Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Aller au contenu
Wikipedia
Tadiavo

Kibbutz

Avy amin'i Wikipedia
Kibbutz Yas'ur, ao amin' ny tapany avaratr' i Israely.

Nykibbutz nakibboutz dia karazana vohitra (tanàna kely), onenanaJiosy miombona fitaovam-pamokarana sy fahefana, naorina voalohany tamin' ny taona 1909 tanyPalestina nofehezin' nyÔtômana tamin' izany fotoana izany; dia i Degania Alef izay noforonin' ny Jiosy roa ambin' ny folo manam-piavianarosiana sypôlôney izay manaraka ny hetsikaziônista manana firehanasôsialista.

Avy amin’ ny teny hebreo hoe קיבוץ /kibbutz na קיבוצים /kibbutzim (rahamaro), izay midika hoe "fivoriana" na "miaraka"; io tzeny io.

Nykibbutzim hafa dia niisa teo amin' ny roa ambin' ny folo tamin' ny taona 1920 ary niparitaka nanomboka tamin' ny nananganana nyFanjakan' i Israely tamin' ny 14 Mey 1948: manodidina ny 210 tamin' ny taona 1950. Vondrom-ponina ambanivohitra izy ireo tany am-boalohany, saingy nanomboka nivoatra tao ny asaindostrialy taorian' ny namoronana an' i Israely.

Ara-tantara, ny mpikambana ao amin' izy ireo dia noheverina ho sangany amin' ny fanjakana jiosy hoavy talohan' ny taona 1948 ary koa taorian' ny nananganana ny Fanjakan' i Israely, indrindra fa mpitolona sy manolo-tena. Nanomboka tamin' ny taona 1960 ka hatramin' ny taona 1980, ohatra, ny miaramila avy amin' nykibbutzim dia 25 % amin' ny miaramila manamboninahitra ao amin' ny tafika israeliana, izany hoe 1 % amin' ny fitambaran' ny vahoaka jiosy tao Israely.

Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Kibbutz&oldid=1063346"

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp