Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Aller au contenu
Wikipedia
Tadiavo

Katekisma

Avy amin'i Wikipedia
Fampianarana katekisma, sary nataon' i Jules-Alexis Muenier tamin' ny taona 1890.

Nykatekisma nakatesizy nafoto-pianarana dia fampianarana nyfoto-pampianaran' ny finoana kristiana izay ampiasaina ho fitaovana fototra amin' ny fitaizana ny ankizy sy ny tanora ary ny olon-dehibe mba hahalala ny hafatra kristiana sy hiaina araka ny maha kristiana azy.

Ny boky fianarana katekisma na katesizy voasoratra voalohany indrindra anefa dia ilay nosoratan' i Alkoino tamin' ny taonjato faha-8. Narakarahin' ny fanoratana katekisma maro izany nandritra ny taonjato faha-9 ka anisan' izany ny an' i Noktetr Labeo tao Saint-Gall anySoisa, sy ny an' i Otfried tany Weissenbourg any anyAlsace.

Nisy zavatra tsapan' iLotera teo amin' ny Kristiana notarihiny, izay azo ampiharina koa amin' ny Katôlika: ny Kristiana tamin' ny taonjato faha-16 dia niaina tamin' ny finoana, namonjy fiangonana, nanana fomba fiaina araka ny lalànan' ny fitondrantena, nanao tonom-bavaka, nefa tsy nahalala izay nataony sy tsy nanana teny ho enti-manazava ny finoany. Koa ny katekisma na katesizy no nameno izany banga izany. Nanoratra nyKatekisma Lehibe sy nyKatekisma Kely i Lotera noho izany.

NyKatôlika dia nanaraka izany zavatra nataon' i Lotera izany ka namokatra katesizy, dia nyKatesizin' i Canisius tamin' ny taona 1555 nandritra nyKônsily tao Tridentio, ary nyKatesizin' i Bellarmin sy nyKatesizin' ny Kônsilin' i Tridentio) taorian' ny Kônsily tao Tridentio, sy katesizy maro hafa koa, ka nypretra tamin' izany dia tsy maintsy mampianatra ny ankizy ao amin' ny paroasiny.

Fiforonan-teny

[hanova |hanova ny fango]

Ny teny hoekatekisma naketesizy dia avy amin' nymatoantenygrika hoeκατηχεĩν /katékhein (ara-bakiteny: "mampitombo faneno") izay midika hoe "mampianatra" sy "mampahalala vaovao". Io matoanteny io dia hita ao amin' nysoratr' i Paoly sy ao amin' nyEvanjelin' i Lioka. Hatramin' ny andiany faharoa tamin' ireo fiangonana kristiana dia nahatsapa ny filana fampianarana ny Kristiana mba handalinana ny finoana azo avy amin' ny fotoana nidirana ho Kristiana. Fanambaràna ny foto-javatra ao amin' nyfoto-pampianarana kristiana izany: ny foto-pinoana, nysakramenta, ny fitondrantena ary nyVavaka nampianarin' ny Tompo.

Ny katekisman' ny fiangonana prôtestanta

[hanova |hanova ny fango]

NyFanavaozana prôtestanta (na Refôrmasiôna) dia niteraka famoronana katekisma maro. Anisan' izany nyKetekisma Kely (na Fotopianarana kely) sy nyKatekisma Lehibe (na Fotopianarana lehibe) nosoratan' iMartin Lotera tamin' ny taona 1529 (ho an' nyLoterana) sy nyKatekisman' i Heidelberg an' nyFiangonana nohavaozina, ary taty aoriana ny katekisman' iCalvin tamin' ny taona 1538.

Ny katekisman' ny Fiangonana loterana

[hanova |hanova ny fango]

Tamin' ny fiantombohan' nyRefôrmasiôna dia nanjary nihananan-danja ny katekisma noho ny fanizingizinan' iLotera ny amin' ny tokony hanaovana fampianaram-pinoana atokana ho an' ny zaza madinika. Taorian' ny famoahana nyFanazavana fohy ny Didy Folo sy ny Foto-pinoana ary ny Rainay nosoratan' i Lotera tamin' ny taona 1520 dia maro ny katekisma novolavolain' ny Prôtestanta. Ny famangian' i Lotera ireo fiangonana tanySaksônia tamin' ny taona 1528 anefa no niteraka ny fanomanana nyKatekisma Lehibe sy nyKatekisma Kely tamin' ny taona 1529. Ity farany ity dia nosoratan' i Lotera manokana ho an' ny raim-pianakaviana sy nypastora mba hanampiana azy ireo amin' ny fampianarana ny zaza.

Ny kekisman' ny Fiangonana nohavaozina

[hanova |hanova ny fango]

Ny nalaza indrindra tamin' ny katekisman' nyFiangonana nohavaozina dia nyKatekisman' i Geneva sy nyKatekisman' iHeidelberg, ary koa ny an' i Johannes Häusgen (izay atao hoe koa Johannes Oecolampad) izay teôlôjiana alemàna taoBasel (frantsay:Bâle) tamin' ny taona 1526, ary ny an' i Heinrich Bullinger tao Zurich anySoisa tamin' ny taona 1555.

NyKatekisma Kely sy nyKatekisma Lehibe an' i Geneva dia nosoratan' iJean Calvin. Navoaka amin' nyteny frantsay tamin' ny taona 1537 nyKatekisma Kely, izay ahitana fanontaniana arahim-baliny. NyKatekisma Lehibe kosa dia navoaka amin' ny teny frantsay tamin' ny taona 1541 na 1542.

Nosoratan' ny teôlôjiana alemàna Caspar Olevian sy Zacharias Ursinus taoHeidelberg nyKatekisman' iHeidelberg, araka ny fiangavian' i Friedrich III (frantsay:Frédéric III du Palatinat). Navoaka tamin' ny taona 1563 izany. Tamin' ny taona 1619 no nanombohan' ny Fiangonana nohavaozina nampiasa azy.

Ny Fiangonan' i Fausto Sozzini

[hanova |hanova ny fango]

Ireo foto-pampianaram-pinoana prôtestanta manaraka ny fampianaran' i Fausto Sozzini (sotsinianisma) dia hita ao amin' nyKatekisma Lehibe sy nyKatekisma Kely nosoratana tao Raków anyPôlônia tamin' ny taona 1605, izay mandà ny fampianarana ny amin' nyTrinite.

Ny katekisman' ny Fiangonan' ny Sakaiza

[hanova |hanova ny fango]

Ankoatry katekisma voasoratra tamin' ny taona 1660 izay miendrika resaka ifamalian' ny ray sy ny zanaka sady heverina ho nosoratan' i George Fox, ilay nanorina nyFiangonan' ny Sakaiza (na Frenjy na Koakera), dia manana katekisma nosoratan' i Robert Barclay tamin' ny taona 1673 koa ny Sakaiza.

Ny katekisman' ny Fiangonana presbiteriana

[hanova |hanova ny fango]

Ny katekisman' nyFiangonan' i Angletera dia lahatsoratra voafintina natsofoka tao amin' nyBook of Common Prayer ("Bokin' ny Vavaka Iombonana") izay natonta voalohany tamin' ny andron' i Edward VI (nanjaka teo anelanelan' ny taona 1547 sy 1553) nefa noheverina ho mirakitra fampianaran-diso izany tamin' ny andron' i Mary I (nanjaka teo anelanelan' ny taona 1553 sy 1558). Nisy fanitsiana natao matetika ilay katekisma teo anelanelan' ny taona 1594 sy 1661. Nisy karazany roa, araka ny mahazatra, izany, ka nahitanaKatekisma Kely syKatekisma Lehibe izay lasa katekisma filamatra teo amin' nyFiangonana presbiteriana, miaraka amin' nyFanekem-pinoan' i Westminster, izay namboarina taoWestminster teo anelanelan' ny taona 1645 sy 1652.

Ny katesizin' ny Eglizy katôlika

[hanova |hanova ny fango]

Ao amin' nyEglizy katôlika tao amin' nyKônsilin' i Tridentio (na Kônsilin' i Trenta) no nanomanana ny katekisma na katesizy izay navoaka tamin' ny taona 1566, dia ilay atao hoeKatesizy Rômanina naKatesizin' i Pio V. Io katesizy io dia famintinana amin' ny fomba mifatratra nyfoto-pampianarana ka natao hanampiana nypretra sy ny mpampianatra. Nisy koa ny katesizy natao hanampiana ny olon-tsotra izay nomanin' ilayzezoita alemàna atao hoe Petrus Canisius sady navoaka tamin' ny taona 1555 hatramin' ny 1558. Tamin' ny taona 1597 dia namoaka nyFotopampianarana Kristiana Fohy i Roberto Francesco Romolo Bellarmino (frantsay:Robert Bellarmin) izay namelarany ny fampianaran' iJesoa Kristy araka ny fahazoan' ny Eglizy katôlika an' izany tamin' ny fotoana nifanoherany tamin' ny Fiangonana nohavaozina.

Nampamoaka katesizy vaovao ho an' ny Eglizy katôlika maneran-tany iJoany Paoly II tamin' ny taona 1992, izay nomanin' ny kardinaly Joseph Ratzinger (ilay lasa papaBenoà XVI) sy ny ekipa niaraka aminy, sady nadika tamin' ireo fiteny be mpampiasa indrindra, tsy inona izany fa nyKatesizin' ny Fiangonana Katôlika.

Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Katekisma&oldid=1067654"

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp