nandritry ny taonjato maro dia izy no renivohitry nyEmpira Britanika, empira ngeza indrindra nisy teto an-tany. Efa roa arivo taona mahery io tanàna io no noforonin' ny Rômana. Raha ny isan' ny mponina no heverina dia efa betsaka ny tanàna lehibe ngeza noho izy. Amin' ny maha ivo ara-pôlitika azy dia renivohitry nyCommonwealth ny tanànan' i Lôndôna, hery ara-toekarena lehibe izy, noho ny maha ivontoerana ara-bola voalohany azy.
I Lôndôna Lehibe (Greater London) dia misy mponina miisa 7 51 400, ny mponina ao Lôndôna dia atao hoe Lôndônianina. Ilay tanàn-dehibe manotolo dia misy mponina 8 278 251. Araka ny fepetra isan-karazany dia mety eo anelanelan' ny 12 sy 14 tapitrisa any ho any isan' ny mponina iharan' ny fomba fiainana ao Lôndôna. AnyEorôpa dia iMôskva (anyRosia), iParis (anyFrantsa) syIstanbul (anyTorkia) ihany no manana lanja ara-demôgrafia mitovy aminy.
Ny tanànan' i Lôndôna dia mihetsiketsika ary manana ny maha izy azy amin' ny lafinykolontsaina. Manana anjara lehibe izy amin' ny taozavatra sy ny lamaody. Tanàna bempizaha tany koa izy. 27 tapitrisa ny isan' ny mpizaha tany mandalo ao isan-taona, ary misy toerana efatra voasokajy ao anatin' ny haren-tsaina maneran-tany sady misy fanorenana mijoalajoala maromaro malaza eran-tany, toy ny Palace of Westminster, ny Tower Bridge, ny Tower of London, ny Westminster Abbey, ny Buckingham Palace, ny British Museum, ny National Gallery.
Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'nyfanitarana azy. Jereo koa ny pejyAhoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.