NyKor'any diaboky masin' nysilamo izay inoan' ny Mozilmana fa fanangonana ny tenin' iAllah (Andriamanitra) izayfanambaràna (āyāt) ara-bakiteny nambarany tamin' iMohamady (arabo: محمد /Muḥammad) izay inoan' ny Mozilmana fampaminany farany sady irak' Andriamanitra, tamin' ny alalan' ny anjelyGabriela (جبريل /Jibrîl) nanomboka tamin' ny taona 610-612 hatramin' ny fotoana nahafatesany tamin' ny taona 632. Amin' nyteny arabo dia القُرْآن /al-Qurʾān no anaran' ilay boky. Asasoratra tamin' ny faramparan' nyAndro Taloha, tamin' ny taonjato faha-7, ny Kor'any izay boky voalohany sy tranainy indrindra fantatra amin' nyteny arabo hatramin' izao.
Nydôgma nifandovàna eo amin' ny fivavahana silamo dia manao an' io boky io ho asasoratra voalohany amin' ny "teny arabo mazava", sady manana toetra "tsy hay alain-tahaka" eo amin' ny hakanton' ny firafetany sy amin' ny foto-pitsipikamôraly syetika voiziny.
Ny Kor'any dia antsoina indraindray hoeal-kitāb ("ny Boky"),adh-dhikr ("ny fampahatsiahivana") na koaal-furqān ("ny fahaiza-manavaka"). Ho an' ny Mozilmana sonita dia fanehoana anaran-toetr' Andriamanitra, tsy noforonina, natao ho an' ny olombelona rehetra ny Kor'any.
Ny lovam-pampianarana silamo dia mihevitra fa ny lahatsoratra kanônikan' ny Kor'any dia vita tany amin' ny andron' nykalifa fahatelo,Othmān. Izany fiheverana izany anefa dia mbola foto-pikarohana sy adihevitra eo amin' ny mpahay tantara amin' izao taonjato faha-21 izao. Amin' ireto mpahay tantara ireto, ny Kor'any dia lahatsoratra samihafa natambatra na nampandrin' ny mpanoratra samihafa an-tsoratra, noraiketina tamin' ireo taona farany tamin' ny taonjato faha-7, teo ambany fitondran' nykalifaômeiada Abd al-Malik (taona 685-705), izay tena mpandrindra an' ilay empira ary nanao ny finoana silamo hofivavahana ôfisialy[1]. Ity lahatsoratra ity dia mampivondrona singa avy amin' ny toritenin' iMohamady, ary koa lahatsoratra manam-piavianakristiana napagàna mihitsy aza. Noho izany, ny Kor'any dia mpandova loharanom-pahalalana maro natambatry ny vondrona mpino voalohany izay nihevitra ny tenany fa mifanaraka amin' ny fampianaran' i Mohamady. Miteraka adihevitra eo amin' ny mpahay tantara ny daty nandraiketana ny rijantenin' ny Kor'any. Mitsinjara hoe toko nasoràta miisa 114 ny Kor'any.
Ny Kor'any dia voasoratra amin' nyfiteny arabo, tenin-drazan' ilay mpaminany nitondra azy. Ny Kor'any amin' ny fiteny arabo hatramin' izao no eken' ny mpino silamo hoboky masina. Ny fiteny arabo diafiteny semitika tenenina ao avaratr' iAfrika sy anyAzia Andrefana. Raha atambatra ny olona miteny arabo eo amin' ny firenena rehetra izay lazaina fa miteny arabo ôfisialy, dia eo amin' ny 240 tapitrisa eo ho eo. Noho ny fielezan' ny fiteny arabo dia samihafa ny fiteny an-tsoratra sy ny fiteny tenenina am-bava. Ao amin' ny fiteny an-tsoratra dia ahitana nyfiteny arabo klasika, sy nyfiteny arabo soratana ankehitriny.
Raha ny resaka original no resahina amin’ ny boky manan-kaja Kor’any dia tena original tokoa ny boky manan-kaja Kor’any. Ao ny feo izay mampita amin' ny taranaka mifandimby hatramintsika ankehitriny. Ary tsy tapaka amin’ ny famerenana izany mandritra nysoalat sytaraweeh isaky ny volanaRamadany ireny. Ny soratra dia mbola amin’ nyteny arabo izay fitenin-drazan’ ny mpaminanyMohamady. Ny fitenin' ny boky manan-kaja Kor’any dia tena fampiasan' nyArabo mandraka ankehitriny fa tsy mbafiteny maty velively izay tsy hain’ ny olona afa tsy olom-bitsy. Ao koa ny boky izay mbola dian-tanan’ ireo voalohany izay nanoratra azy izay hitantsika ankehitriny.
Araka ny fampianaran' nyMozilmana, ny Kor'any dia mbola tsy niharan' ny fanovana. Na ny fomba famakiana azy na ny fomba fanazavana azy na ny fomba fampiharana azy dia mbola hita mazava tsara sasy voatahiry amin' ny alalan' ny boky mirakitra ny tenin' ilaympaminany nitondra azy, izay atao hoeHadith Sahih.
Ny Kor'any dia manana fomba famakiana azy miisa fito. Vakina amin' ny feo manaitra sy lalim-paka mba haharesy lahatra sahady na dia tsy fantatra aza ny zavatra teneniny. Voasariky ny feo miditra sy mamakivaky ny fanahy ny mpihaino ka mirotsaka amin' ny fomba mahagaga ny ranomasony.
Ahitana ny lafin' ny fiainana rehetra ny ao anatiny: na ara-piarahamonina, na ara-pivavahana, na ara-pitondrana, na ara-piarovana izany, dia voalahadahatra ao anatiny. Ny Kor'any dia boky manambara ny zavatra ho avy sy efa lasa. Boky manambara ny zavatra hiseho ao anatin' ny fasana sy ny zavatra hiseho amin' nyandron' ny fitsarana koa izy. Ny Kor'any dia boky manambarana ny tsiambaratelon' izao tontolo izao. Na nyfiandohan' izao tontolo izao izany na nyfiafarany na ny fizotrany ankehitriny dia tsy misy na dia iray aza nafeniny.
Ny votoatin' ny Kor'any dia mahakasika ny finoana fototra ao amin' nysilamo, ao anatin' izany ny fisian'Andriamanitra sy nyfitsanganana amin' ny maty. Hita ao amin' ny Kor'any ihany koa ny fitantaran' nympaminany maro tany aloha, ny lohahevitra momba nymôraly sy momba nylalàna, ny zava-nitranga ara-tantara tamin' ny andron' iMohamady, ny fiantrana sy nyvavaka.
Ny andininy (ayat) ao amin' ny Kor'any dia mirakitra famporisihana ankapobeny momba nytsara sy nyratsy ary ny zava-nitranga ara-tantara dia momba ny fitondran-tena ankapobeny. Ny andininy mifandraika amin' ny zava-miseho voajanahary dia nadikan' ny Mozilmana ho famantarana ny maha-azo itokiana ny hafatry ny Kor'any[2]. Ny fomba nanoratana ny Kor'any dia nantsoina hoe "miresaka ankolaka", miaraka amin' ny heviteny ilaina mba hanazavana izay tiana hambara - resahina ny zava-nitranga fa tsy tantaraina; iadian-kevitra tsy misy fanazavana ny tsy fitovian-kevitra; ny olona sy ny toerana dia resahina nefa zara raha omena ny anarany[3].
Ny lohahevitra foibe ao amin' ny Kor'any dia nymônôteisma. Andriamanitra dia aseho ho velona, mandrakizay,mahalala ny zava-drehetra arymahery indrindra (jereo, ohatra, Kor'any 2:20, 2:29, 2:255). Ambonin' ny zavatra rehetra ny herin' Andriamanitra ao amin' nyfamoronana. Izy no namorona ny zava-drehetra, nylanitra sy nytany ary izay eo anelanelany (jereo, ohatra, ny Kor'any 13:16, 2:253, 50:38, sns.). Mitovy avokoa ny olombelona rehetra eo amin’ ny fiankinany tanteraka amin’ Andriamanitra, ary ny hahasoa azy dia miankina amin’ ny fanekeny an' izany zava-misy izany sy ny fiainany mifanaraka amin’ izany[4][2].
Ny Kor'any dia mampiasa fanohanan-kevitra momba nykôsmôlôjia amin' ny andininy isan-karazany nefa tsy mampiasa ireo teny ireo hanaporofoana nyfisian' Andriamanitra. Noho izany,izao rehetra izao dia nanam-piandohana ary milampamorona, ary izay rehetra misy dia tsy maintsy manana antony ampy hampisy azy. Ankoatra izany, ny famolavolana izao rehetra izao dia matetika lohahevitra ho saintsainina: "Izy no nahary ny lanitra fito mirindra. Tsy mahita hadisoana amin' ny zavatra noforonin' Andriamanitra ianao, ka jereo indray hoe: mahita kilema va ianao ?" (Kor'any 67:3)[5].
Nyfoto-pampianarana momba nyandro farany sy nyeskatôlôjia (ny fiafaran' izao rehetra izao) dia azo heverina ho foto-pampianarana lehibe faharoa ao amin' ny Kor'any[4]. Tombanana ho eo amin' ny ampahatelon' ny Kor'any dia momba ny eskatôlôjia, miresaka momba ny fiainana any ankoatra any amin' ny tontolo ho avy sy ny andro fitsarana amin' nyandro farany[6]. Misy resaka momba ny fiainana any an-koatra ao amin' ny ankamaroan' ny takelaka ao amin' ny Kor'any ary ny finoana ny any ankoatra dia matetika lazaina miaraka amin' ny finoana an' Andriamanitra toy ny ao amin' ny fitenenana mahazatra hoe: "Minoa an' Andriamanitra sy ny andro farany."[7] Misy soràta maromaro toy ny 44, 56, 75, 78, 81 ary 101 izay mifandray mivantana amin' ny fiainana any ankoatra sy ny fanomanana azy. Ny soràta sasany dia manondro ny maha akaiky ny fitrangan' izany ary mampitandrina ny olona mba hiomana amin' ny andro izay efa antomotra. Ohatra, ny andininy voalohany amin’ ny Sotata 22, izay miresaka momba ny horohoron-tany mahery vaika sy ny toe-javatra hisy ny olona amin’ izany andro izany, dia maneho izao fomba tenin' Andriamanitra izao: "Ry vahoaka, manajà ny Tomponareo fa ny horohorontany amin' ilay Ora dia zavatra tsy hay tohaina[8]."
Matetika ny Kor'any dia mazava tsara amin' ny fanehoana ny zavatra hitranga amin' ny andro farany. I Watt dia manoritsoritra ny fomba fijerin' ny Kor'any momba ny andro farany[4]:
Ny fara tampon’ ny tantara, rehefa hifarana ity izao tontolo izao ankehitriny ity, dia resahina amin’ ny fomba samihafa. Io no "andro fitsarana", "andro farany", "andro fitsanganana amin' ny maty", na "ny Ora" tsotra fotsiny. Tsy dia matetika loatra ny hoe "andron' ny fanavahana" (rehefa tafasaraka amin' nyratsy nytsara), "andro fanangonana" (ny olona ho eo anatrehan' Andriamanitra) na "andron' ny fihaonana" (ny olona amin' Andriamanitra). Tonga tampoka ny Ora. Ambara amin' ny alalan' ny horakoraka, na amin' ny kotrokorana, na amin' ny fitsofana trompetra izany. Misy korontana kôsmika avy eo. Miempo ho vovoka ny tendrombohitra, misamboaravoara ny ranomasina, mihamaizina ny masoandro, miraraka ny kintana ary mihorona ny lanitra. Andriamanitra dia miseho ho Mpitsara, fa ny fanatrehany kosa dia asian-teny fa tsy voasoritsoritra. Ny tena zava-dehibe, mazava ho azy, dia ny fanangonana ny olombelona rehetra eo anatrehan’ ny Mpitsara. Ny olombelona amin' ny sokajin-taona rehetra, izay naverina ho amin' ny fiainana, dia manatevina ny vahoaka. Ho an’ ny fanoheran’ ny tsy mpino izay milaza fa ny taranaka teo aloha dia efa maty hatry ny ela ary efa vovoka sy taolam-paty izao, ny valiny dia hoe afaka mamerina azy ireo amin’ ny fiainana Andriamanitra[9].
Ny Kor'any dia tsy milaza nytsy feteza-maty voajanahary ananan' nyfanahin' ny olombelona, satria miankina amin' ny sitrapon' Andriamanitra ny fisian' ny olona: rehefa sitrapony dia ataony ho faty ny olona; ary rehefa sitrapony, dia hatsangany amin’ ny fitsanganan' ny tena amin' ny maty izy[10].
Araka ny voalazan' ny Kor'any dia nifandray tamin' ny olombelona Andriamanitra ary nampahafantatra ny sitrapony tamin' ny alalan' ny famantarana syfanambaràna. Nahazo fanambaràna sy nanolotra izany ho an' ny olombelona nympaminany na "Irak' Andriamanitra". Mitovy ny hafatra ary ho an' ny olombelona rehetra. "Tsy misy zavatra izay nolazaina aminao izay tsy voalaza tamin' ny iraka talohanao, fa ao amin' ny Tomponao ny famelan-keloka sy famaizana mafy indrindra." (Kor'any 41:43).
Tsy mivantana avy amin’ Andriamanitra mankamin' ny mpaminany ny fanambaràna.Anjely miasa amin' ny maha irak' Andriamanitra azy no mampita ny fanambaràn' Andriamanitra amin’ izy ireo. Izany voalaza ao amin’ ny Kor'any 42:51, izay manao hoe: "Tsy ho an' ny mety maty rehetra ny hitenenan' Andriamanitra amin' izy ireo, afa-tsy amin' ny alalan’ ny fanambaràna, na avy ao ambadiky ny fisalobonana, na amin’ ny alalan’ ny fandefasana iraka hanambara amin’ ny alalany na inona na inona tiany hatao"[10].
Nyfinoana dia endrika fototra eo amin' nymôraly (fitondran-tena) ampianarin' ny Kor'any, ary ny manam-pahaizana dia nanandrana namaritra ny votoatin-kevitry ny hoe "finoana" sy ny hoe "mpino" izay resahina ao amin' ny Kor'any[11]. Ny lohahevitra sy ny fananarana momba nyetika ara-pivavahana momba ny fitondran-tena marina dia mifamatotra amin' ny fahatsapana lalina an' Andriamanitra, ka manantitrantitra ny maha zava-dehibe ny fitokiana sy ny fandraisana andraikitra ary ny finoana ny fihaonan' ny olombelona tsirairay amin' Andriamanitra. Asaina ny olona hanao asa soa, indrindra ho an' ireo sahirana. Ny mpino izay "mandany ny fananany na alina na andro, na mangingina na ampahibemaso" dia ampanantenaina fa "dia hahazo ny valim-pitia eo anatrehan’ ny Tompony izy, ka tsy hanan-tahotra na alahelo izy ireo" (Kor'any 2:27).
Manamafy ny fiainam-pianakaviana koa ny Kor'any amin’ ny alalan’ ny fanaovana lalàna momba nyfanambadiana, ny fisaraham-panambadiana ary ny lova. Voarara ny fanao maro toy ny fanjanaham-bola sy ny filokana. Anisan' ny loharano fototry ny lalàna silamo (Sharia) ny Kor'any. Ny fanao ara-pivavahana sasany dia zava-dehibe ao amin' ny Kor'any, anisan' izany ny vavaka tsy maintsy atao ara-dalàna (salat) sy nyfifadian-kanina amin' ny volanaRamadany. Raha mikasika ny fomba fitondrana ny vavaka, ny Kor'any dia manondro ny fiankohofana[12][10]. Ny teny ilazana ny fiantrana, atao hoezakat, dia midika ara-bakiteny hoe "fanadiovana". Ny fiantrana, araka ny voalazan' ny Kor'any, dia fomba atao ho fanadiovan-tena (Kor'any 9:103)[13].
Ilay astrôfizisiana Nidhal Guessoum (Aljeriana), izay mpanakiana mafy ny filazana siantifika sandoka momba ny Kor'any, dia nanasongadina ny famporisihana amin' ny siansa izay omen' ny Kor'any amin' ny fampivelarana ny "atao hoe fahalalana". Manoratra izy hoe[14]:
Ny Kor'any dia misarika ny saina ho amin' ny loza ateraky ny fanombantombanana tsy misy porofo ("Ary aza manaraka izay tsy anananareo fahalalana (azo antoka) momba ny..." 17:36) ary amin' ny andininy maro samihafa dia angatahiny ny Mozilmana mba hitaky porofo ("Lazao hoe: porofoy raha marina ny anao" 2:111), na eo amin' ny resaka finoana ara-teôlôjia na amin' ny siansan' ny zavaboary[15].
Ny filôzôfa palestiniana amerikana Ismail al-Faruqi sy ny manam-pahaizana mozilmanairakiana Taha Jabir Alalwani dia mihevitra fa ny famohazana rehetra amin' ny sivilizasiôna mozilmana dia tsy maintsy manomboka amin' ny Kor'any; na izany aza, ny sakana lehibe indrindra amin' io lalana io dia ny "lova tranainy nandritry ny taonjato maro avy amin' nytafsir ("famakafakana") sy ny taranja klasika hafa" izay manakana ny fiheverana anjiaby sy epidemiôlôjika ary sistematikana" momba ny hafatry ny Kor'any. Ilay filôzôfa mozilmanaindiana Muhammad Iqbal dia nihevitra ny metôdôlôjia sy ny epistemôlôjian' ny Kor'any ho ara-panandramana sy vosaina[16].
Ilay manam-pahaizana mozilmanaafgànistaney Mohammad Hashim Kamali dia nanambara fa "ny fandinihana ara-tsiansa, ny fahalalana azo avy amin' ny fanandranamana sy ny fitsipiky ny saina" no fitaovana voalohany ahafahan' ny zanak' olombelona manatratra ny tanjona napetraka ho azy ao amin' ny Kor'any[17]. Ny manam-pahaizana britanika pakistaney Ziauddin Sardar dia niaro ny Mozilmana izay namolavola ny fototry ny siansa môderina, tamin' ny fanasongadinana ny antso miverimberina ao amin' ny Kor'any mba hijery sy hisaintsaina ny zava-mitranga voajanahary[18].
Ilay mpahay fizikapakistaney Abdus Salam, tao amin’ ny lahateniny nandritra ny fanasana tamin' nyLoka Nobel azony, dia nanonona andinin-teny fanta-daza ao amin’ ny Kor'any (67:3-4) ary avy eo dia nilaza hoe: "Izany tokoa no finoan' ny mpahay fizika rehetra: arakaraka ny itadiavantsika lalina kokoa no mampientanentana kokoa ny fahagagantsika sy vao mainka mampitombo ny famirapiratana azon' ny fijerintsika." Iray amin' ny faharesen-dahatra fototra ao amin' i Salam ny tsy fisian' ny fifanoherana eo amin' ny finoana silamo sy ny zavatra hitan' ny olombelona eo amin' ny zavaboary sy eo amin' izao rehetra izao noho ny siansa. Nitandrina ihany koa i Salam amin' ny fanavahana nymetafizika sy nyfizika, ary nandrara ny tsy hananaovana fanadihadiana amin' ny fomba ara-panandramana momba ny lohahevitra sasany izay "mampangina ny fizika ary hijanonany ho toy izany", toy nyfoto-pampianarana momba ny "famoronana avy amin' ny tsy misy" izay ataon' i Salam fa ivelan' ny fetran' ny siansa. ka noho izany dia "manome toerana" ny fiheverana ara-pivavahana[19].
Raha jerena ny toe-draharaha tamin' ny taona 570 dia nanjaka nyRômana (izay nanao ho fivavaham-panjakana nykristianisma) taoEorôpa sy tao amin' ny faritraAtsinanana Akaiky (Siria,Palestina,Iràka,…). Ny mpanjakaClovis I tamin' ny taona 496 dia nanaraka ny finoana kristianina, ka isan' ireo niandohan' i Eorôpa kristianina voalohany. Izany hoe nanjaka tanteraka ny finoana kristianina tao Eorôpa tamin' izany fotoana izany ary betsaka ny ady niseho nataon' ny Kristianina katôlika. Ary nanomboka tamin' ny taona 325 dia tsy nitsahatra ny fanenjehana ny mpino maro samihafa. Tamin' ny taona 570 dia teraka ny mpaminanyMohamady taoMaka anyArabia.
Araka ny fampianarana silamo dia tamin' ny taona 610 taor. J.K. no tonga tamin' ny mpaminanyMohamady nyWahi (fanambaràna nafaminaniana), ka ny anjely Jibrily (Gabriela) no nitondra ny Kor'any masina tamin' ilay mpaminany ary nampianatra azy ny fomba famakiana izany boky izany sy ny fomba fandaharana azy sy ny fomba fitehirizana azy ao an-tsaina ary ny fomba fanazavana azy.
Amin' ny Mozilmana, ny Kor'any dia vaovao mahafaly ho an' ny olombelona rehetra sy fampitandremana azy amin' ny sazy mamaivay miandry azy raha toa ka mitsipaka izany.
Ny fandraisan' ny Arabo ny faminaniana tamin' izany fotoana izany
Niantso ny vahoakany ny Mpaminany mba hanaraka nyfinoana silamo ary tsy nitsahatra nitombo ny vahoaka nanaraka azy. Nefa, nahatezitra an' ireoMushrikûn naShirk (izany hoe nympanompo sampy sy nympivavaka amin' andriamanitra maro) izany ka nandeha ny famoretana maro samihafa.
Rehefa avy eo dia natomboky ny mpaminanyMohamady ny iraka izay nampanatanterahina azy. Maro ny nankahala azy sy ny nanendrikendrika azy. Tao ny nilaza fa i Mohamady dia mpamorika na mpamosavy, tao ny niteny fa izy dia mpandainga, tao koa ny nilaza fa izy dia pôeta, tao ny nilaza fa izy dia novorehin' olona, tao koa ny nilaza fa izy dia mpandangolango resaka ihany, tao koa ny nilaza fa izy dia nihambo hompaminany ihany, sns.
Teo aloha anefa dia maro tamin' ny mpiara-belona taminy ny niaky ny fahamarinan' i Mohamady sy ny hatsaran' ny fitondran-tenany. Tao ny nampanantena azy ho filoha, tao koa ny nampanantena azy vehivavy tsara tarehy, tao ny nampanantena azy vola be nefa tsy mba nanaiky izy na dia iray aza amin' ireo tolo-kevitry ny mpiara-belona taminy ireo. Noho izany dia nanao tetikady izy ireo ny mba hamonoana azy sy handroahana azy hiala eo amin' ny tanàna.
Ny mpaminanyMohamady dia nampianatra ny Kor'any tamin' nySahaba (mpiaradia taminy) izay miisa mihoatra ny 10 000. Nampianariny azy ireo ny fomba famakiana azy, ny fomba fandaharana azy, ny fomba fitehirizana azy ao an-tsaina sy ny fomba fanazavana azy. Ohatra amin' ny Sahaba nahay tsianjery ny Kor'any iray manontolo i `Abd Allah ibn Mas`ud, i Mu`adh ibn Jabal, i Hudhayfa ibn al-Yaman, i Ubay ibn Ka`b, i Zayd ibn Thabit sy ny hafa (miisa zato mahery ny totaliny).
Manaraka izany, nasain' ny Mpaminany nosoratana koa ny Kor'any. Ny Sahaba malaza tamin' ny fanoratana ny Kor'any dia iAbu Bakr, i‘Omar ibn al Khattab, i‘Uthman, iAli ibn Abi Talib, i Ubay ibn Ka`b, i Mu`adh ibn Jabal, i Zayd ibn Thabit, i Abu Zayd, i Mu’awiya, i Sayid ibn al-Walid sy maro hafa….[20].
Rehefa mivavaka ireo Sahaba ireo dia nampianarin' ny Mpaminany Mohamady namaky ny ampahany amin' ny boky masina Kor'any. Tsy maintsy mamaky tapany amin' ny soratra hita ao amin' ilay boky masina ireo Sahaba ireo sy ny mpino silamo rehetra mandraka ankehitriny.
Ny fifindrà-monina tao Al-Habasha (anyAbisinia aoEtiôpia,Afrika) dia fifindrà-monina voalohany, tamin' ny fahadimy taonan' ny fahatongavan' ny faminaniana (taona 615).
Rehefa nandeha ny fampijaliana natao tamin' ny mpino silamo vaovao dia nomen' ny Mpaminany alalana ny andiana mpino silamo vitsivitsy, dimy ambin' ny folo, hialokaloka any Al-Habasha (Etiôpia) amin' ny fanjakan' i Aṣḥama ibn Abjar (mpanjaka kristianina Armaha II), ireto avy izy ireo:
Ruqayya (r.a), zanaky ny Mpaminany sy i ‘Uthman ibn Affan (r.a) vadiny;
i Abu Hudhayfa ibn ‘Utbah ibn Rabi'ah sy i Sahla bint Suhail (r.a) vadiny;
i Zubayr ibn al-'Awwam bin Khuwaylid (r.a);
i 'Abd ar-Rahman bin 'Awf (r.a);
i Mous'ab ibn 'Umair (r.a);
i 'Abdullah ibn Mas'ud (r.a);
i Abu Salama (r.a);
i Umm Salamah na Hind bint Abi Umayya (r.a);
i 'Amir bin Rabi'a bin Malik (r.a);
i Hatib bin 'Amr (r.a);
i 'Uthman bin Maz'un (r.a);
i Abu Sibrah bin Abi Ruhm.
Ny nanambarana ny Kor'any ho iray sy ny nanaovana kôpia azy
Maty ny MpaminanyMohamady tamin' ny taona 632 ary namela ny Kor'any an-tsoratra sy tao am-pon' ny mpiara-dia taminy miisa mihoatra ny 124 000. Natambatra ho boky iray ny takelaka rehetra nosoratana nandritra ny fahaveloman' ny Mpaminany Mohamady tamin' ny taona 634. Navory daholo nySahaba ary nomena an' i Zayd ibn Thabit ny hitantana ny vondron' ny Sahaba hanao izany.
I Zayd ibn Thabit dia Sahaba anisan' ny nosafidin' ny mpaminany manokana ho mpanoratra ny Kor'any noho ny fahaizany mamaky, manao tsianjery, manoratra ary mitadidy zavatra. Ary mbola i Zayd koa no nasain' nykalifaAbu Bakr (mpitondra voalohany taorian' ny mpaminany) hanangona ny takelaka rehetra ary hanao izany ho boky mitambatra iray. Nanaiky i Zayd miaraka amin' ny Sahaba hafa izay samy mpanoratra sy mpahay tsianjery ny Kor'any nandritra ny fahaveloman' ny mpaminany.
Tamin' ny taona 650, nandritra ny fitondran' i‘Uthman,kalifa fahatelo, dia nasain' ity farany i Zayd ibn Thabit mba hanao kôpia maromaro ny Kor'any ary hanaparitaka izany amin' ny toerana maro satria efa tsy nitsahatra niely nyfinoana silamo. Ohatra: Nalefa tany Sham (faritraSiria), tanyIràka, tanyMeka, tanyMedina, sns.
Fifandraisan' ny Kor'any amin' ny fivavahana sy literatiora hafa
Ny vondrona tsy mozilmana sasany toa nyBahay sy nyDroza dia mihevitra ny Kor'any hoboky masina. Ao amin' ny finoana bahay, ny Kor'any dia ekena hofanambaràna marina avy amin'Andriamanitra sahala amin' ny fanambaràn' nyfivavahana hafa maneran-tany, nyfinoana silamo dia dingana iray ao anatin' ny fiasan' Andriamanitra manatanteraka nyfanambaràna miandalana. IBahá'u'lláh, mpaminany mpanorina ny finoana bahay, dia nanamarina ny maha-marina ny Kor'any, raha nanoratra hoe: "Tsy nandinika ny Kor'any ve ianareo? Vakio izy, sao dia hahitanao ny Fahamarinana, fa io Boky io dia lalana mahitsy tokoa. Izany no lalan' Andriamanitra ho an' izay rehetra any an-danitra sy izay rehetra ety an-tany"[21][22]. Mitady aingam-panahy avy amin' ny Kor'any ihany koa nyOniversalista Onitariana.
Raha ny amin' ny filazana ny maha avy amin' Andriamanitra ny Kor'any, ny mpitsikera dia manondro loharanon-tsoratra efa nisy teo aloha, izay tsy avy ao amin' nyBaiboly ihany izay noheverina ho fanambaran' Andriamanitra tranainy kokoa, fa avy amin' ny bokin' nyheretika (mpampianatra finoan-diso) syboky apôkrifa ary ny lahatsoratratalmodika koa, toy nyDiatesarôna, nyPrôtevanjelin' i Jakôba, nyFilazantsaran' ny Fahazazana nosoratan' i Tômasy, nyFilazantsaran' i Pseodô-Matio ary nyFilazantsara arabon' ny Fahazazana[23][24]. Nisy manam-pahaizana nilaza fa ny Diatesarôna, amin' ny maha fandrindrana nyFilazantsara azy, dia mety ho nahatonga ny fiheverana ao amin' ny Kor'any fa ny Filazantsara kristiana dia lahatsoratra tokana[25]. Ny Kor'any dia manaiky fa ny fiampangana ho nindrana anganom-bahoaka taloha dia natao hanoherana an' iMohamady (Kor'any 25:5). Na izany aza, nyBaiboly dia tsy nadika tamin' nyfiteny arabo raha tsy taorian' ny fahavitan' ny Kor'any ary nisy lahatsoratrajodeô-kristiana hafa izay efa vita dikateny na dia somary tratra aoriana aza[26]. Noho ny fandavana nyfanomboana an' i Jesoa ao amin' ny Kor'any dia misy manam-pahaizana sasany miahiahy ihany koa fa nymanikeisma, izay fivavahanadoalista (mino hery roa mifanandrina mandrakizay), dia niantraika amin 'ny fanoratana ny Kor'any.
Izao ny voasoratra ao amin' ny Kor'any momba ny Baiboly:
"Izy dia nanambara taminao, [ry Mpaminany], ny Boky amin' ny fahamarinana, nanamafy ny zavatra teo alohany, tahaka ny nanambaràny nyTaoraty sy nyInjily teo aloha, ho mpitari-dalana ho an' ny olona, ary nanambaràny [ihany koa] ny fenitry ny fanavahana ny tsara sy ny ratsy."[27] (Kor'any 3:3-4)
Ny Kor'any dia manondro ny fifandraisany amin' ny boky taloha (nyTorah sy nyFilazantsara) amin' maha iray fiaviany azy ireo, ary nilaza fa samy nambaran' ilay Andriamanitra tokana ireo boky ireo.
Araka ny voalazan' i Christoph Luxenberg (ao amin' nyVakiteny Sirô-Arameanan' ny Kor'any) dia nitovitovy tamin' nyfiteny siriaka ny fitenin' ny Kor'any. Ny Kor'any dia mamerina manao fitantarana ny tantaran' ny olona maro sy ny zava-nitranga voatantara ao amin' ny boky masinajiosy sykristiana (nyTanakh, nyBaiboly) ary literatiora momba ny fanoloran-tena (Apôkrifa,Midrasa), na dia tsy mitovy aza izany amin' ny antsipiriany maro.
Taorian' ny Kor'any, sy ny fisandratan' ny finoana silamo amin' ny ankapobeny, nyabidy arabo dia nivoatra haingana ka lasa zavakanto[30]. Nanoratra ny iray amin' ny boky voalohany indrindra momba nyfitsipi-pitenenana arabo, antsoina hoeAl-Kitab, ilay mpahay fitsipi-pitenenana arabo Sibawayh, izay niantehitra mafy tamin' ny fiteny ao amin' ny Kor'any. I Wadad Kadi, profesora amin' ny Near Eastern Languages and Civilizations ao amin' ny Oniversiten' i Chicago, ary i Mustansir Mir, profesora momba ny fianarana Islamika ao amin' ny Oniversiten' i Youngstown State, dia nilaza fa ny Kor'any dia misy fiantraikany manokana amin' ny fanononana, ny lohahevitra, ny fanoharana, ny antony manosina ary ny fanoharana amin' ny literatiora arabo ary nanampy fomba fiteny vaovao sy heviny vaovao amin' ny voanteny tranainy efa nisy talohan' ny silamo izay lasa hita hatraiza hatraiza taty aoriana[31].
Araka ny lovam-pampianarana silamo, taorian' ny nahafatesan' iMohamady dia tamin' ny fotoana nitondran' nykalifaUthman (na Othman) no nadraiketana ny lahatsoratry ny Kor'any ary io no lasa lahatsoratra ôfisialy teo anelanelan' ny taona 644 sy 656. Nahatsapa i Uthman fa ilaina ny mandraikitra ny lahatsoratra taorian' ny nahafatesan' ny maro amin' ny mpanaradia ny Mpaminany; ireo no atao hoeSahaba, izay manam-pahaizana manokana amin' ny fanaovana tsianjery (ireoqurraʾ na mpanao tsianjery ny Kor'any). Nopotehina avy eo ny lahatsoratra samihafa tsy mitovy amin' io (raha ny amin' ny soràta na ny ny filaharan' izany), ka ny Kor'any nampanaovin' i Uthman no sisa notehirizina. Ireo soràta ireo dia nalahatra araka ny halavany ka amin' ny ankapobeny dia izay lava no napetraka aloha ary ny fohy no aoriana, fa tsy araka ny filaharana ara-potoan' ny fanambaràna raiketiny. Ity filaharana ity dia noraiketina tao amin' ny Kor'any nampanaovin' i Uthman araka ny filazan' ny ankamaroan' ny manam-pahaizana mozilmana, fa ny hafa kosa milaza izany ho nataon' iMohamady tenany. Na izany aza, io resaka momba ny filaharana io dia tsy misy lanjany raha tsy efa nampandrina an-tsoratra ilay lahatsoratra.
Ny sasany amin' nysora-tanana hita tao Sanaa (anyIemena) dia mampiseho filaharana soràta tsy mitovy amin' ny lahatsoratra nampanaovin' i Uthman. Araka ny voalazan' i Moezzi, "ny 22 % amin' ny vondrona ampahan-dahatsoratra 926 nodinihina dia mampiseho filaharana soràta tena tsy mitovy amin' ny filaharana fantatra. Nomarihiny koa fa ny filaharan' ny soràta dia mampahatsiahy ny lahatsotratry ny Kor'any nataon' iUbay Ibn Ka'b sy ny an' iAbdullah Ibn Mas'ûd.
Ezaka isan-karazany no natao hamerenana indray ny filaharana ara-potoan' ny soràta, anisan' izany ny nataon' ny manam-pahaizana eorôpeana momba ny literatiora tatsinanana toa an' i Blachère. Nasongadin' ny mpanao tsikera anefa fa miankina loatra amin' ny tantaram-piainan' i Mohamady io filaharana ara-potoana io.
Ianao irery ihany no tompoinay ary Ianao irery ihany no angatahanay fanampiana.
Tariho amin’ ny lalana mahitsy izahay.
Amin’ Ilay lalan’ ireo izay nofenoinao ny fahasoavanao.
Fa tsy amin’ ireo izay niharan’ ny fahatezeranao[33] na amin’ ireo izay ao anatin’ ny fahaverezana[34].
Fanazavana:
Ity soràtaAl fatiha ity dia manome toromarika ho an' izay hamaky azy na handinika azy mba hanala ny hevitra rehetra izay efa nisy tao aminy mahakasika ny zava-drehetra ary tsy mikatsaka afa-tsy ny fahamarinana irery ihany. Ary ny mba hangataka amin’ iAllah mba ho tantanany mandritra ny famakiany sy fandinihany an' ity soràta ity na ny Kor'any iray manontolo. Ary voasoratra mazava tsara amin' ny voalohany fa ny fiderana an' Andriamanitra no voalohany hita ao amin' ity soràta ity. Marihina fa ny Kor’any iray manontolo no valin' ny hataka izay hita amin' ity soràta ity.
"Raha mba nampidininay tamin’ ny tendrombohitra ity boky manan-kaja Kor’any ity, mba nahitanao fa niambany tanteraka ary vakivaky izy noho ny fahatahorany an’ i Allah. Ary izany fanoharana izany dia tantarainay amin’ ny zanak’ olombelona mba hahafahan’ izy ireo handinika tsara ny zavatra tokony hataon' izy ireo".
"Ary ity lalako ity dia mahitsy, ka arahinareo. Ary aza mba manaraka lalana hafa maro isankarazany, fa hiala lavitra ny lalany ianareo amin’ izany. Izany no anatra omeny anareo, angamba ianareo hatahotra (an’ i Allah)".
Na avy amin’ nyjiny[40] izany na avy amin’ ny olombelona amin’ izy ireny.
Nyjiny dia anisan’ ny zavaboaharin’ ilay Nahary izay noharîny ary mahita antsika fa saingy isika kosa tsy afaka mahita azy ireo, raha tsy hoe angaha izy mihitsy no te hiseho amin’ ny olombelona. Tahaka antsika olombelona dia misy ny mpino ny an’ iAllah amin’ izy ireo ary misy koa ireo tsy mpino an’ i Allah. Marihina fa izy ireo koa dia anisan’ ny iantefan' nyfaminaniana.
SoràtaAl Falaq – Ny maraina vao mangiran-dratsy – 113
Amin’ ny anaran’ i Allah Ilay be fiantrana sy be indra fo.
Ho levona anie ny tanan-droan’ i Abu-Lahab sy ny tenany!
Tsy nahavita na inona na inona taminy ny harenany sy izay azony.
Ka hodorana ao anaty afo miredareda izy (tsy ho ela),
Toy izany koa ny vadiny izay mitondra hazon-kitay feno tsilo,
Ho eny am-bozonany ny tady mafy vita amin’ ny kofehy madinika manify.
Fanazavana.
Ny anaran' i Abi Lahab dia midika hoe "rain' ny afo". Izany dia, fiantsoana an’ i ‘Abdul ‘Uzzaa (na Abd al-Uzza), iray amin’ ireo zanak’ i ‘Abdul Mouttalib (na Abd al-Muttalib). Tsy voalaza amin’ ny anarany manokana izy ao anatin’ ny Kor’any satria mety noho ny anarany izay mampisehofanompoan-tsampy (ahitana ny naran' ny andriaanitraAl-'Uzza). Ity lehilahy ity dia fahavalon’ ny mpaminanyMohamady ary fatra-pitsikera nyfinoana silamo. Rehefa ny Mpaminany miantso ny olona mba hiditra amin’ ny finoana silamo dia tsy maintsy sakanan’ i Abu Lahab foana izy ary haratsîny sy amoronany ainga.
sy amin’ ny manatri-maso izany, ary mijoro ho vavolombelona.
voaozona ireo olon’ ny Oukhdoud (Hantsana lalina)
amin’ ny afo feno fandrehetana.
ary indro izy ireo hipetraka manodidina izany.
vavolombelona koa izy ireo ny amin’ ny fampijaliana izay nataon’ izy ireo ny mpino.
nefa, tsy nankahala ireo mpino izy ireo afa-tsy ny noho ny finoana an’ i Allah Ilay mahery sy mendri-piderana.
Azy ny fanjakan’ ny lanitra sy ny tany; Allah Ilay vavolom-belona amin’ ny zavadrehetra.
Tena marina fa ireo izay nampijaly ny mpino fa tsynibebaka tamin’ izany dia hahazo ny famaizana ao amin’ nyafo be ary ho dorana.
fa ireo izay nino sy nanao asa soa kosa dia, hahazo marina nyparadisa izay ahitana ny renirano mikoriana eo ambaniny; izany no tena fahombiazana lehibe.
Tena marina fa ny sazy avy amin’ ny Tomponao dia, mahery vaika.
Nyfandikan-teny ny Kor'any dia olana sady sarotra foana. Maro no milaza fa tsy azo adika amin' ny fiteny na endrika hafa ny lahatsoratry ny Kor'any[36]. Fanampin' izany, nyvonteny arabo iray dia mety manana heviny isan-karazany arakaraka ny teny manodidina, ka mahatonga ny fandikan-teny marina kokoa ho sarotra kokoa[37].
Na izany aza, ny Kor'any dia nadika tamin' ny ankamaroan' nyfiteny afrikana syaziatika aryeorôpea,a. Ny mpandika teny voalohany ny Kor'any ilay Persiana atao hoe Salman, izay nandika ny Soràtaal-Fatiha ho amin' nyteny persana nandritra ny taonjato fahafito[38]. Ny fandikan-teny hafa ny Kor'any dia vita tamin'ny 884 tany amin' ny tanànan' i Alwar (faritanySindh,India, anyPakistàna ankehitriny) noho ny baikon' i Abdullah bin Umar bin Abdul Aziz noho ny fangatahan' ilay Hindo atao hoe Raja Mehruk[41].
Ny fandikan-teny feno tanteraka voalohany voamarim-pisiana dia natao teo anelanelan' ny taonjato faha-10 sy faha-12 tamin' nyteny persana. Ny mpanjakasamanida Mansur I (961–976) dia nandidy andiana manam-pahaizana avy anyKhorasan mba handika nyTafsir al-Tabari (famakafakana ny Kor'any), avy amin' nyteny arabo tany am-boalohany ho amin' ny teny persana. Taty aoriana tamin' ny taonjato faha-11, ny iray tamin' ny mpianatr' i Abu Mansur Abdullah al-Ansari dia nanoratratafsir feno amin' ny Kor'any amin' ny teny persana. Tamin' ny taonjato faha-12, i Najm al-Din Abu Hafs al-Nasafi no nandika ny Kor'any tamin' ny teny persana[42]. Ny sora-tanana amin' ireo boky telo ireo dia mbola ananana ary natonta imbetsaka.
Ny lovantsofina silamo ihany koa dia milaza fa nisy fandikan-teny maro natao ho an' ny emperora Negus avy anyAbisinia sy ny emperorabizantina Herakliôsy, satria samy nahazo taratasy avy amin' iMohamady ahitana andininy avy amin' ny Kor'any. Tany amin' ny taonjato voalohandohany, tsy ny famelana na tsia ny fandikan-teny no olana, fa ny fahazoana mampiasa fandikan-teny amin' ny vavaka.
Tamin' ny taona 1936 dia nisy fandikan-teny tamin' ny fiteny miisa 102 fantatra[43]. Tamin' ny taona 2010, nyHürriyet Daily News and Economic Review dia nitatitra fa naseho tamin' ny fiteny 112 ny Kor'any tamin' ny fampirantiana ny Kor'any Iraisam-Pirenena faha-18 taoTeheran (anyIràna)[44].
Ny fandikan-teny ny Kor'any nataon' i Robert of Ketton tamin' ny taona 1143 ho an' i Pierre le Vénérable, atao hoeLex Mahumet pseudoprophete (midika hoe "ny Lalànan' i Mohamady ilay mpaminany sandoka") no voalohany tamin' ny fiteny tandrefana (fiteny latina)[45]. I Alexander Ross dia nanolotra ny dikan-teny anglisy voalohany tamin' ny taona 1649, avy amin' ny dikan-tenyfrantsayL'Alcoran de Mahomet (1647) nataon' i André du Ryer. Tamin' ny taona 1734, i George Sale dia namokatra ny fandikan-teny voalohany amin' ny Kor'any amin' nyteny anglisy; ny iray hafa dia novokarin' i Richard Bell tamin' ny taona 1937, ary iray hafa nataon' i Arthur John Arberry tamin' ny taona 1955. Tsy Mozilmana ireo mpandika teny rehetra ireo. Betsaka ny fandikan-teny nataon' ny Mozilmana. Ny dikan-tenyanglisy môderina malaza ataona Mozilmana dia ahitana ny dikan-tenin' nyThe Oxford World Classic nataon' i Muhammad Abdel Haleem,The Clear Quran nataon' i Mustafa Khattab, nySaheeh International translation, ankoatry ny maro hafa.
Ny dikan-teny natao amin' nytarehin-tsoratra gurmukhi tranainy indrindra amin' nyQuran Sharif dia hita tao amin' ny tanàna Lande ao amin' ny Distrikan' i Moga ao amin' ny Faritanin' iPunjab (India) izay natao pirinty tamin' ny taona 1911, amin' nyteny ponjaby[46].
Talohan' ny nanaovana pirinty tamin' ny taonjato faha-19 ny Kor'any dia nampitaina tamin' ny sora-tanana nataon' ny mpanaosora-kaliana sy ny mpanao dika mitovy (na kôpia) ny Kor'any. Ny sora-tanana voalohany indrindra dia natao tamin' ny tarehin-tsoratraḤijāzī. Ny sora-tanana amin' ny fombaHijazi anefa dia manamafy fa ny fampitana ny Kor'any an-tsoratra dia efa nanomboka tany am-boalohany. Azo inoana fa tamin' ny taonjato fahasivy ireo tarehin-tsoratra ireo dia nanomboka nanasongadina tsipika matevina kokoa, izay fantatra amin' ny anarana hoe tarehin-tsoratraKufic. Tany amin' ny faramparan' ny taonjato fahasivy dia nanomboka nipoitra tamin' ny fanaovana dika mitovy amin' ny Kor'any ny tarehin-tsoratra vaovao ary nisolo ny tarehin-tsoratra taloha. Ny antony nampitsaharana ny fampiasana ny fomba teo aloha dia satria ela loatra ny famokarana ary nitombo ny fangatahana kôpia. Ny mpanao kôpia àry dia nifidy fomba fanoratana tsotra kokoa. Nanomboka tamin' ny taonjato faha-11, ny fomba fanoratana voalohany indrindra dia nynaskh, nymuhaqqaq, nyrayḥānī ary, mahalana kokoa, ny tarehin-tsoratrathuluth. Nynaskh dia nampiasaina be dia be. TanyAfrika Avaratra sy tanyIberia dia nalaza ny fomba fanoratraMaghribī. Miavaka kokoa ny soratraBihari izay nampiasaina tany amin' ny tapany avaratr' iIndia irery ihany. Ny fomba fanoratranastaʻlīq dia zara raha nampiasaina tao amin' nyTontolo Persiana (naIràna Lehibe)[47][48].
Tamin' ny voalohany dia tsy nosoratana miaraka amin' ny teboka (solon-janatsoratra) natashkeel ny Kor'any. Ireo mari-tsoratra ireo dia nampiana tao amin' ny lahatsoratra nandritra ny androm-piainan' nySahaba farany, izany hoe ny mpiara-dia tamin' ny mpaminanyMohamady[49]. Koa satria mety ho lafo loatra ho an' ny ankamaroan' ny Mozilmana ny fividianana sora-tanana dia natao tao amin' nymôske ny kôpian' ny Kor'any mba hahatonga azy ireo ho azon' ny olona vakina. Ireo kôpia ireo matetika dia naka endrika andian-dahatsoratra misy fizaràna 30 atao hoejuzʼ. Amin' ny lafiny famokarana, ny Ôtômana mpanao kôpia dia nanome ohatra tsara indrindra. Izany dia ho setrin' ny fanafarana niely patrana sy ny tsy fitiavan' ny olona ny fanontam-pirinty ary noho ny fitadiavana ny kanto[50][51].
Lehilahy ny ankamaroan' ny mpiandraikitra ny soratra silamo nefa dia nisy vehivavy manam-pahaizana sy mpanao dika mitovy; anisan' ny vehivavy nanao dika soratra i Amina, bint al-Hajj ʿAbd al-Latif izay mpahay lalàna marôkana[52].
Ny fanontam-pirinty vita amin' ny hazo ho an' ny Kor'any dia voarakitra an-tsoratra tany am-piandohan' ny taonjato faha-10[53].
Nampanamboarin' ny papaJolio II (1503–1512) ny fanontam-pirinty arabo azo afindrafindra mba hozaraina amin' ny Kristiana anyAtsinanana Afovoany[54]. Ny Kor'any feno natao pirinty voalohany tamin' ny karazana fanontam-printy azo afindrafindra dia novokarin' i Paganino Paganini sy i Alessandro Paganini tanyVenezia tamin' ny taona 1537–1538 hamidy ao amin' ny tsena ôtômana[55][56]. Tsy nampiasaina anefa io Kor'any io satria misy fahadisoana maro be[57]. Misy fanontana roa fanampiny ahitana ireo navoakan' ny pasitera Abraham Hinckelmann tanyHamburg tamin’ ny taona 1694[58], ary nypretra italiana Ludovico Maracci tany Padua tamin’ ny taona 1698 niaraka amin’ ny fandikan-teny latina sy hevi-teny[59].
Ny kôpia vita pirinty amin' ny Kor'any nandritra io vanim-potoana io dia nifanehatra amin' ny fanoherana mafy avy amin' ny manam-pahaizana momba ny lalàna silamo: voarara ny fanontana printy amin' nyteny arabo tao amin' nyEmpira Ôtômana teo anelanelan' ny taona 1483 sy 1726 - tamin' ny voalohany, izay mety hahazoanafanamelohana ho faty aza[60][51][61][62]. Nesorina tamin' ny 1726 ny fandrarana natan' ny Ôtômana amin' ny fanaovana pirinty amin' ny soratra arabo raha ho an' ny boky tsy ara-pivavahana, noho ny fangatahan' i Ibrahim Muteferrika, izay nanonta ny bokiny voalohany tamin' ny taona 1729. Afa-tsy ny boky amin' nyteny hebreo sy amin' nyteny eorôpeana, izay tsy voafefy, dia vitsy dia vitsy ny boky, ary tsy nisy soratra ara-pivavahana, natao pirinty tao amin' nyEmpira Ôtômana nandritra ny taonjato iray hafa[63].
Tamin' ny taona 1786, iEkaterina II anyRosia dia nanohana ny famokarana milina fanontam-pirinty ho an' ny "Tsipelilna Tatara sy Tiorka" tao Sankt-Peterburg (rosiana:Санкт-Петербург;frantsay: Saint-Pétersbourg), niaraka amin' nymullah (namollah) iray atao hoe Osman Ismail tompon' andraikitra amin' ny famokarana lohavy arabo. Nisy Kor'any natao pirinty tamin' ity milina ity tamin' ny taona 1787, naverina navoaka tamin' ny taona 1790 sy 1793 tany Sankt-Peterburg, ary tamin' ny 1803 tany Kazan[64]. Ny fanontana voalohany natao pirinty tanyIràna dia nivoaka taoTeheran (1828), ny dika amin' nyteny tiorka natao pirinty tanyKahira tamin' ny taona 1842, ary ny fanontana ôtômana voalohany nahazoana alalana tamin' ny fomba ôfisialy dia natao pirinty tanyKônstantinôpla teo anelanelan' ny taona 1875 sy 1877 amin' ny endrika boky roa, nandritra ny "Vanim-potoana Voalohan' ny Lalàmpanorenana"[65][66].
I Gustav Flügel dia namoaka Kor'any voapirinty tamin' ny taona 1834 taoLeipzig, izay nanan-kery tanyEorôpa nandritra taonjato iray, mandra-pamoahan' ny Oniversite Al-Azhar aoKahira (aoEjipta) ny fanontana Kor'any tamin' ny taona 1924. Ity fanontana ity dia vokatry ny fanomanana maharitra, satria nataony manara-penitra ny tsipelina ao amin' ny lahatsoratry ny Kor'any, ary nijanona ho fototry ny fanontana printy taty aoriana[67].
Takelaky ny Kor'any tao amin' ny soratanana hita tao Birmigham
Ny Oniversiten' i Birmingham, izany hoe ny Cadbury Research Library, dia nanao fizahana amin’ ny lafiny ara-daty ny takelaka tranainy izay nisy tao anatin’ ny tranombokiny tamin’ ny taona 2015. Rehefa nandeha ny fanaovana ny fitiliana ilay takelaka anankiroa mahakasika ny Kor’any dia hita araka ny kajikajy fa ireo takelaka anankiroa ireo dia nosoratana teo anelanelan’ ny taona 568 sy 645[68][69][70].
Fahitana Kor'any.
Tsara ho marihina fa ireo takelaka ireo dia nosoratana amin’ ny fomba fanoratraHijazi zany hoe mbola ilay fomba fanoratana tamin’ ny voalohany mihitsy[69].
Nyayat izay hita amin’ ireo takelaka ireo dia ao amin’ ny soràtaAl Khahf 18 ayat 17–31, sy ny soràtaMariyam 19 ayat 91–98, ary soràtaTwaha 20 ayat 1-40[71]. Natao hitan’ ny rehetra ireo takelaka ireo nanomboka tamin’ ny volana Ôktôbra 2015 ka hatramin’ ny volana Aogositra 2016[72]. Ao amin’ ny Birmingham Museum and Art Gallery ho an’ izay te hahafantatra bebe kokoa. I Alba Fedeli, tamin’ izy nanomana ny fikarohany sy ny diplôma Ph.D dia nahatsikaritra ireo takelaka ireo ary nangataka ny mba hanaovana ny fitiliana azy amin’ nykabônina-14[73]. Ary notontosaina izany tao tamin’ ny University of Oxford's Radiocarbon Accelerator Unit[74][75].
↑4,04,1 et4,2Richard Bell (Revised and Enlarged by W. Montgomery Watt) (1970).Bell's introduction to the Qur'an. Univ. Press. pp. 31–51. ISBN 978-0-85224-171-4.
↑Saritoprak, Zeki (2006). "Allah". In Leaman, Oliver (ed.).The Qur'an: an Encyclopedia. New York: Routledge. pp. 33–40. ISBN 978-0-415-32639-1.
↑Buck C (2006). "Discovering (final destination)". In Rippin A, et al. (eds.).The Blackwell Companion to the Qur'an (2a reimpr. ed.). Blackwell. p. 30. ISBN 978-1-4051-1752-4.
↑Saritoprak, Zeki (2006). "Eschatology". In Leaman, Oliver (ed.).The Qur'an: an Encyclopedia. New York: Routledge. pp. 194–99. ISBN 978-0-415-32639-1.
↑Inty ilay tsongan-tsoratra nadika amin' ny teny malagasy: "The climax of history, when the present world comes to an end, is referred to in various ways. It is 'the Day of Judgment,' 'the Last Day,' 'the Day of Resurrection,' or simply 'the Hour.' Less frequently it is 'the Day of Distinction' (when the good are separated from the evil), 'the Day of the Gathering' (of men to the presence of God) or 'the Day of the Meeting' (of men with God). The Hour comes suddenly. It is heralded by a shout, by a thunderclap, or by the blast of a trumpet. A cosmic upheaval then takes place. The mountains dissolve into dust, the seas boil up, the sun is darkened, the stars fall and the sky is rolled up. God appears as Judge, but his presence is hinted at rather than described.… The central interest, of course, is in the gathering of all mankind before the Judge. Human beings of all ages, restored to life, join the throng. To the scoffing objection of the unbelievers that former generations had been dead a long time and were now dust and mouldering bones, the reply is that God is nevertheless able to restore them to life."
↑10,010,1 et10,2Esack, Farid (2003). Martin, Richard C. (ed.).Encyclopedia of Islam and the Muslim world (Online-Ausg. ed.). Macmillan Reference. pp. 568–562. ISBN 978-0-02-865603-8.
↑Izutsu, Toshihiko (6 June 2007) [2002].Ethico-religious concepts in the Qur'an (Repr. ed.). McGill-Queen's University Press. p. 184. ISBN 978-0-7735-2427-9.
↑Campo, Juan E. (2009).Encyclopedia of Islam. Facts On File. pp. 570–574. ISBN 978-0-8160-5454-1.
↑Sonn, Tamara (2010).Islam: a brief history (Second ed.). Wiley-Blackwell. ISBN 978-1-4051-8093-1.
↑Guessoum, Nidhal (2011).Islam's Quantum Question: Reconciling Muslim Tradition and Modern Science. I.B. Tauris. p. 174. ISBN 978-1-84885-517-5, p. 174.
↑Inty ilay tsongan-tsoratra nadika amin' ny teny "The Qur'an draws attention to the danger of conjecturing without evidence (And follow not that of which you have not the (certain) knowledge of... 17:36) and in several different verses asks Muslims to require proofs (Say: Bring your proof if you are truthful 2:111), both in matters of theological belief and in natural science."
↑Guessoum, Nidhal (2011).Islam's Quantum Question: Reconciling Muslim Tradition and Modern Science. I.B. Tauris. p. 174. ISBN 978-1-84885-517-5. p.58–9
↑Guessoum, Nidhal (2011).Islam's Quantum Question: Reconciling Muslim Tradition and Modern Science. I.B. Tauris. p. 174. ISBN 978-1-84885-517-5., p. 63
↑Guessoum, Nidhal (2011).Islam's Quantum Question: Reconciling Muslim Tradition and Modern Science. I.B. Tauris. p. 174. ISBN 978-1-84885-517-5., p. 75.
↑Guessoum, Nidhal (2011).Islam's Quantum Question: Reconciling Muslim Tradition and Modern Science. I.B. Tauris. p. 174. ISBN 978-1-84885-517-5., p. 134 .
↑Tsiahy: nySahih Boukhari sy nyFath al bari dia nosoratan’i Ibn Hajr Asqalani 9/18
↑"The Kitáb-i-Íqán".Bahá'í Reference Library. Notsidihina tamin' ny 6 Aogositra 2021.
↑Inty ilay tsongan-tsoratra nadika amin' ny teny malagasy: "Perused ye not the Qur'án? Read it, that haply ye may find the Truth, for this Book is verily the Straight Path. This is the Way of God unto all who are in the heavens and all who are on the earth."
↑Griffith, Signey (2008). "Christian Lore and the Arabic Qur'an". In Reynolds, Gabriel S. (ed.).The Qurʼān in its Historical Context. Psychology Press. p. 112. ISBN 978-0-203-93960-4.
↑New Catholic Encyclopedia. Vol. 7. Washington, DC: The Catholic University of America. 1967. p. 677.
↑Rawandi, Ibn (2002). "On pre-Islamic Christian strophic poetical texts in the Koran". In Warraq, Ibn (ed.).What the Koran Really Says: Language, Text and Commentary. Prometheus Books. ISBN 978-1-57392-945-5.
↑Griffith, Sidney H. (2013). "Christian Translations of the Bible into Arabic".The Bible in Arabic: The Scriptures of the 'People of the Book' in the Language of Islam. Princeton University Press. pp. 127–154. ISBN 978-0-691-15082-6. JSTOR j.ctt28550z.9.
↑3:3 نزل عليك الكتاب بالحق مصدقا لما بين يديه وانزل التوراة والانجيل
↑Keeler, Annabel (2005). "Moses from a Muslim Perspective". In Solomon, Norman; Harries, Richard; Winter, Tim (eds.).Abraham's children: Jews, Christians and Muslims in conversation. T&T Clark. pp. 55–66. ISBN 978-0-567-08171-1.
↑Esposito, John L (2010).The Future of Islam. US: Oxford University Press. p. 40. ISBN 978-0-19-516521-0. "Christians are often surprised to discover that Jesus is mentioned by name in the Quran more than Muhammad and that Mary is mentioned more times in the Quran than in the New Testament. Both Jesus and Mary play important roles not only in the Quran but also in Muslim piety and spirituality.""Gaga matetika ny Kristiana rehefa mahita fa i Jesosy dia voatonona anarana ao amin' ny Kor'any mihoatra noho i Mohamady ary i Maria dia voatonona matetika ao amin' ny Kor'any noho ny ao amin' ny Testamenta Vaovao. Na i Jesoa sy i Maria dia samy manana anjara toerana lehibe tsy ao amin' ny Kor'any ihany fa eo amin' ny fitiavam-bavaka mozilmana sy ny ara-panahy koa".
↑Leaman, Oliver, ed. (2006).The Qur'an: an Encyclopedia. New York: Routledge. ISBN 978-0-415-32639-1. pp. 130–35.
↑Kadi, Wadad; Mir, Mustansir (2002). "Literature and the Quran". In McAuliffe, Jane Dammen (ed.).Encyclopedia of the Qurʾān. Vol. 3. Leiden: Brill. pp. 213, 216. ISBN 90-04-12354-7.
↑Malek Chebel,Dictionnaire encyclopédique du Coran, Paris, Fayard, 2011, 541 p. (ISBN 978-2-253-15623-9), p. 105
↑Ny mpanoratra ity pejy Wikipedia malagasy ity tamin' ny voalohany dia nametraka anaty fonon-teny ny teny hoe "Jiosy".
↑Ny mpanoratra ity pejy Wikipedia malagasy ity tamin' ny voalohany dia nametraka anaty fonon-teny ny teny hoe "Kristianina".
↑Déroche, François (2006). "Written Transmission". In Rippin, Andrew; et al. (eds.).The Blackwell Companion to the Qur'an (2a reimpr. ed.). Blackwell. pp. 172–87. ISBN 978-1-4051-1752-4.
↑51,0 et51,1Bosworth, Clifford Edmund, ed. (1989). "Matba'a".The Encyclopaedia of Islam: Fascicules 111–112: Masrah Mawlid. Leiden: E. J. Brill. p. 803. ISBN 90-04-09239-0.
↑James, David (1 January 2011). "Amina bint al-Hajj ʿAbd al-Latif". In Akyeampong, Emmanuel K; Gates, Henry Louis (eds.). Dictionary of African Biography. Oxford University Press. doi:10.1093/acref/9780195382075.001.0001. ISBN 978-0-19-538207-5. Retrieved 1 July 2022.
↑Krek, Miroslav (1979). "The Enigma of the First Arabic Book Printed from Movable Type".Journal of Near Eastern Studies. 38 (3): 203–212. doi:10.1086/372742. S2CID 162374182, p. 203
↑Watson, William J. (1968). "İbrāhīm Müteferriḳa and Turkish Incunabula".Journal of the American Oriental Society. 88 (3): 435–441. doi:10.2307/596868. JSTOR 596868., p. 435
↑Clogg, Richard (1979). "An Attempt to Revive Turkish Printing in Istanbul in 1779".International Journal of Middle East Studies. 10 (1): 67–70. doi:10.1017/s0020743800053320. S2CID 159835641., p. 67
↑Hanioğlu, Şükrü (2010).A Brief History of the Late Ottoman Empire. Princeton University Press.
↑Dorn (2002). "Chronologisches Verzeichnis, 371". In McAuliffe, Jane Dammen (ed.).Encyclopedia of the Qurʾān. Vol. 3. Leiden: Brill. p. 251. ISBN 90-04-12354-7.
↑Iriye, A.; Saunier, P. (2009).The Palgrave Dictionary of Transnational History: From the mid-19th century to the present day. Springer. p. 627. ISBN 978-1-349-74030-7.
↑Kamusella, T. (2012).The Politics of Language and Nationalism in Modern Central Europe. Springer. pp. 265–266. ISBN 978-0-230-58347-4.
↑Déroche, François (2006). "Written Transmission". In Rippin, Andrew; et al. (eds.).The Blackwell Companion to the Qur'an (2a reimpr. ed.). Blackwell. pp. 172–87. ISBN 978-1-4051-1752-4.