Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Aller au contenu
Wikipedia
Tadiavo

Kalifata

Avy amin'i Wikipedia

Nykalifata nakalifaty dia fitondrana mozilmana entin' nykalifa (arabo خليفة) izay karazana emperora sady lehibem-pivavahana. Avy amin' nyteny arabo hoeخلافة /khilafat ny teny hoekalifata. Ny kalifa no mpanjakan' nyUmmah (ny vahoaka mozilmana rehetra), izay fehezin' ny lalànaShari'a. Azo adika ara-bakiteny hoe "mpandimby" na "solontena" ny teny hoekalifa. Taorian' ny nahafatesan' ny mpaminanyMohamady tamin' ny taona 632 dia antsoina hoe "Khalifat Rasul Allah", ny mpitondra voalohany ny fanjakana mozilmana, izany hoe mpandimby ara-pôlitika ny voairak' Andriamanitra.

Talohan' ny nahatongavan' nyfinoana silamo, ny mpanjaka arabo dia nampiasa ny anaram-boninahitra hoemalik (izay midika hoe "mpanjaka", "mpanapaka", "mpitondra"), na anarana hafa avy amin' ny fototeny mitovy.

Kalifata maromaro no nisy hatramin' ny niorenan' ny finoana silamo, taorian' ny ady teo amin' ireo mpitaky hahazo ny anaram-boninahitry ny mpandimby ny mpaminanyMohamady, taorian' ireo kalifa efatra voalohany, fantatra amin' ny anarana hoeRashidun ("notarihina marina"). Ny kalifata tena manan-danja dia:

Ny teny hoekalifata

[hanova |hanova ny fango]

Fiforonan-teny

[hanova |hanova ny fango]

Ny teny hoekalifa dia avy amin' nyteny arabo hoe خَليفة /khalīfah, izay midika hoe "mpandimby", "mpitantana", na "solombavambahoaka" ary noheverina tamin' ny fomba mahazatra. fanafohezana ny hoeKhalīfat Rasūl Allāh ("mpandimby ny irak' Andriamanitra"). Na izany aza, ny fandinihana ny lahatsoratra talohan' ny silamo dia manondro fa ny dikan' ilay andian-teny tany am-boalohany dia "mpandimbynofidin' Andriamanitra".

Fampiasana hafa an' ilay teny

[hanova |hanova ny fango]

Io teny io koa dia ampiasaina hanondroana ny fitondrana ara-pôlitika mihitsy sy ny vanim-potoana nampiharana azy (ohatra, "tamin' ny kalifatan' iHarun al-Rashid"). Marihina anefa fa ny teny hoekhalîfa (kalifata) dia tsy voafetra amin' io fampiasana azy ara-pôlitika amin' ny teny arabo io.

Ny kalifata nifandimby

[hanova |hanova ny fango]

Ny Kalifata Rasidona

[hanova |hanova ny fango]
NyKalifata Rasidona

NyKalifata Rasidona no kalifata voalohany nandimby ny mpaminany silamoMohamady. Nykalifa efatra voalohany nifandimby taorian' i Mohamady (iAbu Bakr, iOmar, iOthman, ary iAli) no nitondra azy io taorian’ ny nahafatesan' ity mpamimany ity tamin’ ny taona 632 taor. J.K. Nandritra ny fisiany, ity kalifata ity no hery ara-toekarena sy ara-kolontsaina ary ara-tafika natanjaka indrindra tanyAzia Andrefana.

Ny Kalifata Omeiada

[hanova |hanova ny fango]
NyKalifata Omeiada tamin' ny taonjato fahavalo.

Anisan' ny kalifata islamika lehibe nisy taorian' ny nahafatesan' ny mpaminanyMohamady nyKalifata Omeiada. Io no kalifata lehibe nanjaka tamin' ny faritra misy an' iPakistàna hatramin' ny faritra misy an' iEspaina, anisan' ny fanjakana nivelatra indrindra teto an-tany: ny velarany tamin' ny taonjato fahafito dia 13 tapitrisa km2 (velaran' iSina syIndia mitambatra).

Ny Kalifata Abasida

[hanova |hanova ny fango]
NyKalifata Abasida

NyKalifata Abasida no kalifata fahatelo amin' ireo kalifata islamika efatra lehibe indrindra teo amin' ny Empira Arabo, nandimby ny Kalifata Omeiada. Niforona tao Harran tamin' ny taona 750 ity kalifata ity ary nafindra avy any Harran ho anyBagdad ny renivohiny tamin' ny taona 762. Niroborobo nandritra ny taonjato roa izy, ary naharitra ny fisiany na dia teo aza ny fikomian’ nyZanja (869-883). Nifarana tamin' ny taona 1258 ny fitondran' ny Abasida rehefa nanongana ny manampahefana tao Bagdad ilayMôngôly atao hoeHulagu Khan.

Ny Kalifata Fatimida

[hanova |hanova ny fango]
Fivoaran' nyKalifata Fatimida

Kalifata siita notarihin' ny tarana-mpanjakaFatimida nyKalifata Fatimida, izay nanjaka tany Ifriqiya teo anelanelan' ny taona 909 sy 969, ary avy eo tany Ejipta teo anelanelan' ny taona 969 sy 1171. Naorin' i Ubayd Allah al-Mahdi tamin' ny taona 909 miaraka amin' ny fanohanan' ireofokom-pirenena Ketama aoMaghreb afovoany, izay nanaraka nysiisma, dia nahafaoka ny ampahany be amin' iAfrika Avaratra sy iSicilia ary ampahany amin' nyAtsinanana Afovony.

Ny Kalifata Almôhada

[hanova |hanova ny fango]
NyKalifata Almôhada tamin' ny faratampon' tanjany tamin'ny taona 1180–1212

Kalifatasonitaberbera niorina tamin' ny taonjato faha-12 nyKalifata Almôhada. Rehefa tonga tamin’ ny fara tapon' ny tanjany izy dia nifehy ny ankamaroan’ nySaikanosy Iberika (Al-Andalus) sy iAfrika Avaratra (Maghreb).

Ny Kalifata Ôtômana

[hanova |hanova ny fango]
NyEmpira Ôtômana tamin' ny taona 1914.

NyKalifata Ôtômana dia ny fitondran' ny Tiorka Ôtômana tao amin' nyEmpira Ôtômana tamin' ny tapany farany amin' nyAndro Antenatenany sy tamin' ny fiandohan' nyvanim-potoana môderina.

Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Kalifata&oldid=1065037"
Sokajy :

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp