Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Kristianisma tamin' ny taonjato voalohany

Avy amin'i Wikipedia
I Jesosy nanasa ny tongotr' i Petera, sary hosodoko nataon' i Ford Madox Brown (1852–1856), Tate Britain, Londres

Nykristianisma tamin' ny taonjato voalohany dia mahafaoka nytantaran' ny kristianisma manomboka amin' ny fiandohan' ny asa fitorian' iJesoa naJesosy (tokony tamin' ny taona 27–29 taor. J.K.) ka hatramin' ny nahafatesan' ny farany tamin' nyApôstôly roa ambin' ny folo (tokony tamin' ny taona 100 taor. J.K.) ary noho izany dia fantatra amin' ny anarana hoeAndro Apôstôlika naVanim-potoana Apôstôlika koa io vanim-potoana io.

Nykristianisma tany am-boalohany dia nipoitra avy amin' ny asa fitorian' i Jesoa momba nyandro farany. Taorian' ny nahafatesan' i Jesoa, ny mpanara-dia azy voalohany indrindra dia nanangana sekta jiosy apôkaliptika mesianika nandritra nyvanimpotoan' ny Tempoly Faharoa tamin' ny taonjato voalohany. Raha tamin' ny voalohany izy ireo nino fa nyfitsanganan' i Jesoa tamin' ny maty no fiandohan' nyandro farany, tsy ela dia niova ny finoan' izy ireo momba ny fiandrasana nyfiavian' i Jesoa fanindroany sy ny fiantombohan' nyFanjakan' Andriamanitra amin' ny fotoana manaraka.

IPaoly Apôstôly, izayJiosyFariseo (na Jody Farisianina) nanenjika nyKristiana jiosy voalohany, dia niova fo manodidina ny taona 33–36 taor. J.K. ary nanomboka nitory teny tamin' nyJentilisa (na Jentily). Araka ny voalazan' i Paoly, ny Jentilisa niova fo dia azo avela tsy hanaraka nylalàna jiosy (Mitzva), amin' ny filazany fa hamarinina amin' ny finoana an' i Jesoa ny olona rehetra. Anisan' ny nampisaraka tsikelikely ny kristianisma tany am-boalohany sy nyjodaisma izany, satria nanjary fivavahana miavaka nykristianisma, izay nandrayJentilisa ao aminy sady maro anisa.

Nisy fiangonana voalohany ny taoJerosalema, Kristiana izay notarihin' iJakôba ilay Marina sy iPetera (na Piera) ary iJoany Apôstôly (na Jaona Apôstôly). Araka nyAsan' ny Apôstôly (Asa 11:26) dia tanyAntiôkia (na Antiôka) no niantsoana voalohany ny mpanara-dia azy hoe "Kristiana". Maty maritiora tanyRôma, renivohitry nyEmpira Rômana, i Petera tatỳ aoriana. Nanohy nampiely ny hafatry ny Filazantsara (na Evanjely) nanerana ny tontolo grika-rômana ny apôstôly ary nanorina ny fari-piadidian'eveka notantanan' ny apôstôly manodidina ireo ivontoeran' ny kristianisma tany am-boalohany. Ny apôstôly maty farany dia iJoany (na Jaona) tokony tamin' ny taona 100 taor. J.K.

Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Kristianisma_tamin%27_ny_taonjato_voalohany&oldid=1091551"

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp