Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Karemy

Avy amin'i Wikipedia
Fanosorana lavenona amin'ny Alarobian'ny Lavenona

NyKaremy dia fotoana anaovana fifadian-kanina sy fieken-keloka izay tandreman'ny Kristiana ka maharitra efapolo andro ho fiomanana amin'nyPaka (naPaska). Tamin'ny taonjato faha-4 no nanombohan'nyKristiana nanao fifadian-kanina amin'ny Karemy ka 40 andro no faharetan'izany fifadiana izany izay miedrika fanaovana sakafo faran'izay tsotra dia tsotra. Izany dia ahatsiarovana ny fifadian-kanina 40 andro nataon'iJesoa Kristy tany an-tany efitra. Hamaivanina ny fifadian-kanina amin'ny Alahady sy amin'ny Andron'i Maria. Mifarana amin'ny fifadian-kanina hentitra kokoa sy fankalazana ny Karemy amin'ny Herinandro Masina.

Fiforonan-teny

[hanova |hanova ny fango]

Ny teny hoeKaremy dia fanagasiana ny teny frantsay hoeCarême izay avy amin'ny fahasimban'endriky ny teny latina hoeQuadragesima izay midika hoe "fahefapolo". Izany dia mampahatsiahy ny fifadian-kanina nataon'iJesoa Kristy tany an-tany efitra.

Ny Karemy isam-piangonana

[hanova |hanova ny fango]
Ny nakana fanahy an'i Jesoa tany an-tany efitra, nataon'i James Tissot

Ny Karemy ao amin'ny Fiangonana tatsinanana

[hanova |hanova ny fango]

Ao amin'ireoFiangonana tatsinanana dia valo herinandro alohan'nyPaka ny faharetan'ny Karemy ka ny Asabotsy sy ny Alahady dia andro anaovana fety.

Araka an'i Alexandre Schmemann, dia ara-panahy indrindraindrindra ny Karemy ka ny Paka no tanjony. Ny maha zava-dehibe sy ny fahenteran'ny Karemy ao amin'nyFiangonana ortodoksa dia mifandanja amin'ny fanaovany ho zava-dehibe ny fetin'ny Paka[1]. Amin'ny fetin'ny Paka tokoa no ivorian'ny mpino maro indrindra ao amin'ireo firenena manaraka ny fombakristiana tatsinanana (ortodoksa sy katolika manaraka fomba bizantina); io indraindray no andro fety izay ahatongavan'ny olona maro, eny fa na dia ireo tsy marisika andavanandro aza. Latsa-danja ny androNoely, tsy tahaka ny miseho any amin'ny firenena tendrefana manaraka ny fomba katolika romana.

Ialohavan'ny fotoana fiomanana atao hoeKaremy kely izay mifarana amin'ny karnavaly ny Karemy ao amin'ireo Fiangonana tatsinanana manaraka fombam-pivavahana bizantina. Manomboka ampitson'ny Alahadin'ny karnavaly, izany hoe nyAlatsinainy madio (48 andro alohan'ny Paka), ny tena Karemy izay atao hoeKaremy Lehibe.

Ny Karemy ao amin'ny Fiangonana tandrefana

[hanova |hanova ny fango]

Ao amin'nyFiangonana tandrefana kosa dia ny Alahady ihany no andro fety ka manomboka amin'nyAlarobian'ny Lavenona ny 40 andro, ka tsy isaina io Alahady io, ary mifarana amin'ny harivan'ny Paka (na Paska).

Ny Karemy ao amin'ny Fiangonana katolika

[hanova |hanova ny fango]

NyFiangonana katolika romana dia tsy sarotiny ny amin'ny fifadian-kanina. Araka ny fanapahan-kevitry ny papa Paoly VI izay navoaka ho manan-kery tamin'ny taona 1966 dia tsy an-tery ny fanaovana fifadian-kanina sy fifadiana hafa mandritra ny Karemy afa-tsy amin'ny Alarobian'ny Lavenona sy nyZoma masina.

Mampifady hanina ny mpivavaka amin'ny fomba maivana ny Fiangonana katolika amin'ny Alarobian'ny Lavenona sy ny Zoma masina. Nefa amin'ny fampiharana dia sarotra refesina ny fifadian-kanina. Fanampin'izany dia ny fihinana zavatra tsy matavy, izany hoe fifadiana hena sy sakafo misy tavin-kena, amin'ny Zoma dia mbola mitohy[2]. Amin'ny Alarobian'ny Lavenona no anombohan'ny Karemy izay ialohavan'nyTalata matavy sy ny karnavaly (avy amin'ny teny latina hoecarnelevamen izay midika hoe "esorina ny hena"). Asaina manamarika ny Karemy amin'ny tsy fanaovana zavatra izay tiany, tsy voatery momba ny sakafo fotsiny, ny Katolika.

Ny Karemy ao amin'ny Fiangonana protestanta

[hanova |hanova ny fango]
Pastora ao amin'ny Nazareth Evangelical Lutheran Church mizara lavenona ho an'ny mpino ao aminy.

Ny fitandremana ny fifadian-kanina na ny fifadiana hafa rehetra mandritra ny Karemy dia miovaova ao amin'ireoFiangonana protestanta sy nyFiangonana anglikana.

Tsy asain'nyFiangonana nohavaozina manao fivalozana na manao fifadian-kanina ny mpino ao aminy, fa ny manantitra ny fitorian-teny sy ny fadinihan-tena no ataony mandritra ny fari-potoan'ny Karemy. Raha indraindray mba manasa ny mpino ao aminy hifady hena nyFiangonana loterana amin'ny Zoma masina, ny Fiangonana protestanta nohavaozina dia tsy manolotra na inona na inona hataon'ny mpivavaka, satria, hoy izy ireo, tsy nametraka toromarika manokana ny amin'izany nyApostoly.

Izany tsy fisianan'ny fampijalian-tena na fivalozana izany dia avy amin'ny fiheverany ny amin'ny famonjena (soteriolojia) izay misy fahasamihafana amin'ny an'ny Katolika. Ho an'izy ireo dia ny finoana irery ihany (latina:sola fide) no mahavonjy ka tsy ilaina ny hanatanterahana asa fivalozana mba hahazoana famonjena.

Jereo koa:

[hanova |hanova ny fango]

Loharano

[hanova |hanova ny fango]
  1. Le Grand Carême, Alexandre Schemann, Abbaye de Bellefontaine, 1974.
  2. "Les jours de pénitence" [tahiry], Code de droit canonique. Site du Vatican.
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Karemy&oldid=969838"

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp