Nykalifa dia mpandimby sy solontenan' ny mpaminanyMohamady eo amin' ny fitarihana ny fianakaviambesilamo manontolo, nefa tsy manana ny sata maha-mpaminany.Kalifata no iantsoana ny fitondrana mozilmana entin' ny kalifa. Indraindray dia adika hoe "mpandimby" ny teny hoe "kalifa". Ny hampihatra ny fahefana eo amin' ny fiarahamonin' ny mpino araka ny môdely sy ny ohatra nomen' i Mohamady no iraka ampanaovina azy. Amin' ny Tandrefana dia heverina ho manana laharana mitovy amin' nyemperora ny kalifa, na dia samy hafa be aza ny fehefana sy ny tombontsoa ara-pôlitika ananan' izy ireo.
Avy amin' nyteny arabo hoe خَلِيفَة /khalîfa, izay midika ara-bakiteny hoe "mpandimby" (izany hoe "mpandimby ny mpaminany Mohamady") ny teny hoe "kalifa", teny avy amin' nymatoanteny arabo hoe خَلَفَ /khalafa izay midika hoe "mandimby".
Ny mihazona ny firaisan' ny finoana silamo no andraikitry ny kalifa, ary ny Mozilmana rehetra dia tokony hankatò azy: izy no mpitarika nyUmma (arabo: أمة), izany hoe ny fianakaviamben' ny Mozilmana manontolo maneran-tany. Izy no mitondra ny anaram-boninahitra hoe أمير المؤمنين /Amīr al-mu‘minīn, (ara-bakiteny: "Andriandahin' ny mpino"), anaram-boninahitra nofoanana tao amin' nySiita taorian' ny nahafatesan' iAli. Amin' izao fotoana izao dia mbola mitondra ny anaram-boninahitra hoeAmīr al-mu‘minīn ny mpanjakan' iMarôka.
Tsy mitovy ny fepetra ifidiana ny olona hatao hoe kalifa ho an' nySiita sy ho an' nySonita: ho an' ny Sonita, ny anjara andraikitry ny kalifa dia miankina amin' ny fifidianana; mifanohitra amin' izany kosa ny fiheveran' ny Siita: raha tsy maintsy hofidiana ny kalifa, dia tsy maintsy fidinana araka ny foto-kevitry ny rafi-pitantanana ara-panahy sy ara-pôlitika ataon' nyimam. Ny olona afaka atao kalifa amin' izao fotoana izao sady tokana, amin' ny Siita mino ny fisian' ny "Imam roa ambin' ny folo", dia tsy iza izany fa iMuhammad al-Mahdi, izay nafenina (غَيْبَة /ghayba) nanomboka tamin' ny taona 939 ary tsy iza fa nyMahdi. Tsy manaiky ny fisian' ny kalifa intsony nyIbadita nanomboka tamin' ny taona 657.
Ny kalifa efatra voalohany, izay eken' ny Mozilmana rehetra maneran-tany, no atao hoe "Kalifa Voatarika Marina" (arabo: الخلفاء الراشدون /al-Khulafāʾ al-Rāshidūn), izay nitarika ny fianakaviambe silamo taorian' ny nahafatesan' ny mpaminany Mohamady, dia iAbu Bakr (nanapaka tamin' ny taona 632–634), iOmar na Umar (nanapaka tamin' ny taona 634–644), iOthman na Uthman (nanapaka tamin' ny taona 644–656), ary iAli (nanapaka tamin' ny taona 656–661).
Maty tamin' ny taona 632 i Mohamady, nefa tsy namela toromarika ho an' ny fitondrana nyUmma amin' ny hoavy. Nivory taoMedina (aoArabia Saodita ankehitriny), renivohitry ny Tontolo Silamo tamin' izany fotoana izany ny andriamanjaka silamo, ary nifidy an' iAbu Bakr, rafozan' ny Mpaminany sy mpiara-dia akaiky indrindra aminy, ho lohan' ny fianakaviamben' ny Mozilmana. Naka ny anaram-boninahitra hoeKhalifat Rasul Allah ("Mpandimby ny Irak' Andriamanitra"), izay niavian' ny teny hoekalifa, i Abu Bakr.
Lasa kalifa faharoa iOmar na Umar tamin' ny taona 634. Teo am-pahafatesany iAbu Bakr dia nanendry an' i Omar ho mpandimby azy, ary nanaiky azy avy hatrany ny mpikambana mananana ny maha izy azy rehetra tao amin' ny fianakaviambe silamo.
Teo ambany fitarihany no nisian' ny fanitaran-tany lehibe voalohany amin' nyfinoana silamo any ivelan' nySaikinosin' i Arabia: tamin' ny 20 Aogositra 636 dia resin' ny tafika mozilmana ny tafik' iBizantioma notarihin' ny emperoraHeraclius I teo amoron' ny renirano Yarmouk, tokony 100 km miala an' iDamaskôsy. Taorian' io fandresena io dia resin' ny tafika mozilmana ny faritra atsinanan' iMediteranea fehezin' ny Bizantina: iSiria, iPalestina ary iEjipta indray no lavo teo am-pelan-tanan' ny Mozilmana. Imbetsaka koa ny tafiky nyEmpira Persiana no resy, indrindra fa tamin' ny taona 642, ka nahatonga ny faritra avaratra amin' iMesôpôtamia ho lasan' ny tafika mozilmana.
Notovanan' i Omar ny anaram-boninahitra hoeAmir al-muminin (ara-bakiteny: "Andriandahin' ny mpino") ny hoekalifa.
Tamin' ny Nôvambra 644 dia notsatohan' ny andevo persiana afaka antsy izy. Alohan' ny hahafatesany dia manendry kômity misy lehilahy enina izy, ireo no tsy maintsy mifidy ny kalifa fahatelo amin' izy ireo.
Taorian' ny famonoana an' iOmar tamin' ny taona 644, iOthman (vinantolahin' iMohamady ary iray amin' ny mpanaraka azy voalohany) no notendren' ny mpifidy enina avy anyMaka (na Meka) ho kalifa fahatelo. Na dia efa antitra aza izy dia nanohy ny pôlitikan' i Omar momba ny fanitarana ny tanin' ny fanjakana.
Na izany aza dia lasa nankahalain' ny olom-peheziny maro i Othman, izay nampangain' izy ireo ho nankasitraka ny fanjakanzakan' ny saranga ambony tao Meka eo amin' ny raharaha ara-pôlitika sy ara-barotra. I Othman koa dia namelona ny fankahalan' ny mpitory teny silamo tamin' ny famaranana ny fanavaozana ny fanoratana nyfanambaran'Andriamanitra azon' iMohamady (nyKor'any), izay mandrara ny dikan-teny hafa ho ara-dalàna. Nanao fahirano an' i Othman taoMedina ny miaramila mozilmana mpikomy avy any Kufa (aoIràka ankehitriny) sy avy tanyEjipta ary namono azy tamin' ny volana Jona 656.
IAli ibn Abi Talib, zanak' olo-mpiray tam-po sy vinantolahin' iMohamady, no neken' ny mponin' iMedina sy ny miaramila silamo mpikomy ho kalifa fahefatra. Ny governoran' iSiria, atao hoeMu'awiya I, izay kalifa voalohany tamin' ny tarana-mpanjakaOmaiada - dia nandà ka tsy hanaiky an' i Ali ho kalifa, noho izy noheveriny ho nampamono an' iOthman (havany akaiky), ary niantso valifaty noho izany famonoana izany.
Tamin' ny taona 657 dia nivory tao Siffin, lemaka any avaratra amin' iSiria, akaikin' ny toerana misy ny tanànan' i Raqqa ankehitriny, ny antoko roa mpifanandrina. Tao, taorian' ny ady nifanaovan' izy ireo izay tsy nisy resy na mpandresy, dia nanaiky ny handaminana ny ady izy ireo. Lasa kandidà tsotra ho amin' nykalifata i Ali, nitovy amin' i Mu'awiya. Tezitra tamin' izany fanalam-baraka izany sy ny faneken' i Ali an' izany fandaminana izany ny olona sasany mpanaraka azy — izay fantatra amin' ny anarana hoeKarijita — ka niala sy nianiana ny hamono an' i Ali sy an' i Mu'awiya. I Ali irery ihany no matin' izy ireo tamin' ny 24 Janoary 661.
Ny zanak' i Ali, Hassan, dia nitaky ny haha-kalifa tenany, saingy nametra-pialana volana vitsivitsy taty aoriana noho ny faneren' ny mpomba an' i Mu'awiya azy, izay maro anisa noho ny mpanara-dia an' i Ali. Ireo mpomba an' i Mu'awiya ireo no lasaSiita voalohany.