Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Aller au contenu
Wikipedia
Tadiavo

Kristianina

Avy amin'i Wikipedia

NyKristiana naKristianina dia olona manaraka ny fampianarana sy ny fomba araka ny voalazan' nyBaiboly indrindra fa ireoFilazantsara na Evanjely, izay milazalaza momba ny fiainanan' iJesoa Kristy sy ny fanarahana azy. Ho an' ny Fiangonana kristiana maro dia anisan' ny maha Kristiana ny finoana an' i Jesoa Kristy hoAndriamanitra. Nympamari-toetra hoekristiana nakristianina dia ilazana ny zavatra momba ny fivavahana kristiana, toy ny fiangonana sy nyteôlôjia sy ny finoana sns.

Fiforonan-teny

[hanova |hanova ny fango]

Ny teny hoekristiana nakristianina dia avy amin' nyteny latina hoeChristianus na nyteny grika hoeΧριστιανός /Khristianos izay manondro an' ireo mpanaraka ny fampianaran' i Kristy. Ny teny hoeKristy indray dia avy amin' ny teny latina hoeChristus na grika hoeΧριστός /Khristos izay fandikana nyteny hebreo hoeמָשִׁיחַ / Mashiah (nogasina ao amin' nyBaiboly malagasy hoeMesia) izay midika hoe "voahosotra", izany hoe "voahosotr' Andriamanitra". Ara-bakiteny, ny Kristiana dia ireo "mpanaraka ny fampianaran' ilay Voahosotr' Andriamanitra".

Ny teny hebreo anondroana ny Kristiana dia נוצרים /Notzrim izay enti-milaza olona avy anyNazareta (hebreo: נָצְרַת / Natzrat) na mpomba an' ilay avy anyNatzrat. Amin' nyJiosy izany, ny Kristiana dia ireo olona manaraka an' ilay avy any Nazareta, fa tsy ireo mpanaraka an' ilay Voahosotra, satria aminy dia tsy i Jesoa noMesia (Mashiah) na Kristy (Khristos).

Finoan' ny Kristiana

[hanova |hanova ny fango]

Ny Kristiana dia manantena ny fanafahana vokatry ny fampianaran' i Jesoa Kristy, mino ny fahafatesany teny amin' nyhazo fijaliana (lakroa) sy nyfitsanganany amin' ny maty. Mino koa ny Kristiana fa i Jesoa no Mesia nampanantenaina hatry ny elabe ao amin' nyBaiboly hebreo (nyTestamenta Taloha) sadyZanak' Andriamanitra nirahin' nyRainy hamonjy ny olombelona. Ny ankamaroan' ny Kristiana dia mino ny amin' nyTrinite, Andriamanitra Telo Izay Iray.

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Kristianina&oldid=1053262"

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp