IKenià naRepoblikan' i Kenià dia firenena anyAfrika Atsinanana, manana morontsiraka ao amin' nyRanomasimbe Indiana, izay misy nosy maro (miisa mihoatra ny 400), manana velaran-tany mirefy 580 367 km². Ny renivohiny dia iNairobi. Atao hoeKenya naJamhuri ya Kenya i Kenià amin' ny teny soahily faKenya na Republic of Kenya kosa amin' ny teny anglisy. Atao hoeKeniana ny vahoakan' io firenena io.
Mierinerina eo fovoany nytangorom-bohitra izay ahitana ny tendrombohitra Kenya izay avo indrindra ao (5 199 m). Ao andrefana no ahitana nyRift Valley izay fitandaharan-kantsana lalina. Saika an' i Kenià manontolo ny farihy Turkana ary ao amin' ny tanin' i Kenià koa ny ampahan' nyfarihy Victoria (izay farihy lehibe indrindra aty Afrika).
Betsaka bibidia ny ao Kenià, ka mampalaza azy izany, toy nyelefanta, nyantilôpa, nyzebra, nyjirafa, nyliona, nybibilava syandrongo, nyvorona samihafa sns. Manana valan-javaboary sy tahirin-javaboary maro i Kenià izay mahatratra ny 10 %n' ny velaran-tanin' io firenena io, mba hiarovana ireo biby ireo.
Sarin-tanin' i Kenià
Nisy mponina miisa 47 564 296 ny ao Kenià tamin' ny taona 2019. Karazam-bahoaka maro no mitambatra ho mponin' i Kenià, ka ny maro an' isa amin' izany dia nyKikoio sy nyMasay. Ahitana vahoaka vitsy anisa koa ao, toy nyIndiana, nyEorôpeana, nyArabo ary nySômaly. Mpinokristiana ny ankabetsahan' ny Keniana, nefa ahitana mpanaraka nyfivavahan-drazana afrikanaanimista koa ao. Nyfiteny anglisy sy nyfiteny soahily no fiteny ôfisialy ao Kenià.
Mivelona amin' nyfambolena ny ankamaroan' ny Keniana. Mahaleo tena ara-tsakafo i Kenià raha amin' ny fambolenalegioma,fary,mananasy,voanjo,vary,katsaka, sns. Mamboly voly fanondrana koa izy ireo ka ny lehibe amin' izany dia nydite. Miompy koa ny Keniana, indrindra nyondry sy nyomby ary nyosy. Mamokatra herin' aratra koa i Kenià ka ny goavana amin' izany dia ny ao amin' ny tohodranon' i Kiambare sy ny an' i Turkwell. Mandroso koa nyfizahàn-tany izay loharanon-karena lehibe ao amin' io firenan io.