Movatterモバイル変換


[0]ホーム

URL:


Hankany amin'ny vontoatiny
Wikipedia
Tadiavo

Tetiandro persana

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'nyKalandrie persana)

Nytetiandro persana natetiandro jalaly natetiandro iraniana dia tetiandromanara-masoandro ampiasaina indrindra aoIràna sy aoAfganistàna. Avy amin' ny tetiandrozôrôastriana nampiasaina tanyPersia (na Persa) talohan' ny fahatongavan' nyfinoana silamo tao ny tetiandro persana. Marina kokoa noho nytetiandro gregôriana ny tetiandro persana noho ny fomba fampifandimbiasany ny taona misy andro 365 sy ny taona misy 366 andro.

Isaina manomboka amin' ny andron' nyHijra ny taona, izany hoe manomboka amin' ny taona 622 amin' nytetiandro joliana, nefa ny 16 Jolay izay heverina araka nylovantsofina fa nisehoan' ny Hijra dia nosoloana ny ekinôksan' nylohataona (any amin' ny ila-bolantany avaratra). Noho izany, ny andro voalohany amin' ny volanaFarvardin amin' ny taona 1 dia ny 19 Marsa 622 amin' ny tetiandro joliana, satria nyekinôksan' ny lohataona dia miseho iray andro mialoha amin' ny 8 ora sy 56 minitra amin' ny famantaranoran-jiaby, izany hoe amin' ny 12 ora sy 21 minitra amin' ny famantaranoran' iTeheran.

Ny volana ao amin' ny tetiandro persana

[hanova |hanova ny fango]

Ny volana roa ambin' ny folo ao amin' ny tetiandro persana dia mitanila raha mitaha amin' ireo volana gregôriana. Manombolaka amin' nylohataona ny taona, ka mifanandrify amin' ny 21 Marsa izany. Mifanandrify amin' ny fizaràn' nyzôdiaka ny volana. AoAfganistàna ohatra dia ny anaran' nyevan' ny zôdiaka amin' nyteny arabo no anaran' ny volana, fa ny aoIràna kosa ireo volana ireo dia mitondra anarana avy amin' ny teny ampiasaina ao amin' nyzôrôastrisma. Ireto omena manaraka ireto ny anarana iranianan' ny volana tsirairay. Mety hisy fiovana ny daty tena izy arakaraka ny fiovan' ny datin' nyekinôksan-dohataona.

Fari-potoanaFaharetanyAnarany
21 Marsa - 20 Avrily31 androفروردین / Farvardin [færværdin]
21 Avrily - 21 Mey31 androاردیبهشت / Ordibehešt [ordiːbeheʃt]
22 Mey - 21 Jona31 androخرداد / Khordâd [xordɒːd]
22 Jona - 22 Jol.31 androتیر / Tir [tiːr]
23 Juil. - 22 Aog31 androمرداد / Mordâd [mordɒːd]
23 Aog - 22 Sept.31 androشهریور / Šahrivar [ʃæhriːvær]
23 Sept. - 22 Okt.30 androمهر / Mehr [mehr]
23 Okt. - 21 Nov.30 androآبان / Âbân [ɒːbɒn]
22 Nov. - 21 Des.30 androآذر / Âzar [ɒːzær]
22 Des. - 20 Jano.30 androدی / Dey [dej]
21 Jano. - 19 Feb.30 androبهمن / Bahman [bæhmæn]
20 Feb. - 20 Marsa29 na 30 androاسفند / Esfand [esfænd]

Jereo koa

[hanova |hanova ny fango]
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Tetiandro_persana&oldid=1062499"

[8]ページ先頭

©2009-2025 Movatter.jp