Teo anelanelan'ny taona 1200 sy 67 tal. J.K. dia nanaraka ny fandaminana ara-piarahamonina doriana i Kreta ka nandray ny kolontsaina grika. Nanomboka tamin'ny taona 67 tal. J.K. ka hatramin'ny taona 395 taor. J.K. dia lasa ao amin'ny tanin'nyEmpira romana i Kreta ka i Gortina (grika: ) no lasa renivohiny sy an'ny faritany mahafaoka an'i Kirenaia na Kirenaika (grika:Κυρηναία /Kurênaía) koa. Teo anelanelan'ny taona 395 sy 824 taor. J.K. dia niaraka tamin'nyEmpira romana any Atsinanana (atao hoeEmpira bizantina) i Kreta.