NyKoakerisma naFikambanan' ny Sakaiza naFiangonan' nySakaiza dia hetsika na fikambanana ara-pivavahana niorina taoAngletera tamin' ny taonjato faha-17 vokatry ny fialan' ireo heverina ho mpivily lalana avy amin' nyFiangonana anglikana. Atao amin' nyteny anglisy hoeQuakers izay midika hoe "mpangovitra" ny mpivavaka ao amin' io fikambanana io. Izy samy izy dia mifanome anarana hoeFriends izay midika hoe "sakaiza". I George Fox (1624-1691) no heverin' ny mpahay tantara ho nanangana ilay fikambanana na ny tena nanan-danja indrindra tamin' ireo mpitarika azy. Ao amin' ny firehana mistikan'nyFanavaozam-piangonana lalim-paka no misy ny fikambanan' ny Sakaiza.
Isan-karazany ny fomba anatanterahan' ny Sakaiza ny fivavahany ka ahitana hatramin' izay mitovy fomba amin' nyKristiana evanjelika nefa koa ahitana ireo izay manaraka firehana manakaiky nytsy finoana an' Andriamanitra (ateisma).
Hatramin' ny fotoana niforonany tao Angletera dia niely tany amin' ireo zanatany anglô-saksôna aloha ilay fikambanana. Tamin' ny taonjato faha-20 dia nampiely ny fivavahany tanyAmerika Atsimo sy tanyAfrika ireo misiôneran' ny Fiangonan' ny Sakaiza. Amin' izao fotoana izao dia miisa 350 000 eo ho eo ny Sakaiza araka ny antontanisan' izy ireo[1]
Ny Fikambanan' ny Sakaiza dia miavaka amin' ireo fikambanana hafa avy amin' nykristianisma noho ny tsy fanananyfiekem-pinoana sy tsy fisian' ny antanan-tohatra na ambaratongam-pitondrana eo amin' ny fandaminana ny fiangonany. Ho an' izy ireo dia raharahan' ny tsirairay ny finoana ka ny isam-batan' olona dia malalaka amin' ny fanarahana ny zavatra mandresy lahatra azy. Ny ankamaroan' ny Sakaiza dia mino ny amin' ny atao hoe "fahazavana anaty" (anglisy:inner light) na inona na inona ny hevitra mety homen' ny tsirairay izany teny izany. Maro ireo Sakaiza miaiky fa Kristiana nefa mahatsapa fa tsy tafiditra ao amin' ireo zavatra enti-mamaritra ny Kristiana mitana ny mahazatra.
Amin' izy ireo dia tsy ilaina nysakramenta, na nybatisa na nyfanasan' ny Tompo (naeokaristia); tsy ilaina koa, hoy izy, ireo na nyfiekem-pinoana. Famantarana nyfahasoavan' Andriamanitra ho azy sy ho an' ny hafa ny asa ataon' ny mpino tsirairay. Nybatisan' ny Fanahy dia zavatra iainana sy fiovana anaty, ary ny firaisana amin' iKristy dia miseho ao amin' ny fihaonan' ny mpivavaka. Endriky ny firaisana amin' ny fanasan' ny Tompo ny fiaraha-misakafo ataon' ny mpino.
Manadratra ny fifandraisana mivantana eo amin' ny Olona sy Andriamanitra ny Sakaiza, ka tsy ilainy ny mpisorona mpanelanelana ny Olona amin' Andriamanitra. Izany no nilazana fa tsy manaraka ny tokony ho izy ny Sakaiza ka niharan' ny fanenjehan' ny mpitondra fivavahana anglikana tamin' ny fotoana nanombohany. Ny Sakaiza dia mino ny fisiana ao amin' ny olona tsirairay ny "fahazavana avy amin' Andriamanitra" izay katsahiny ao amin' ny fandinihan-tena mangina. Ny fotoam-pivavahana amin' ny ankapobeny dia tora-po sy mandeha ho azy. Malalaka ny fananarana sy ny famporisihana ataon' ny mpandray anjara tsirairay satria vokatry ny firaisana amin' ny Fahazavana avy any ambony izany. Voatsindrimandrin' ilayFanahy nitsilo an' ireo nanoratra nyBaiboly ny mpino rehetra. Noho izany dia tsy mahalala fomba hafa hahazoana ny fahasoavan' Andriamanitra ny Sakaiza afa-tsy amin' ny alalan' izanytsindrimandry (na fanilovana) mivantana izany.
Manao fivorianana isam-bolana (anglisy:monthlymeetings) na isan-telo volana na isan-taona (anglisy:yearlymeetings) ny Koakera mba handaminany ny raharahan' ny fikambanany ka ny fahefana hanapahana ny amin' ny finoana sy ny fitantanan-draharaha dia ny fivorian' ny mpikambana ihany. Izany fivorianana izany dia andraisan' ny mpikambana rehetra anjara, na lahy na vavy, na ny zandriolona na ny zokiolona, ka mitovy ny rehetra amin' izany.
Ireo Sakaiza voalohany dia nanda ny fiheveran' nyPrôtestanta maro anisa ny amin' ilay atao amin' nyteny latina hoeSola Scriptura (adika hoe: "Soratra Masina irery ihany") ka mihevitra fa iKristy, fa tsy nyBaiboly, no tenin' Andriamanitra. Nanambara i Robert Barklay tao amin' ny asa sorany atao hoeApology[2] fa nySoratra Masina dia tsy inona fa fanambaràna ny loharano fa tsy ny loharano akory, ary tsy afaka ny ho fototry ny fahamarinana sy ny fahalalana izy, na koa ho fitsipika voalohan' ny finoana sy ny fitondran-tena[3].
Ny Koakera sasany dia namerina indray ny fahefan' ny Baiboly ka niteraka fivakisana maharitra teo amin' ny fikambanan' ny Sakaiza izany tamin' ny taonjato faha-19. Amin' izao fotoana izao ireo Sakaiza ara-pilazantsara (anglisy:EvangelicalFriends) dia mihevitra fa manam-pahefana amin' ny famaritana izay tokony hinoana ny Baiboly, araka nyFanambaràn' i Richmond. Ny Koakera hafa koa dia azon' ny hetsika toy ny prôtestantisma liberaly ka nanapa-kevitra fa mety misy fitarihan-dalana hafa izay tsy ny Soratra Masina, ka lasa tsy lohalaharana ny Soratra Masina amin' izany. Ny hafa koa dia mandà tsotra izao ny Baiboly ka izany no mahatonga ny fivoriany hahitana olona tsy kristiana akory fa mety hoMozilmana na finoana hafa na tsy mino an' Andriamanitra mihitsy aza (ateisma). Amin' ny Koakera dia misy ny atao hoe "Fanambaràna mitohy" (izany hoe: tsy vita indray mandeha ny fanambaràn' Andriamanitra fa mitohy ka mampitombo hatranihatrany ny fahalalantsika ny marina).
AtyAfrika no ahitana Koakera betsaka indrindra (mihoatra ny 40 %)[1]. Ny Koakera atyAfrika Atsinanana dia manatanteraka fihaonana isan-taona matetika, indrindra ny aoKenia, ahitana azy ireo koa ny aoRoanda syBorondy. Ny ankamaroan' ny fihaonana dia manatanteraka ny fanompoam-pivavahana voaomana sady ahitanapastora.
Tokony miisa eo amin' ny 25 000 eo ny Koakera aoBritaina Lehibe izay manao fotoam-pivavahana tsy voaomana. Izy ireo no mamorona ny atao hoeFivoriana isan-taona britanika. AoEtazonia ny Koakera dia manatanteraka fanao samihafa, nefa betsaka koa ny zavatra mampiray azy. Betsaka ny lohahevitrateôlôjika tsy itovizan' izy samy izy. Ny Fikambanan' ny Sakaiza aoEorôpa sy aoAostralia dia nifandray hatry ny ela tamin' ny Koakeran' i Lôndra.
Eo amin' ny sehatra maneran-tany dia misy ny atao hoeFriends World Committee for Consultation ("Komity Filan-kevitra maneran-Tanin' ny Sakaiza") izay hafohezina amin' ny hoe FWCC izay nanatanteraka fihaonana intelo isan-taona maro teo anelanelan' ny taona 1994 sy 2007. Taorian' ny fihaonana natao taoNairoby ao Kenia tamin' ny taona 2012 dia nanjary inefatra isan-taona izany.
Ny Koakera olon-dehibe tamin' ny taona 2012 tao Afrika dia niisa 196 790 ka ny 20 tetoMadagasikara; ny tanyAostralia syZelanda Vaovao: 1 660; ny tanyAzia: 21 000; ny taoEorôpa: 23 835; ny tanyAtsinanana Afovoany: 70; ny tanyAmerika Avaratra syAmerika Atsimo: 133 987; ka raha atambatra izany rehetra izany dia manakaiky ny 378 000[4].
NyFiangonan' i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) dia niorina vokatry ny fampiraisana tamin' ny taona 1968 ny Fiangoanana telo, dia nyLondon Missionary Society sy nySociété des Missions Evangéliques de Paris ary nyFriends' Foreign Mission Association (izay lasaQuaker Peace and Social Witness amin' izao). Tsy nanaraka ny koakerisma anefa ny FJKM fa nisafidy ny lalan' nyFiangonana nohavaozina.
Ao amin' ny firehana evanjelika karismatika eto Madagasikara dia ahitana fiangonana manaraka ny koakerisma evanjelika, dia ny Centre d'évangélisation de Madagascar (CEVAM) izany.
- ↑1,0 et1,1Jereo:Finding Quakers Around the WorldArchived Aprily 8, 2010 at theWayback Machine, FWCC [tahiry] sySarintanin'izao tontolo izao 2007 an'ny FWCCArchived Janoary 14, 2008 at theWayback Machine [tahiry] aryQuaker Information Center [tahiry].
- ↑Apologie de la véritable théologie chrétienne, telle que la professent ceux que par dérision on appelle Quakers, publiée à Amsterdam, en latin, en 1676, et traduite en français en 1702.
- ↑« the scriptures "are only a declaration of the fountain, and not the fountain itself, therefore they are not to be esteemed the principal ground of all Truth and knowledge, nor yet the adequate primary rule of faith and manners" ». Ny fehezan-kevitra fahatelo [tahiry] ao amin'nyApology of Barclay.
- ↑"Finding Quakers Around the World"Archived Septambra 26, 2015 at theWayback Machine (PDF). Friends World Committee for Consultation. Notsidihina tamin'ny 04 Jolay 2016.